♦Hotsaraina anio eny amin'ny PAC 67Ha ny raharaha Boeing 777. Fotoam-pitsarana ampahibemaso izay azon'ny besinimaro hatrehina, hoy ny fampitam-baovao avy amin'ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly ... ♦ Hivaha manomboka amin'ny taona ho avy ny olan'ny famatsiana rano ho an'Antananarivo. Tsy maintsy mbola hisy anefa aloha ny fitaomana rano amin'ny fiarabe ho an'ireo toerana sasany, mandrampiandry izany... ♦ Tsy ny tsindry amin'ny tambajotran-tserasera no handraisana fanapahan-kevitra hitantanana ny firenena, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, momba ny raharaham-pirenena...

[Miara-dàlana] Zoma 6 novambra 2026

• Hotanterahana ny alahady ho avy izao ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, notendren'ny Papa Léon XIV, ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina… •“Inoy izay vakianao, ampianaro izao inoinao, arahao izay ampianarinao”, io no lohahevitra hifanentanana sy hifampizarana mandritra ny fihaonamben'ny pretra diosezanina, hotanterahana ny 12 hatramin'ny 16 novambra 2026 any amin'ny Diosezin'Antsirabe… • Ny asa no fon'ny toekarena, hoy ny Ray masina, nandritra ny Audience générale, ny alarobia lasa teo…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...