♦ Andrasana na ho raikitra anio na tsia ny fivoriana hanongànana ny filoham-pirenena eny Tsimbazaza. Solombavambahoaka maromaro no efa vonona eny an-toerana, hiatrika izay "déchéance" izay... ♦ Misy amin'ireo gadra pôlitika nahazo famafan-tsazy avy amin'ny filoham-pirenena no efa nivoaka ny fonja, alina. Efa naneho hevitra momba ny fanenjehina azy ny mpanao gazety Fernand Cello ny maraina teo... ♦ Isaina sy harakitra anaty lisitra manomboka izao ireo fitaovam-panjakàna, araka ny fanambarana avy amin'ny Primatiora. Sorohana ny fanararaotana na fakàna tombontsoa manokana amin'izao toe-draharaha eto amin'ny firenena izao...

♦ Tsy nametra-pialàna, araky ny andrasan'ny mpitolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nilaza ny manao "mission" any ivelany izy, araka ny kabary nataony, alina... ♦ Nanangon-tsonia hanongànana ny filoham-pirenena eny amin'ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka sasany. Andrasana ny mety zava-misy eny Tsimbazaza anio... ♦ Nakatson'ny SSM nanomboka omaly ny asam-panjakàna amin'ireo Ministera maro ao an-drenivohitra. ny 80% amin'ireo ministera sy sampan-draharaham-panjakàna no efa manatevina ny tolom-bahoaka hoy ireo mpitarika sendikà...

• Misy andia-miaramila mirongo fitaovam-piadiana manambana haka ny fitantanana ny haino aman-jerim-panjakana ny hariva teo, hoy ny Fiadidiana ny Repoblika... • Miisa valo ireo ampahany amin'ny gadra politika nahazo famafan-tsazy faobe, araka ny didim-panjakana voasonian'ny Filohan'ny Repoblika... • Mbola nitohy sy nifanindran-dalana tamin'ny hetsika teny amin'ny Kianjan'ny 13 mey androany, ny fanambarana samihafa avy amin'ny sendika sy antoko politika...

♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy indray rahalina amin'ny 7 ora ao amin'ny Haino aman-jerim-panjakàna ny filoha Rajoelina Andry, araka ny fampahafantarana nataon'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Vonona hiara-hiasa amin'ny vahoaka, hihaino ny vahoaka, hanitsy izay tsy nety tamin'ny fomba fiasa ny zandary araka ny nambaran'ny COMGN voavao nandritra ny famindram-pibaikoana arak'asa ny maraina teo... ♦ Nanao fifonana ampahibemaso ho an'ny vahoakan'Antananarivo mahakasika ny fepetra tsy namelàna ny kianjan'Ambohijatovo ho sehatra nanaovana fanehoan-kevitra ny andron'ny 25 septambra teo ny prefet ny jeneraly Ravelonarivo Angelo...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...