♦ Ny taranja Malagasy sy SVT, androany no nanombohan'ny mpiadina ny fanadinam-panjakana BEPC. Efa nanomboka avy hatrany ny fitsarana, hoy ny eo anivon'ny Minsiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Nampitsahatra ny asany, ireo mpianatra ho mpitsabo "interne" sy "interne qualifiant", miasa eny amin'ny hôpitalim-panjakana. Nisy ireo nilanja sora-baventy teny amin'ny HJRA androany, mitaky fampiakarana 13% ny tambin-karama, toy ny mpiasam-panjakana rehetra... ♦ Ankizy tsy ampy taona miisa 2 tapitrisa any ho any amin'izao no efa miditra amin'ny sehatry ny asa, ka ny 80%-n'izy ireo dia anatin'ny asa mamoafady na mitera-doza...

♦ Nanomboka androany ny fanadinana ara-panjakana faharoa ho an'ny fampianarana ankapobeny eto Madagasikara. Mpiadina maherin'ny 310.000 voasoratra anarana no miatrika ny fanadinana BEPC manerana ny nosy. Fanadinana nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Lycée Nanisana... ♦ Nanomboka androany ny fotoam-pitsaràna miaramila amin'ity taona 2022 ity. Eny amin'ny kianjan'i Betongolo no hanaovana izany ho an'ny ao Antananarivo-Renivohitra... ♦ Efa miaina ny fiovaovan'ny toetr'andro i Madagasikara ankehitriny. Misy sehatra anaovana asa manokana nefa hanalefahana ny fiatraikan'izany fiovaovany izany hoy ny tompon'andriakitra ao amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy...

♦ Manomboka androany ny fanadinana ara-panjakana faharoa ho an'ny fampianarana ankapobeiny eto Madagasikara. Mpiadina maherin'ny 310.000 voasoratra anarana manerana ny nosy no miatrika ny fanadinana BEPC... ♦ Nitombol 406 ny olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina teo anelanelan'ny 24 jona hatramin'ny voalohan'ny volana jolay 2022. Marary 08 no anatin'ny "forme grave" na atahorana ny toe-pahasalamany. Miisa 03 ireo lavon'ny aretina... ♦ Nankalaza ny faha-20 taona nijoroany  ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM tamin'ny sabotsy teo. Teny amin'ny kianjan'ny Finoana Magro Behoririka no nanaovana ny lanonana... ♦ Nesorin'ny CEDEAO ny sazy ara-toekarena sy ara-bola ho an'i Mali...

♦ Nanolotra masomboly vary fototra, 8 taonina ho an'i Madagasikara ny Africa-Rice na ny Foiben'ny vary aty Afrika... ♦ Simba ny 30% ny lavanila any amin'ny Faritra Sava, indrindra ny any Vohémar, tratra aoriana loatra ny fotoana fisokafan'ny tsenan'ny lavanila... ♦ Ankidona Fianarantsoa : Nampidirina am-ponja vonjy maika ireo vehivavy roa tompon'antoka tamin'ny fahatratrarana sokatra miisa 91, taoa Ankidona-Fianarantsoa...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...