♦ Hitondra tatitra sy hanazava amin'ny vahoaka momba ny raharaha Ambohimalaza ny ministra tompon'andraikitra sy ny filoha ny alakamisy izao. Handeha mivantana amin'ny haino aman-jerim-panjakàna izany... ♦ Handray fepetra ny Ministera momba ny fihetsika ataon'ireo mpitsabo sasany eny anivon'ny hôpitalim-panjakàna. Hanazava ny momba izay eto ny Ministry ny fahasalamam-bahoaka amin'izao vaovao izao... ♦ Rava hatrany amin'ny 90% ny tsenanà Sabotsy-Antsirabe, raha ny tombana, vokatry ny fahamaizana, omaly hariva. Misy tamin'ireo mpivarotra no tsy nandroaka afatsy lavenona ny entam-barony, androany maraina...
♦ Teny amin'ny HJRA omaly hariva no natao fanadihadiana i Fenohasina tompom-pety, noho ilay raharaha Ambohimalaza. Tonga teny an-toerana naka am-bavany azy ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena sy ny Pôlisim-pirenena... ♦ Fianakaviana 10 manana havana maty na marary noho ny raharaha Ambohimalaza no nametraka fitoriana teny Fiadanana, omaly. Mitory ny tompom-pety tamin'iny loza niseho iny izy ireo... ♦ May ny ampahany betsaka tamin'ny tsena Sabotsy-Antsirabe omaly hariva. Ora vitsivitsy taorian'ny firehetana vao voafehy ny afo, rehefa nifanampian'ny mpamonjy voina sy ny mponina manodidina...
• Hentitra ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa androany, raha nitsidika ny foibem-panadinana Bakalorea teny Sabotsy Namehana. Tsy tokony hivoaka ny efitrano fanadinana ny mpiadina raha tsy oray irau ao aorian'ny nisokafan'ny laza adina, hoy izy, hisorohana ny olana mety hitranga vokatr'izany... • Manentana ny Tambaben'ny Mpiasan'ny Jirama, hanohy hatrany ny fifampidinihana amin'ny Filoham-pirenena, ny FISEMARE Foibe manoloana ny olana misy ao amin'ny orinasa Jirama... • Nahazo fahazoan-dalana ara-tontolo iainana amin'ireo faritra iasany amin'ny fanarenana ny ala honko simba amin'ny alalan'ny tetikasa Ma honko, ny orinasa Bondy, ny volana jona teo...
♦ Ny taranja Anglisy no hatrehan'ireo mpiadina miatrika ny fanadinam-panjakàna bakalôrea ankapobeny amin'io tolak'andro io raha ny taranja filôzôfia no nanokafana ny fanadinana ny maraina teo... ♦ Tsy mendrika an'i Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy ny mpitondra manamaivana sy tsy mahafehy ny sehatry ny fahasalamana ary tsy miraharaha ny aina maro nafoy hoy ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena avy amin'ny fanoherana. Tsy niandry ela ny vali-kafatra avy amin'ny mpitondra tenin'ny governemanta momba izany... ♦ Nentina niatrika fanadihadiana eny amin'ny borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana androany maraina i Fenohasina...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco