• Miatrika ny lalao ihaonana amin'i Tchad, anatin'ny fifanintsanana Mondial 2026, ny Barea, nanomboka tamin'ny 7 ora hariva teo... • Nampiomana ny mpanjifa ny orinasa JIRAMA, fa ho mafy ny delestazy amin'izao main-tany izao. Taraiky loatra ny vahaolan'ny fanjakana, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH, manoloana izany... • Nanomboka androany ny taom-pianarana 2025-2026 manerana ny nosy. Tsy misy fiovana firy tamin'ny teo aloha ireo tetiandro samihafa efa voafaritra, ka tsy hifarana raha tsy amin'ny volana jona amin'ny taona ho avy...

♦ Tsy mbola ato ho ato aloha no hivaha ny olana eo amin'ny orinasa JIRAMA. Nanamafy ity orinasa ity fa mila mivonona ny mpanjifa satria ho sarotsarotra ny hiatrehana ny vanim-potoanan'ny main-tany... ♦ Tsy manan-tsafidy hafa-tsy ny handresy an'i Tchad ny Barean'i Madagasikara anio, hoy ny mpamakafaka baolina kitra Fenosoa Razafimamonjy... ♦ Andrasana izay ho fanapahan-kevitry ny governemanta manoloana ny datin'ny 11 desambra izay efa tsy nametrahan'ny HCC olana amin'ny hanatanterahana ny fifidianana Loholona... ♦ Ahiana tsy hisy intsony atsy ho atsy ireo mpanao gazety afaka hitatitra ny vaovao manoloana ny zava-misy any Gaza hoy ny RSF...

♦ Miverina an-tsekoly manomboka anio ireo mpianatra hiatrika ny taom-pianarana 2025-2026... ♦ Vonona hanome tanana ny fitondram-panjakàna amin'ny fitsaboana any ivelany ho an'ny ampahany amin'ireo tanora lasibatry ny aretina teny amin'ny sampanana Imerinkasinina-Ambohimalaza ny vovonana firaisankina... ♦ Tranga iray nanamarika ny omaly alahady ny fifandrifin'ny masoandro, volana ary ny tany. Afaka nahita izany isika teto Madagasikara... ♦ Notanterahin'ny  Papa Léon-XIV, omaly, ny fanandratana ho amin'ny laharan'ny Olomasina an'i Carlo Acutis sy Pier Giorgio Frassati...

♦ Miitatra adiny-4 farafahakeliny ny delestazy eto Antananarivo ankehitriny. Miantraika amin'ny mpiasan'ny orinasa izany hoy ny Randrana Sendikaly ka maro ireo alefan'ny mpampiasa anaty fiatoana ara-teknika... ♦ Feno roa volana sy 20 andro androany no tsy hita popoka ilay Sambo AW, niainga tao Mahajanga ho any Comores. Mbola mitohy ny fikarohana hoy ny tae jeneralin'ny APMF raha nanontanian'ny mpanao gazety omaly... ♦ Isa 9 sisa tadiavin'ny Barea dia mety handray anjara amin'ny Mondial 2026. Lalao manaraka mila hakàna fandresena ny fihaonana amin'ny Tchad ny alatsinainy hariva izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...