♦ Hisokatra ho anao mpihaino sy mpankafy anio alarobia 24 jona ny onjam-peo Radio Don Bosco mandritry ny Porte-Ouverte manomboka amin'ny 8ora sy sasany maraina... ♦ Nanomboka niverina niasa tsikelikely ireo fiara fitateram-bahoaka ho an'ny androany maraina, taorian'ny fitokonana nataon'ireo mpamily sy ireo mpanampy ny mpamily omaly talata 23 jona 2026... ♦ Hanamafy ny fanaraha-maso ny entana lany daty sy ny kalitaon'ny entana amidy eny an-tsena ny mpanara-mason'ny varotra mivondrona ao amin'ny Sendika SAC.C.M...

♦ Nitokona tsy niasa ireo mpitatitra amin'ny taxi-be eto Antananarivo nanomboka ny maraina teo. Tonga hatramin'ny fahatapahan-dalana izany ny hetsi-pitokonan'izy ireo... ♦ Nandray fepetra manoloana ny fitokonambe ataon'ireo mpitatitra amin'ny fitanteram-bahoaka eto Antananarivo ny fitondrana foibe. Havoaka hitatitr'olona ireo "Bus éléctrique" miantsona ao Iavoloha... ♦ Nitombo be ny isan'ireo tranga vaovaon'ny aretina nendran-drajako (MPox) tamin'ny faran'ny herinandro teo. Tafakatra 86 izany, araka ny tatitry ny MInisteran'ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Lalovan'ny hafanam-be amin'izao ny any Espagne, mahatratra 42°C...

♦ Hifampitaona eny Ambohipo ny ankizy Diôsezin'Antananarivo amin'ny fiandohan'ny volana jolay izao, anatin'ny fihaonamben'ny ankizy "Vahatra Diôsezy"... ♦ Hanatanteraka tetik'asa miisa 2 lehibe eto Madagasikara momba ny fanatsaràna ny fitantanan-draharaham-panjakàna ny vondrona erôpeana. Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly teny Soarano izany... ♦ Hisy ampahany amin'ireo mpitatitra amin'ny taxi-be no hitokona anio, araka ny vaovao efa niparitaka. Misy amin'ireo mpitatitra anefa no tsy mitovy hevitra amin'izany... ♦ Nizotra tsara ny dinika teo amin'i Iran sy Etats-Unis natao tany Suisse momba ny ady ao Moyen-Orient...

♦ Tsy misy ny kisendrasendra hoy ny FFKM fa efa manana ny heveriny ho an'ny Tanindrazantsika Andriamanitra... ♦ Nisongadina tao anatin'ny 10 taona nijoroan'ny valaben'ny firaisankinan'ny Sendika eto Madagasikara (SSM) ny nananan'izy ireo solontena roa ao anatin'izao governemantan'ny Fanavaozana izao... ♦ Efa tafidina anelanelan'ny 1°C ny maripàna ambany indrindra eto Madagasikara amin'ity herinandro ity hoy ny météo... ♦ Nitrangana fipoahana mahery vaika, omaly hariva, tao amin'ny foibe mpikirakira "Gaz naturel" iray ao Qatar. Ankoatra ny firehetana goavana dia olona 45 farafahakeliny no naratra ary 18 hafa tsy hita...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...