♦ Nihazo avy hatrany ny sekoly ambony fandalinana ny filôzôfia any Fianarantsoa hanohy ny fiofanana maha-relijiozy izy 8 mirahalahy nahavita ny fanononana ny voady voalohany niditra ho mpikambana ao amin'ny fikambanana Salezian'i Don Bosco... ♦ Tsy tapaka hisatra no tsy nahitana olana ara-teknika ary salama tsara ilay mpamily nanao lozam-pifamoivoizana namoizana ain'olona 2 sy nandratra olona miisa 7 teny amin'ny tonelina Ambohidahy hoy ny mpanao fanadihadiana savaranonando... ♦ Ny nomerika sy ny saina voatran'olombelona fanohitra ho an'ny fampivoarana ny fizahan-tany, lohahevitry ny ando manerantany hatao any Mahajanga...

• Miisa valo ireo tovolahy nanonona ny Voady Voalohany androany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... • Nisy ny maty, ao ireo mbola manaraka fitsaboana naratra ary efa nisy ireo nody, taorina'ilay lozam-pifamoivoizana teny Ambohidahy, ny tolakandro teo... • Niakatra ho adiny telo ny fahatapahan-jiro nifandimby, ankoatra ireo olana hafa izay mitarika ny tsy fisitrahana herinaratra avy amin'ny Jirama...

♦ Mivelatra amin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny raharaham-pirenena ilay dinika tanterahina eny Iavoloha fa tsy nijanona tamin'ny resaka fifidianana fotsiny. Ho tapitra anio izany dinika izany, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Manomboka miarin-doha ankehitriny ny orinasam-panjakàna Fanalamanga. Efa mandeha avokoa ireo milina maty teo aloha. Mikasa ny hanondrana vokatra voahodina ny orinasa, atsy ho atsy... ♦ Karohina indray ankehitriny i Eddy Bois de Rose. Namoahan'ny Ministeran'ny Tontolo Iainana filazàna fikarohana noho ny raharaha fanondrànana sokatra ity mpandraharaha malagasy ity...

♦ Manaitra ny filohan'ny Fanavaozana ka nandefa taratasy faharoa any aminy ny vondrona firaisamonim-pirenena OSCEC. Tandindomin-doza ny firenena manoloana ny fahapotehan'ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, hoy izy ireo... ♦ Samy efa mihetsiketsika avokoa ireo antoko pôlitika samihafa miatrika ny raharaham-pirenena, eo ny momba ny fifidianana, ny fikaonandoham-pirenena... ♦ Mbola miaina fahatapahan-jiro lavareny foana ny mpampiasa herinaratry ny JIRAMA eto Antananarivo. Tsy tomombana ny milina famokarana, na ny mandeha solika, na ny azo avy amin'ny fikorianan'ny rano...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...