Ny fiarahan-dalana dia fifanatonan'ny olona na vondron'olona maromaro mba hiombona amina tanjona iray. Ny fiombonana indray dia fototra iray mampisy fahombiazana ao anatin'ny fiarahan-dalana. Ho an'ny fiainan'ny mpivady manokana dia mifanindran-dalana ny fiarahan-dalana sy ny fiombonana, rehefa miditra tanteraka amin'ny fiainan'ny andaniny ny ankilany. Mpiara-miombona antoka mitovy lenta ny mpivady, ary mifameno sy mifampiankina amin'ny ezaka hahatongavana amin'ny tanjona iombonana.
Mbola maro ny vehivavy miaina ao anatin'ny fiankinan-doha. Maniry mafy izy ireny, ary manao ny ezaka rehetra, ny mba hizaka tena, noho izany dia maro koa ireo manararaotra izay finiavan'ny vehivavy te hizaka tena izay. Endrika iray isehoan'izany fanararaotana izany ny famarinana olona.
Sehatra manan-danja ary tsy azo idovirana eo amin’ny fiainan’ny olona iray, na fianakaviana, na fiaraha-monina, ary indrindra ny firenena ny fanabeazana. Tsy maintsy misy lafin-javatra omena lanja ao dia : ny fampianarana, fianarana, fampitana, fahaiza-manao, sns, mba afahanana mivelatra amin’ny maha-olona feno. Anisan’ny mandrafitra io maha-olona feno io ny ara-batana, ara- tsaina, ara-panahy, ara-piaraha-monina, ary ny ara-pihetseham-po. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Ny fanantenana tsy manodoka" Rm 5,5 fa manome hery antsika amin'ny andro fitsapana. Mety hitondra fiononana izany teny izany, mety hisarika ny saina hametra-panotaniana koa nefa, indrindra rehefa marary sy mitondra fangirifiriana. Ahoana no hananana tanjaka raha hitantsika manoloana antsika ireo olona tiantsika mijaly, nefa tsy afa-manoatra isika tsy afaka hanampy azy akory ?. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco