Ny fanabeazana ny maha-olona manontolo no fototra hanorenana olona mendrika sy fiaraha-monina mandroso. Tsy ny fanomezana fahalalana fotsiny ihany no tanjona fa ny fananganana olona manana fo, saina ary fanahy vonona hanompo ny hafa ary hanorina ny ho avy. Raha te hanana Madagasikara mandroso isika dia tsy maintsy manabe olona feno : mahay, marina, tia tanindarazana, manaja ny hafa ary matahotra an’Andriamanitra. Aza avela ho very ny taranaka noho ny tsy firaharahiana ; ny fanabeazana ataontsika anio no endriky ny firenena ho hitantsika rahampitso....

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...