♦ Nanamafy ny tale misahana ny seraseran'ny fiadidiana ny Repoblikan'ny Fanavaozana, Harry Laurent Rahajason fa misy mifofo ny ain'ny Filohan'ny Fanavaozana. Nambarany koa fa misy mikasa handoro ny Antenimieram-pirenena amin'ny sabotsy izao... ♦ Miantso ny rehetra ho tony, hanaja ny lamina apetraka mba hizoran'ny fikaonan-doham-pirenena araka ny tokony ho izy ny avy amin'ny Hery-Fiarovana sy ny Filaminana... ♦ Notendren'ny ministeran'ny atitany ho PDS ao amin'ny Kaominina Antananarivo-renivohitra ny Solombavambahoaka ao Tanà-III, Ralambomanana Fenoharisoa, mpikambana amin'ny antoko Tim...
• Mitohy ny fikasana hifofo ny ain'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika mivady, raha ny nambaran'ny Talen'ny Serasera eo anivon'ny Fanavaozana, tamin'ny mpanao gazety androany... • Manameloka ny fanafihana sy ny fanimbana ny biraon'ny Polisy any Vohémar, ny eo anivon'ny Polism-pirenena Malagasy, raha ny nambaran'ny Tale Jenetaliny androany... • Miara-miasa hampiroborobo ireo orinasa madinika sy salatsalany eto amintsika, ny banky BNI Madagasikara sy ny Fivondronan'ny Mpandraharaha Malagasy. Nosoniavina androany ny fifanarahana mirakitra izany...
♦ Mitaky ny hamoahana an'i Herizo Andriamanantena, mpitarika ny Gen Z, ny sendikàn'ny Enjeniera momba ny Fambolena eto Madagasikara. Naneho ny alahelony izy ireo amin'ny fisamborana Olom-pirenena noho ny fanehoan-kevitra... ♦ Nisehoana lozam-pifamoivoizana an-dalam-by teny Ambohimanatrika-Andohaavato, Kaominina Tanjombato, androany maraina. Olona telo naratra, trano roa rava tanteraka voakatr'izany... ♦ Hapetraka ho nosy filamatra tsy misy fako plastika i NOSY BORAHA (Sainte Marie). Mikarakara atrik'asa momba izay ady amin'ny fiparitahan'ny fako plastika izay ny Ministeran'ny tontolo iainana...
♦ Nahiditra hôpitaly ny iray amin'ireo tanora Gen Z, notazonina teny amin'ny pôlisim-pirenena Anosy, noho ilay raharaha fidinana an-dalambe ny herinandro teo. Nanazava ny momba ity tranga ity ny mpisolovava azy ireo, omaly... ♦ Tanora 19 mianadahy no nitondra ny hetahetany, nisolovava ny tanora Malagasy, nandritra ny fanokafana ôfisialy ny fikaonan-doham-pirenen'ny Tanora ho an'ny Fanavaozana omaly... ♦ Nodoran'ny olona ny biraon'ny pôlisim-pirenena ao Vohémar, omaly tolak'andro, noho ny fisorohana ny fitsaram-bahoaka. Namoaka fampitam-baovao momba ity tranga ity ny pôlisim-pirenena...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco