Ny loha dia ilaina sasàna indray maka isan-kerinandro ka diovina ny hodi-doha sy ny volo ; ilàna fitandremana sy fandanjalanjàna ny fampiasana ireo vokatra fanosotra amin'ny volo mba tsy hiteraka olana. Ny tarehy dia saro-pady ka tokony sasàna maraina sy hariva ; tandremana tsara ireo vokatra misy "diprosone - corticoïde" fa manimba ny hoditra, mety hakasika ny fahasalaman'ny maso raha tsy voafehy ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Araky ny singa ara-tsakafo tsy ampy ao amin'ny zaza iray ny aretina mety hahazo azy ; ny alibotry dia ny tsy fahampian'ny "protide", ny alifisatra dia tsy fahampian'ny sakafo mitondra hery "glucide". Maro ny ray aman-dreny no tsy mahay mampisakafo ny zanaka, indrindra ny tsy fahafantarana ny singa ilain'ny vatana sy ny fahasamana anaty sakafo. Ny sakafo dia tokony hifanaraka amin'ny taona, fahasalamana misy amin'ny zaza... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Niforontanan'ny fisakafoana mahazo ireo olona tsy mahinana sakafo na tsy te hihinana, ireo mihinana be loatra, ireo tsy mahalany ny sakafo sahaza azy, ireo manam-pahazarana manao be am-bava, ireo dia samy fambara olana ara-pahasalamana. Ny tsy fahazotoana misakafo dia fambara hoe tsy salamana  ny olona iray. Ny fikorontanan'ny fisakafoana dia mety ho vokatry ny aretim-bavony, ny lalan-kanina no misy marary... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...