♦ Higadona anio etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Relique an'i Masindahy François d'Assise. Hitety Diôsezy maromaro izy io araka ny fandaminana... ♦ Nisokatra omaly teny amin'ny oniversite an'Antananarivo ny Doctoriales 2026, andiany faha-12. Afaka manala ny olana manahirana ny Malagasy ny fikarohana ataon'ny Malagasy hoy ireo mpikaroka... ♦ Hihamafy hatrany ny fiatraikan'ny fiovan'ny toetr'andro eran'izao tontolo izao. Isan'ny tena marefo amin'ny voka-dratsiny ny vehivavy Malagasy araka ny fanadihadiana nataon'ny AFCD... ♦ Espagne sy Argentine no hiatrika ny lalao famaranana amin'ny Mondial-2026...
• Tsy misy firenena afaka handroso raha tsy manome lanja ny asa fikarohana, hoy ny Profesora Jonah Ratsimbazafy... • Mitady ho banga, noho ny asa andavanandro, ny fanokanan'ny ray aman-dreny fotoana ho an'ny zanany, raha ny fahatsapan'ny fikambanana mitandro sy miaro ny ankizy na ny ASPE... • Ho entina amin'izao vaovao izao ny fandaharam-potoana amin'ny fahatongavan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise eto Madagasikara rahampitso...
♦ Hanomboka amin'ny herinandro ambony ny fanadihadiana Parlemantera momba ny fitantanan'ny filoha teo aloha Andry Rajoelina hoy ny Filohan'ny Antenieram-pirenena... ♦ Misy fiatraikany amin'ny fanatrarana ny fandaharam-pianarana ny famerana ny fahafahana mivezivezy eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo... ♦ Manasa ny mpanao gazety ho avy hanatrika ny fanokafana ny taom-pankalazana ny faha-160 taonan'ny Gazety Malagasy izay tanterahana ny zoma ho avy izao, hoy ny CTOJM... ♦ Miezaka amin'ny fampitambarana an'i Libye ankehitriny ireo ankolafy mpifandrafy ara-politika any an-toerana...
♦ Nanentana ny fiangonana hanao fotoam-bavaka manokana ho an'ireo namoy ny ainy ary maintsy ny vahoaka ho tony ny fanambaràna nataon'ny FFKM, manoloana ny halatr'olona sy ny vono olona misy ankehitriny... ♦ Fanirian'i La Frantsa ny hatanterahan'ny fifidianana madio sy mangarahara eto Madagasikara aémin'ny faran'ny taona 2027 hoy ny fanehoan-kevitry ny masoivoho Frantsay Arnaud Guillois... ♦ Tafakatra amin'ny dingan'ny famaranana amin'ny fifaninana ho an'ny mondial-2026, izay hatao ny 19 jolay izao ry zareo Espagnole rehefa nandresy ny ekipam-pirenena Frantsay amin'ny isa 2 noho tsy misy...
• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco