Ny torimaso tena mety ho an'ny fahasalamana dia tokony haharitra 7 hatramin'ny 9 ora isan'andro, ka raha mihoatra ireo dia sokajiana ho olona be-torimaso ny olona iray. Ilaina ny fialan-tsasatra anatin'ny tontolo andro ka tsy tokony hihoatra ny 1 ora. Raha be-torimaso ny olona iray dia tokony hanao fizahana ara-pahasalamana satria azo sokajiana ho fambarana tsy fahatomombanana ara-pahasalamana na mety ho efa aretina mihitsy. . Fambara : sahirana rehefa mifoha maraina, miherotra loatra, resi-tory tampoka (torimaso fotsy)... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 13 novambra 2026

• Nanomboka omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, any amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra manodidina ny 1126 no miatrika izany… • Hifarana rahampitso 14 novambra 2026, ny fisoratana anarana ho an'ireo rehetra hiatrika ny famaranana ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny Pakan'i Md François… • Nihaona tamin'ireo niharan'ny fanararaotana tao Lima, ny Papa Léon XIV…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...