♦ Nankatoavin'ny governemanta ny tolo-kevitry ny CENI ny hanaovana ny fifidianana Loholona amin'ny faha-11 ny volana desambra ho avy izao... ♦ Hikarakara varavarana misokatra ny zoma sy sabotsy izao ny Faculté toe-karena, fitantanana, ary ny fiaraha-monina (EGS) eny amin'ny Université Ankatso... ♦ Ho foana afaka volana maromaro ny fahatapahan-jiro lavareny (délestage) any amin'ny Distrika Vohimpeno, Faritra Fito-Vinany, ity Distrika ity izay isany nisitraka ilay fandaharan'asa fametrahana Parc solaire... ♦ Praiministra fahafito nandritra ny fitondran'i Emmanuel Macron nanomboka ny volana mey 2017 ny praiministra Sébastien Lecornu...

• Hahazo fitaovam-pianarana maimaim-poana avokoa ny mpianatra maherin'ny iray tapitrisa eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, androany teny amin'ny EPP Ambatobe... • Mbola mahaliana ireo mpianatra ny fanarahana ny fampianarana eny amin'ny oniversitem-panjakana. Maro ireo tanora mandray anjara amin'ny fitsapam-pahaizana eny amin'ny anjerimanontolo... • Nanomboka androany ary haharitra efatra andro, eny amin'ny Motel Anosy, ny atrikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpampiofana eo anivon'ny sampan-draharaha mpanara-maso ny asa...

♦ Nitondra fanazavàna ny teo anivon'ny CENI momba ny datin'ny 11 desambra izay nambaran'ny HCC fa azo anaovana ny fifidianana Loholona. Ny Governemanta ihany anefa no mamoaka ny fankatoavana hoy ity Vaomiera mpikarakara ny fifidianana ity... ♦ Nalefa hotsaboina atsy Maurice ny iray amin'ireo olona miiisa 7, sisa velona tamin'ilay raharaha fanapoizinana teny Ambohimalaza. Niainga omaly tety Ivato ny fiaramanidina nitondra azy... ♦ Tovovavy iray miasa amin'ny orinasa afak'haba eto Antananarivo no afa-jaza kambana, noho ny harerahana amin'ny asany. Nitaraina momba ny nahazo azy amin'ny sehatry ny asa izao ity mpiasa iray ity... 

♦ Tafakatra laharana faharoa ao amin'ny vondrona I indray i Madagasikara, taorian'ny fandresena nanoloana an'i Tchad omaly amin'ny fifanintsanana ho any amin'ny Mondial 2026... ♦ Nampiomana nyu mpanjifa ny orinasa JIRAMA fa ho mafy ny delestazy amin'izao fiatrehana ny vanim-potoanan'ny main-tany izao. Taraiky ny loatra ny vahaolan'ny Fanjakàna, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa (PMH) manoloana izany... ♦ Niatomboka omaly ny taom-pianarana vaovao manerana ny nosy. Haharitra 10 volana izany, tsy misy fiovàna firy amin'ny teo aloha ireo tetiandro samihafa efa nofaritan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...