♦ Fikaonan-doham-pirenen'ny tanora : Hanaovan'ireo solontena tatitra ny fakan-kevitra niainga teny anivon'ny Kaominina, Distrika ary Faritra, halototra ny fitondram-panjakàna amin'ny 1 aogositra izao ny fehi-kevitra tapaka... ♦ Tanterahina rahampitso alakamisy 30 jolay ny sidina voalohany famerenan-jotra eo amin'ny zotra an'habakabaka mampitohy an'i Madagasikara amin'ny Nosy Comores... ♦ 1,1% amin'ny vehivavy mitondra vohoka no voatily ho mitondra ny tsimok'aretina VIH Sida eto Madagasikara, miova manaraka izany ny fepetra raisina hisorohana ny fiparitahan'ny aretina...

♦ Vina iombonana ho an'ny Firenena, ny kolikoly ary ny fitsinjaram-pahefana no isany lahadinika mandritra ny fikaonandoham-paritra ho an'ny firaisamonim-pirenena eto Analamanga... ♦ Nametraka ny sehatra an'habaka ho fomba fiasa vaovao hiadiana amin'ireo karazana herisetra VBG sy ny halatr'olona na fahaverezan'olona ny eo anivon'ny pôlisim-pirenena... ♦ Mangataka ny andoavana ny indemnité de logement 200.000Ariary toa an'ireo mpiasam-panjakàna rehetra ny mpiasa eo anivon'ny Kaominina Antananarivo-renivohitra... ♦ Manomboka voafehin'ireo mpamonjy voina ilay fahamaizana goavambe nitranga tany Espagne...

♦ Manana ny fiandrianany ny Firenena amin'ny fitantanana ny krizy ao aminy ary afaka mifanatona sy mifampidinika tsara mitady vahaolana ny samy Malagasy. Izay no anehoan'Andriamatoa Guy Maxime Ralaiseheno ny fihaonana teo amin'ny Filohan'ny Fanavaozana sy rei filoha roa lahy teo aloha... ♦ Mbola tsy ampy ny fepetra ampahatoniana anaovana ny fanavoazana manontolo ny lisi-pifidianana nanomboka androany hoy ny teo anivon'ny firaisamonim-pirenena... ♦ Mitaky ny tambi-karama ho an'ny trano fonenana 200.000Ariary/volana ny mpiasan'ny kaominina Antananarivo-renivohitra...

♦ Nivoaka ny fifanarahana ho an'ireo orinasa hiara-hiasa ami'ny AVM any amin'ny Faritra Diana sy Sofia. Afaka miroso amin'ny fividianana  lavanila maitso eny amin'ny tantsaha ireo orinasa voafantina... ♦ Tsy tokony atao resaka politika fotsiny ny fizotry ny fanadihadiana ao amin'ny orinasa JIRAMA hoy Andriamatoa Andrianainarivelo Hajo fa takiana mihitsy ny tena hivoahan'ny marina... ♦ Mbola nibata fandresena ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay zazalahy latsaky ny 18 taona. Resiny tamin'ny 88 no ho 44 i Zimbabwe, fifanintsanana afrobasket... ♦ Misy ny filazana fanairana amin'ny mety hisian'ny tsunami any Japon...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...