♦ Mandray ny fanamarihana ny faha-68 taonan'ny Repoblika voalohany ny any Antsohihy manomboka ny maraina teo. Efa any an-toerana manatrika hetsi-pankalazana ny Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Mbola resa-be fotsiny hatramin'izao ny ady amin'ny kolikoly fa tsy misy fanatanterahana, hoy ny solombavambahoaka Antoine Rajerison. Nambarany fa ny mpitondra no tokony ohatra voalohany amin'izany... ♦ Hikatona amin'ny 16 oktobra izao ny fanjonoana sy fivarotana drakaka manerana ny tanin'i Repoblikan'i Madagasikara. Miantso ireo mpandraharaha handray fepetra amin'ny tahiriny ny Minisiteran'ny jono sy ny toe-karena...