• Misy lesoka mila harenina ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC eto amintsika. Isan'izany ny hosoka sy ny kolikoly amin'ny endriny samihafa. Toa izany koa ny fivoahan'ny laza adina mialoha... • Mbola olana amin'ny tetibola eto Madagasikara ny tsy fandraisan'ny olom-pirenena anjara amin'ny dingana atao momba azy. Tsy mitsahatra mitaky ny laharam-pahamehana amin'ny tetibola ny firaisamonim-pirenena, hoy ny MSIS Tatao... • Mila miaiky heloka ireo mpomba ny fitondrana teo aloha ka manohana indray ny fitondrana Fanavaozana ankehitriny, noho ny tsy mety nataon'izy ireo teto amin'ny firenena, hoy ny antoko FTPM, na ny Fikambanan'ny Tanora Mpitolona Malagasy...

[Miara-dàlana] Zoma 30 ôktôbra 2026

• Namoaka fanambarana ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana, momba ny naoty avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana mahakasika ny ady amin'ny aretina lefakozatra…• Feno 10 taona ny EKAR Notre-Dame de Rose Antanandava any amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… • Antsoina ho lasa kolontsaina ny finoana hahakasika ny olona tsirairay, io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience Générale ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...