♦ Salezianina fito mirahalahy no nanonona ny voady ho mandrakizay, omaly alahady faha-19 jolay tany Betafo-Antsirabe... ♦ Mpiadina miisa 233.538 isa, no nisoratra anarana hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea amin'ity taona 2026 ity... ♦ Tompon-daka eran-tany ho an'ny taranja baolina kitra 2026 i Espagne rehefa nandresy an'i Argentine iray no ho ny tsy nisy... ♦ Velaran-tany mananika ny 1.200 Ha no may hotohoton'ny lelafo any amin'ny faritra Guadalajara any Avaratr'i Madrid Espagne hatramin'ny alakamisy 16 jolay teo...
♦ Mankalaza ny faha-160 taonany amin'ity taona ity ny gazety malagasy voalohany. Natomboka omaly ny fankalazana. Maniry ny firaisan-kinan'ny samy mpanao gazety ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Gascar Fenosoa... ♦ Voatendry ho ambasadaoron'i Madagasikara manana fahefana feno, solontena maharitra eo anivon'ny UNESCO, nandritry ny filan-kevitry ny ministra Ramatoa Christine Razanamahasoa... ♦ Haverina hiasa amin'ity taona 2026 ity ny Guichet Agricole ao Ankadinondry Sakay, Faritra Bongolava. Foto-drafitr'asa hanomezana ny tolotra fototra hanatsaràna ny asan'ny tantsaha...
♦ Naka ny hevitry ny olona tsy ankanavaka momba ny tetik'asa "Fly Over" tanterahana eny Anosizato sy ny manodidina ny eo anivon'ny Ôfisim-pirenena momba ny tontolo iainana (ONE). Tsy hisy ny fandravana trano hoy ny ministeran'ny asa vaventy raha tsy efa mahazo fanonerana ireo voakasika... ♦ Mandrindra ny fanafarana vary any ivelany ny ao amin'ny Ministeran'ny Varotra sy ny Fanjifàna. Manana adidy hanao fanambarana tahiry ireo mpandraharaha misehatra amin'ny vary... ♦ Mankalaza ny faha 60 taona nijoroany ny Kaomiseran'ny varotra sy ny fifaninana. Marolafy ny hetsika nanokafana izany omaly zoma...
• Hanomboka tsy ho ela ny fanatanterahana ny tetikasa Flyover eny Anosizato. Naka ny hevitry ny vahoaka rehetra voakasiky ny tetikasa ampahany voalohany, ny eo anivon'ny Ofisim-pirenena momba ny Tontolo Iainana na ny ONE... • Miroso amin'ny dingana entina handrindrana ireo vary afarana avy any ivelany ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana... • Nosokafana androany tamin'ny alalan'ny hetsika ara-pahasalamana ny tsingerin-taona faha-60 niorenan'ny Kaomiseran'ny Varotra sy ny Fifaninana...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco