♦ Nolavin'ny tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly ny fangatahana fahafahana vonjimaika napetraky ny mpisolovava ireo voarohirohy tamin'ny raharaha Boeing 777... ♦ Fotoana hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-diplomatika sy hitadiavana famatsiam-bola ho an'i Madagasikara, ny fandraisana anjara amin'ilay fihaonana an-tampony fahatelo eo amin'i Russie sy Afrika, manomboka androany ary aharitra roa andro any Moscou... ♦ I Madagasikara no mandray ny andiany faha-20 amin'ny fiadiana izay ho tompon-dakan'ny Ranomasimbe Indiana ho an'ireo atleta manana fahasembanana (CCHOI 20e édition)... 

[Miara-dàlana] Zoma 6 novambra 2026

• Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, notendren'ny Papa Léon XIV, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… •“Inoy izay vakianao, ampianaro izao inoinao, arahao izay ampianarinao”, io no lohahevitra hifanentanana sy hifampizarana mandritra ny fihaonamben'ny pretra diosezanina, hotanterahana ny 12 hatramin'ny 16 novambra 2026 any amin'ny Diosezin'Antsirabe… • Ny asa no fon'ny toekarena, hoy ny Ray masina, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...