♦ Ao amin'ny "ankohonana" ihany, manomboka eo amin'ny faharoa taonan'ny zaza no ampidirana ao an-tsainy ny fanabeazana momba ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny olon-dehibe, eo koa ny fampiharana ny famaizana kely raha toa manao fadisoana izy. ♦ Ny sehatra rehetra indrindra ny sekoly isan'ambaratongany no tokony hampatsiahy ny tombontsoa azo avy amin'ny fanarahan-dalàna, ny fitsipi-pifehezana ary ampiharana ny famaizana efa nohazavaina taminy. ♦ Ny fiaraha-monina, ny firenena no tokony hampahafantatra sy hanabe amin'ny fomba isan-karazany ny fitsipika, ny lalàna, ny fepetra ary mampihatra ny famaizana voafaritra. Ampahafantarina ny rehetra ny vokatry ny fampiharana ny famaizana.
Ho famintinana ny fanabeazana ara-pahasalamana nifampizarana nandritra ny taona dia ireto tsara hotadidiana, ho fitandremana ny fahasalamana : voalohany fadiana ny manao dokotera tena satria ny fanafody dia omena arakaraka ny toe-pahasalaman'ny olona iray, ary indrindra, omena hamongorana ny aretina fa tsy hanalana ny fisehon'aretina fotsiny akory. Faharoa, tsara sy mahasoa hatrany ny fananana mpitsabo mahazatra izay mahalala tsara ny toe-pahasalaman'ny tena. Ary farany, raha misy tsy fahasalamana dia aleo ihany manatona ireo mpiasan'ny fahasalamana ara-dalana, nandalim-pahalalana sy nahazo alalana hikarakara ny fahasalaman'ny olombelona.
Manàna herin-tsaina mba hahafahana manova ny tokony hovaina sy ny azo hovaina ; manàna fahatoniana mba hahafahana manaiky izay tsy azo hovaina ; ary manàna fahendrena mba hahafahana mamantatra ny maha samy hafa azy ireo... Tsy tokony hiankina amin'olona hafa na toe-javatra hafa ny ezaka na fanovana tokony hatao fa miankina amin'ny tenantsika irery. Ny faharesen-dahatra anaty dia mitondra ny olona iray ho amin'ny fivoarana sy ny fandrosoana. Mifanohy ary mifampiankina ny herin-tsaina sy ny fahatoniana ary ny fahendrena. Fadaharana "Ampela Miary" vokarina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tamin'ny fomba fiheverana teo aloha, ny atao hoe aina tamin'ny malagasy dia : lahitokana ny aina ; tsy ananam-piry ny aina ; tavim-bilany ny aina ka tsy hita izay havakisany ; fofon'andro ny aina ka tsy hita izay halevonany. Isan'ny soatoavina malagasy ny fitandrovana ny aina. Ny aina dia avy amin'Andriamanitra, vokatry ny fitiavana. Mety marary ny aina, re ny aina izay zavatra ratsy ahatra aminy. Mba hankamamiana ny aina dia zava-dehibe ny fanabeazana. Tena mbola mankamamy ny aina ny malagasy porofon'izany ny fahitana ireo olona mamonjy tobim-pahasalamana. Ny zava-misy ankehitriny dia voakatry ny fanalana ireo taranja nanabeazana ara-pitsipi-pitondrantena sy fanabeazana ho olom-pirenena.
♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco