• Hanamarika ny fetin'ny fanafahana ny Malagasy, rahampitso 14 ôktôbra. Mijanona ho andro fiasana anefa ny rahampitso, araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Primatiora... • Naneho hevitra momba ny fanadihadiana natao amin'ny fampiharana ny fanomezana taratasy miantoka ny maha ara-biolojia ny vokatra ara-pamokarana ho an'ny tsena eto anatiny ny mpisehatra androany... • Mandray anjara amin'ny asa fanadiovana ny tanana, ho fiarovana ny tontolo iainana eto an-drenivohitra, ny Orange Madagasikara. Misy ny hetsika “Tanana madio”, tanterahana nanomboka ny 8 ôktôbra lasa teo, hatramin'ny androany, tamin'ny tanana samihafa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...