Tsy mitovy ny lahy sy ny vavy ; ny lahy dia manao hetsika ary maleho-tena, ny vavy kosa dia olon'ny teny sy ny serasera. Ny vehivavy dia mila ny hafa kokoa, afahany maneho sy mizara. Rehefa manilika ny tenany ny vehivavy dia lasa tsy mahatoky tena, ary tsy mahatsapa ny hasiny intsony. Ireo mahatsiaro tena ho voahilika, tsy mahatoky tena dia mila tantsoroka fanohanana mba afahany mijoro... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 ôktôbra 2026

• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...