• Nihaona teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina sy ny Filohan'i Slovenie Natasa Pirc Musar. Nisongadina nandritra izany fa mifototra amin'ny lafin-javatra telo lehibe ny fiaraha-miasa eo amin'ny tany roa tonta... • Tsy mifanaraka amin'ny fiainam-bahoaka ireo fepetra raisin'ny mpitondra ankehitriny hoy ny MMM. Takian'ity antoko ity ny hisian'ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakana mba hifanaraka amin'ny zava-misy eto amin'ny firenena... • Mandray anjara amin'ny fanamarihana ny andron'ny 5 jona, andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana, ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety mikirakira ny tontolo iainana na ny AJE...
♦ Noraisin'ny filoha Malagasy teny Iavoloha ny filoha Slôveniana Natasa Pirc Musar ny antoandro teo. Andrasana ny mety ho fehin-kevitry ny roa tonta, amin'izao fihaonana izao... ♦ Mbola tsy ampy 160.000 taonina isan-taona, tsy fahampiana ny famokarana trondro eto Madagasikara. Mamporisika ny rehetra hiditra amin'ity sehatra ity ny Ministeran'ny jono... ♦ I Sainte Marie no mandray ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana. Fanamby napetraka ny haha-môdely amin'ny nosy tsy misy fako plastika ny any an-toerana... ♦ Hiatrika fifidianana filoham-pirenena ny any Korea-Atsimo, miisa 3 ireo kandidà hifaninana amin'izany...
♦ Nigadona eto Madagasikara tamin'ny alina teo ny filoham-pirenena Slovenie, Ramatoa Natasa Pirc Musar. Hanao fitsidihana ara-panjakàna eto Madagasikara izy, manomboka anio... ♦ Miantso ny fitondram-panjakàna hitondra fanazavana momba ilay fifanarahana miaraka, hamokarana herinaratra nolazain'ny filoha tany Dubai ny Antoko TIM... ♦ Andro tsy fiasàna nefa handraisana karama ny amin'ny zomba 6 jona izao, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Ministeran'ny Asa... ♦ Voafidy ho filoham-pirenena vaovao any Pologne Andriamatoa Karol Nawrocki, kandidàn'ny Antoko nationaliste...
• Niditra an-tsehatra, ary niantso fitoniana manoloana ny fanoherana ny fanendrena Sefo Fokontany nitranga tao amin'ny Distrikan'i Vohipeno, ny Préfet an'i Manakara... • Miatrika ny fanadinana BEPC Katolika nanomboka androany, ny mpianatry ny Sekoly Katolika ambaratonga faharoa, avy amin'ny Diosezy 22 manerana ny nosy... • Nahitana fihenana hatrany amin'ny 20 % ny vokatra lojy mainty maso, ho an'ny Faritra Boeny...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco