♦ Tsy misy olana eto Madagasikara, afaka miverina an-tanindrazana ireo nanao sesintany pôlitika ny tenany ary ho an'ny Malagasy irery ny fikaonandoham-pirenena hoy ny Kôlônely Randrianirina Michaël raha namaly ny fehin-kevitry ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny vondrona SADC... ♦ Hitohy hatramin'ny rahampitso alakamisy 2 jolay ny tombana mahakasika ny fampiharan'i Madagasikara ny fifanarahan'ny firenena mikambana iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Hamoaka soso-kevitra afahana mihomana sy miatrika ny vanim-potoanan'ny rivodoza 2026-2027, miainga amin'ny lesona azo tamin'ny fandalovan'i Fitia sy Gezani farany teo ny BNGRC...
♦ Namaly ny SADC tamin'ny fehin-kevitra navoakany ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison, androany maraina. Nambarany fa tsy misy gadra pôlitika eto Madagasikara ankehitriny... ♦ Manamafy ny fitakiany hanalàna ny tale jeneraly mpisolo toerana mitantana ny CNaPs ny vondron'ny Sendikà eo anivon'ny tahirim-pirenena. Nanao fanambaràna indray izy ireo, androany maraina... ♦ Sambo iray no rendrika tany amin'ny fari-dranomasin'i Vatomandry, omaly hariva. Olona 18 no tao anatiny, niaraka tamina entina maherin'ny 250 taonina... ♦ Mbola nihovitrovitra indray ny tany tany Venezuela, androany 30 jona 2026...
♦ Nankasitrahan'ny Fivondronamben'ny Eveka ny asa vitan'ny Nonce Apostolique Mgr Thomaz Grysa teto Madagasikara. Nisy ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra, teny Ambatoroka omaly... ♦ Mangataka ny hamoahana ireo gadra pôlitika sy ny fiverenan'ireo sesitany pôlitika eto Madagasikara ny SADC, nandritry ny fihaonana an-tampony tsy ara-potoana, omaly... ♦ Tsy misy ny fivoahan'ny "laza adina" mialoha ny fotoana any amin'ny tambajotran-tserasera. Efa nohamafisina ireo fiarovana ny laza adina BEPC, hoy ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Ekipa miisa 3 no tafakatra amin'ny dingan'ny 1/8e amin'ny Mondial 2026...
♦ Niravona ny disadisa teo amin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrika Ambovombe-Androy. Nifamitram-pihavanana izy mirahalahy hoy ny Filohan'ny Mpanohitra Milavonjy Philobert... ♦ Hitety Faritra hanazava ny foto-kevitra ijoroany ny fikambanana ZaGasy. Fikambanana mitaky ny hametrahana ny Faritra mizaka tena... ♦ Mihamafy ny fahasahiranan'ny mponina ao Antsiranana noho ny fahatapahan-jireo mandritry ny fotoana maharitra. Nijery ny zava-nisy, tany an-toerana ny Ministry ny Angovo sy ny Ankoran'Afo...
• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco