Ny fitiavana dia manentana sy fototra iorenan'ny repoblikan'i Madagasikara ankehitriny, porofon'izany ny fahitana io teny io amin'ny taratasy ampiasaina amin'ny sampandraharaham-panjakàna rehetra " Fitiavana - Tanindrazana - Fandrosoana " Raha tena hiainana sy hampanjakàna ny "fitiavana" dia azo antoka fa handroso tokoa i Madagasikara ; ny fitiavan-tanindrazana mitondra amin'ny fandrosoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Zava-dehibe ny maha iray an'izay rehetra miaina amin'izao tontolo izao ity. Ny olombelona dia iray ihany ary tokony ho tombontsoa iombonana daholo no hery manetsika ny tsirairay mba ho fampandrosoana ny isam-batan'olona. Ny tena fitiavan-tanindrazana dia fiombonana, mila manao ezaka ny rehetra mba tsy hosaratsarahan'ny finoana samy hafa, ary ny fivavahana dia tsy tokony hatao fitaovana hampisarahana ny olombelona... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Zava-dehibe ny maha iray tsy mivaky ny vahoaka Malagasy. Aoka hatsapa tena ny tafika Malagasy fa iray ihany ny tafika, fototra lehibe afahana miady amin'ny fahantrana, kolikoly. Zava-dehibe ihany koa ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina. Ny fanabeazana dia miainga amin'ny zaza, manomboka amin'ny ireo asa fanao andavanandro ao an-tokantrano... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, misy farany ny zavatra rehetra, ny mahantra mbola hanana. Zava-dehibe ny fifamelàna, ny fahaiza-mihaino sy ny fifampitondrana am-bavaka. Manana adidy ny mpitondra manam-pahefana sy ireo mpanana hitsinjo izay rehetra hanarenana ny fiainan'ny vahoaka : famoronana asa. Manana adidy hanova sy hampivoatra ny toe-tsaina entina hitrandrahana ny harena nomen'Andriamanitra an'i Madagasikara, isika Malagasy rehetra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco