♦ Tontosa omaly alahady ny fanamasinana an'ny Mgr Jeannot Martial Andrianandrainy ho Eveka mpanampy ao amin'ny Diôsezin'i Morondava... ♦ Hisongadina amin'ity herinandro vaovao diavintsika ity ny fanombohan'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana... ♦ Tsara fanombohana ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay zazalahy latsaky ny 18 taona tamin'ny lalao voalohany amin'ny fifanintsanana afrobasket. Resiny 115 no ho 31 i Namidie... ♦ Tsy nanadino ireo tanora portugais nankalaza ny androm-pirenena ho an'ny Tanora ny Papa Léon XIV. Fihaonana izay nanohizana ny hafatra sy ny hafanam-po navelan'ny JMJ 2023...
♦ Tsy azo ekena ny hifampidinika amin'ireo olona tsy maty manota, efa nanodikodina ny harem-pirenena hoy ny mpandrindra nasiônalin'ny KMT... ♦ Nanome fe-potoana 5 andro ho an'ireo tompona fiara, sy kodiaran-droa hanala ireny jiro tsy manara-dalàna hampiasainy amin'ny fiarany ireny, ny avy eo anivon'ny DGSR foibe fanaraha-maso ny fiarakodia... ♦ Olona iray no maty, trano 40 kila forehitra vokatry ny haitrano tany Mahanoro Andemaka Vohipeno... ♦ Tezitra mafy noho ny fihitaran'ny ady any amin'ny faritra Moyen-Orient i Etazonia ka mandrahona ny hanao fanafihana mahery vaika an'i Iran indray...
♦ Tontosa teny amin'ny fidasian'ny lapan'ny tanàna Analakely omaly ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihan'ny FFKM, nitondrana am-bavaka ny firenena, manoloana ny halatra sy vono olona tato ho ato sy natao ho fisaonam-pirenena ihany koa... ♦ Miisa 256 ireo tranga fahaverezan'olona niseho teto Madagasikara hatramin'ny niandohan'ity taona 2026 ity hatramin'izao ka ny 9 tamin'ireo no fahaverezana niafara tamin'ny vono olona, raha ny nambaran'ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Anatin'ny famolavolana ny fanovana ny fandaharam-pampianarana ny eo anivon'ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa...
♦ Tontosa teny amin'ny fidasiana Lapan'ny Tanàna Analakely androany ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihan'ny FFKM, nitondrana ambavaka ny firenena, manoloana ny halatra sy vono olona tato ho ato sy natao ho fisaonam-pirenena ihany koa... ♦ Miisa 256 ireo tranga fahaverezan'olona niseho teto Madagasikara hatramin'ny niandohan'ity taona 2026 ity hatramin'izao, ka ny 9 tamin'ireo no fahaverezana niafara tamin'ny vono olona, raha ny nambaran'ny Ministry ny Fitsaràna... ♦ Anatin'ny famolavolana ny fanovana ny fandaharam-pampianarana (plan sectorel de l'éducation) ny eo anivon'ny Ministeran'ny fampianarana teknika...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco