Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny saina tia karokaroka, saina liam-baovao na ny “curiosité”. Anisan’ny ampinga iray manampy ny olona iray izany mba hitombony, amin’ny maha-olona azy, hampihitatra ny fahaizany eo amin’ny sehatry ny fianarana, ny asa, ny fiaraha-monina, ny fikarohana, ny tontolo iainana ary ny fiainana ara-panahy sy ny fomba fisainana. Noho izany dia fitaovana manan-danja izy eo amin’ny maha-olona ary misy ny fitaizana sy fikolokolona azy mba ampivelatra sy ampiasaina azy tsara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fotoana maha zatovo dia fotoana tsy maintsy lalovana ary fiolahana lehibe eo amin'ny fiainana satria fotoana mety hanaovana fitondrantena mety hitondra voka-dratsy eo amin'ny fahasalamana sy ny fiainana manontolo. Eto Madagasikara, miaina ao anaty tontolo tsy ahazoany fahasalamana ny tanora, mitontongana ny toekarena, ny fanabeazana, ny fiahiana ny ara-pahasalamana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fanantenana vokatry ny fifankatiavana dia manasongadina ny herin’ny fitiavana amin’ny fanomezana hery sy fanantenana eo amin’ny fiainana. Afaka aseho amin'ny endriny maro izany fitiavana izany na eo amin’ny mpivady, na fianakaviana, na fiaraha-monina amin'ny alalan'ny fihetsika madinika isan'andro. Na dia eo aza nefa ireo sakana tsy havitana izany dia misy hatrany fomba hihoarana izany dia ny fialana amin’ny hambom-po sy fisokafana amin’ny hafa. Ny fifankatiavana matotra dia mitondra fiadanam-po, fitovian-danja, fivelarana iombonana ary fahaiza-miatrika ny sedra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Singa iray mamotika ny fiaraha-monina ny fihanaky ny zava-mahadomelina sy ny fiankinan-doha aminy, indrindra ny tanora. Anisan’ny fototra mahatonga ny herisetra isan-kazany izy io. Azo atao tsara anefa ny miaina madio sy milamina lavitry ny fahazaran-dratsy, ary miaina tsy misy herisetra anjakan’ny fifanajana sy fifankatiavana ary fandriam-pahalemana. Izany dia mitaky fanabeazana ara-pitondran-tena matotra, fanohanana avy amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina, ary fanapahan-kevitra hentitra hanaraka lalan-tsaina madio... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...