Noho ny vanim-potoana sy ny tontolo manodidina dia lasa misy antsana mampisaraka ny tanora sy olon-dehibe. Misy fomba fifandraisana tsy maintsy arafitra sy arindra, noho izany, mba hisian'ny fifampihainoana.

Ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana no antoky ny fivelaran'ny zanaka. Manandanja ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana, izay hampitain'ny ray aman-dreny amin'ny zanany. Ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana dia fomba afahana mamelona indray ny fihavanana sy ny firaisan-kina, mamerina ny fifanajana. Ny Malagasy no tena mahalala ny atao hoe "fihavanana" izay teny malagasy tsy misy dika teny hafa. Ny Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco. 

Ny fahasalamana dia tsy tomombana raha tsy mahakasika ny vatana, saina, fanahy. Ny sakafo ara-pahasalamana sy madio, maro loko sy miovaova dia isan'ireo singa fototra loharanon'ny fahasalamana. Ny torimaso sy ny fahadiovan'ny vatana dia singa hafa ahazoana fahasalamana ihany koa. Ahitana trangana areti-maso any Mahajanga izay misy fambara : Mena ny maso, mangidihidy, misy tai-maso, mihena ny fahitana, fanaviana, aretin'andoha, mijohy fotsiny ny ranomaso, mivonto. Areti-maso mifindra amin'ny fifampikasohana koa mila manadio tanana matetika amin'ny rano sy savony, aoka tsy hikasika matetika ny maso. Ny Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco. 

Fanontaniana mipetraka ny hoe malagasy manao ahoana no afaka mifanampy hampandroso an'i Madagasikara. Fanabeazana sahala amin'ny ahoana no tsy maintsy hapetraka mba ho singa hampandrosoana ny firenentsika. Ny fanabeazana no tsy maintsy hatao laharam-pahamehana raha toa ka manana vina hampivoatra ny firenena iray. Ireo fitsipika hamari-pototra ny fanabeazana :  fifanajana, fametrahana sy fanarahana fitsipika, miezaka ho maodely tsara, fametrahana tontolo mahafinaritra hanamorana io fampitana fanabeazana... Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin'ny Ramatoa Aliette Abraham. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 febroary 2025

• Nanome hafatrafatra ho an'ireo mpitandro ny filaminana sy ireo miandraikitra ny filaminana eran-tany ny Papa François, nandritra ny fanamarihana ny Jobily 2025 ho azy ireo... • Hafatra ho an'ireo seminarista, indrindra ho an'ireo vao niditra taona voalohany, ao amin'ny Grand Séminaire Faliarivo Ambanidia, no natolotry ny Solontenan'ny Ray masina miasa eto Madagasiakara, nandritra ny Symposium notanterahana ny zoma sy ny sabotsy lasa teo... • Nanentana ny mpitandro ny filaminana hiahy sy hiaro hatrany ny ain'olombelona ny Papa François, nandritra ny toriteniny teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Piera, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...