♦ Hiverina hiasa ny OTME (Office de Transmissions Militaires de l'Etats) ary hisyt ny fananganana Task-Force hiadiana amin'ny halatr'olona amin'izao araka ny tapaka tamin'ny filan-kevitry ny Ministra omaly... ♦ Fitsaràna tokana no tokony hitsara ny olona rehetra eto amin'ny firenena hatramin'ireo tompon'andraiki-panjakàna ambony hoy ny Praiministra Rajaonarison Mamitiana nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-65 taona ny Fitsaràna Tampony... ♦ Olana ara-teknika no nahatonga ny tsy fahafahan'ny ENELEC namokatra herinaratra araka ny filan'ireo tanàn-dehibe hoy ny fanazavana nentin'ny orinasa...

• Vonona hanohana ny famaliana ny hetahetam-bahoana amin'ny fanavaozana ny Fitsarana eto Madagasikara ny fitondrana, hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison... • Hamafisina ny fihavanana eo amin'ireo foko valo ao Farafangana. Hapetraka ny 21 aogositra 2026 ny tsangambato momba izany... • Nisedra olana ara-teknika lehibe ireo tobim-pamokarana sasany tantanan'ny ENELEC ka nahatonga ny tsy fahafahana mamokatra herinaratra araka ny filan'ireo tanan-dehibe nahitana izany. Izay no fanambarana nataon'izy ireo taorian'ny fampitandremana avy amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika omaly...

♦ Tsy misy tombontsoan'ny Malagasy mihitsy ny fifanarahana amin'ireo orinasa tsy miankina mpamatsy herinaratra, raha dinihina amin'ny zava-misy any Antsiranana hoy ny vaomiera mpanadihadin'ny Antenimieram-pirenena momba ny raharaha JIRAMA... ♦ Misy olona misandoka ny anaran'ny fadintseranana Malagasy ka milaza fa manao lavanty fiarakodia any anaty tambazotra serasera FB, hoy ny tale jeneralin'ny fadintseranana, omaly... ♦ Manamafy ny fitakiana ny fandravàna ny rafitra CENI ny filohan'ny antoko MTS, Rolland Ratsiraka... ♦ Taorian'ny horohorontany tamin'ny 24 jona, tany Guaira Venezuela dia mbola nahitana fatin'olona 70 isa, omaly...

♦ Tsy maintsy vahan'ny orinasa ENELEC ao anatin'ny herinandro ny olan'ny famatsiana herinaratra any Toamasina, Mahajanga ary Antsiranana. Handray fanapahan-kevitra ny fitondrana hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, raha tsy tanteraka izany... ♦ Tokony ho foanana na ahitsy ny fifanarahana mahakasika ny famatsiana herinaratra ho an'Antsiranana izay ataon'ireo orinasa tsy miankina. Misy fanambakàna sy ahitàna endrika kolikoly hoy ny Antenimieram-pirenena... ♦ Hentitra ny fisavana ireo mpiadina nandritra ny fanombohana ny fanadinana bakalôrea omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...