Masindahy Joda no antsoina rehefa misy zava-dehibe manahirana, anatin'ny finoana sy fitoniana. Ny fanevan'ny satana dia ny vola aman-karena, ny voninahitra, ny fiavonavonana, ary mampiasa ny fomba sy ny fitaovana rehetra hanaovana tsindry hazo-lena ny hafa ; ny fahefan'i Kristy kosa dia ny fahantrana, ny fiharetana ny fanaratsiana isan-karazany, ary manao ho zava-dehibe ny famindram-po sy ny famelan-keloka. Zava-dehibe ny fanompona ny namana ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.