Maro ny tanora tsy mahafantatra ny ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo atao hoe : IST kanefa mitombo be ireo fahazoana ny otrik'aretina mahatonga azy ankehitriny. Aleo misoroka toy izay mitsabo anefa satria maro be ny voka-dratsiny ara-pahasalamana sy ara-pitondrantena sy ara-panahy... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

Hetsika goavana ary saropady ny JNE noho izy mahakasika ankizy tsy ampy taona entina lavitra tsy miaraka amin'ny ray aman-dreny, noho izany ilaina ny hahafantarana ny ezaka tsara natao sy ny mila hatsaraina hakana lesona mankany amin'ny tsara kokoa hatrany ho an'ny JNE manaraka... Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.

Tena misy fiantraikany amin'ny manodidina azy ny fifandraisan'ny mpivady, na akaiky izany na lavitra. Mbola antontan'isa vokatry ny fandinihana ny fiaraha-monina ihany no nahitana fa ny mpivady iray manana fifandraisana tsara eo amin-dry zareo dia mahatarika mpivady 12 hafa hanana fifandraisana tsara ihany koa. Betsaka ny soatoavina avy amin'ny fampianaran'ny Eglizy, ary azo entina miaina tsara. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara dia mandray anjara amin’ny fanentanana ny olona mba hanjakan’ny fandriam-pahalemana ny vanim-potoana hiomanana sy hanatanterahana ny fifidianana eto amin’ny nosy. Fomba iray hanatanterahana izany ny hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana sy filaminana amin’ny 24 septembra eto Antananarivo hanasana ny olom-pirenana sy ny tia fandriam-pahalemana rehetra. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

[Vaovao manokana] Talata 5 desambra 2023

Nankatoavin’ny Papa François ny fangatahan’i Mgr Vincent Rakotozafy, hitsahatra amin’ny fitantanana pastôraly ny Diôsezin’i Tolagnaro, noho ny fahatrarany ny fetra-taona, ary notendren’ny Ray masina handimby azy i Mompera Luc Olivier Razafitsimialona, Économe ao amin’ny Seminera Zokiny Masindahy Joany Batista, Vohitsoa, Fianarantsoa.

Tohiny...

Tsara ny Noely, raha...

Mitondra ny teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika, amin'izao fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Mpamonjy izao, i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...