♦ Nivoaka ny fifanarahana ho an'ireo orinasa hiara-hiasa ami'ny AVM any amin'ny Faritra Diana sy Sofia. Afaka miroso amin'ny fividianana  lavanila maitso eny amin'ny tantsaha ireo orinasa voafantina... ♦ Tsy tokony atao resaka politika fotsiny ny fizotry ny fanadihadiana ao amin'ny orinasa JIRAMA hoy Andriamatoa Andrianainarivelo Hajo fa takiana mihitsy ny tena hivoahan'ny marina... ♦ Mbola nibata fandresena ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay zazalahy latsaky ny 18 taona. Resiny tamin'ny 88 no ho 44 i Zimbabwe, fifanintsanana afrobasket... ♦ Misy ny filazana fanairana amin'ny mety hisian'ny tsunami any Japon...

♦ Nisy ny fihaonana niarahan'ny Filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michaël sy ireo Filoham-pirenena mirahalahy teo aloha Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery, omaly teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha... ♦ Manomboka amin'ity talata 28 jolay 2026 ity ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, izay karakarain'ny CENI. Hisy ny hetsika maro samihafa manerana an'i Madagasikara hanombohana izany... ♦ Miahiahy amin'ireo zava-mitranga niteraka fahatapahan-jiro tato ho ato ny orinasa JIRAMA. Nosokafana ny fanadihadiana momba ireo tranga nahatonga fahatapahan-jiro ireo...

♦ Nitohy androany teny Tsimbazaza ny fanadihadiana sy fihainoana ny tompon'andraikitra tao amin'ny JIRAMA nataon'ny solombavambahoaka. Nambara nandritra izany fa isan'ny nahapotika ny JIRAMa ny fahadisoan'ny mpitondra nifandimby... ♦ Hanomboka ny 3 aogositra izao ny Fy Dnon Bosco ao Moramanga. Efa an-jatony ireo nisoratra anarana hatramin'ny androany hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Tsara ny voka-bary tao amin'ny Faritr'i Bongolava tamin'iny taom-pambolena lasa iny. Manantena ny hihatsaràn'ny vidim-bokatra ny tsantsaha ao Bongolava hoy Andriamatoa Ranarivelo Lucien, solombavambahaoaka ao Tsiroanomandidy...

♦ Ny tsara ho fantatra mikasika ireo dingana hahafahana mampiditra ny anaran'ireo olom-pirenena ao anatin'ny lisi-pifidianana... ♦ Mampanahy ny mety hiverenan'ny toe-draharaha tamin'ny taona 2009 ka hamahana ny krizy any ivelany, raha tsy mahay mifampihaino ny samy Malagasy hoy ny antoko Kintana... ♦ Efa anatin'ny fandaharan'asa ny fitsinjovana ireo olona noravaina trano hoy ny SPAT ; hisitraka tany maimaimpoana 250m2 ireo rava trano tao Toamasina... ♦ Sambany tsy naharenesana zera baomban'ny amerikanina tany Iran, alina...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...