♦ Hahafahan'ireo teratany Malagasy handray anjara amin'ny fifidianana ny fahavitan'ny fisoratana anarana Biômetrika hoy ny filohan'ny fanavaozana ny repoblika Randrianirina Michaël... ♦ Ny vondrona Erôpeana no mitàna ny loha-laharana amin'ny fifanakalozana ara-barotra amin'i Madagasikara satria ny 30% amin'ny vokatra ahondrana avy eto amin'ny nosy no makany Erôpa... ♦ Nahatratra 19 ny nomoy ny ainy manerana ny nosy hatramin'ny nanombohan'ny taom-pahavaratra 2025-2026, raha ny tatitra avy amin'ny BNGRC... ♦ Maherin'ny 6.000 ireo namoy ny ainy vokatry ny fihetsiketsehana misy any Iran araka ny tatitra nataon'ny HRANA...

♦ Mihaona amin'ireo ankolafin-kery samihafa ireo iraky ny SADC mitsidika eto Madagasikara. Fihaonana hanaovan'izy ireo tombana momba ny toe-draharaham-pirenena eto amin'ny nosy ankehitriny... ♦ Faniriana ny hahavitàn'ny fikaonandoham-pirenena sy ny fifidianana Lalàm-panorenana ao anatin'ny 24 volana. Izay no nambaran'ny filoham-panjakàna Michaël Randrianirina, raha nihaona tamin'ireo isaky ny SADC, izy omaly... ♦ Asa 5.000 isa no hoforonona  ao anatin'ny 2 taona anatin'ny tetik'asa iarahana amin'ny ministeran'ny asa ny fampananan'asa ary ny asam-panjakàna...

♦ Nahemotra amin'ny 2 febroary izao indray ny fotoam-pitsaràna an'Andriamatoa Mamy Ravatomanga, raha tokony omaly. Mbola tazomina hatrany ao amin'ny fonjan'i Melrose hatrany ity mpandraharaha malagasy ity... ♦ Nitombo ny vola niditra tamin'ireo kaominina nampiharana fomba iadiana amin'ny kolikoly niarahan'ny BIANCO. Nitombo 100% izany ho an'ny Kaominina Fianarantsoa, ary 90% ho an'i Tsiroanomandidy... ♦ Tsy azo ihodivirana ny fanavaozana eo anivon'ny tafika Malagasy, raha tiana ny hanana tafika matihanina. Ny tsy fahampian'ny fitaovana no maha osa azy. Nosokafana omaly ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tafika...

♦ Feno 17 taona androany ilay alatsinainy mainty, fandoröna haino aman-jery sy fandrobàna tranom-barotra lehibe tao an-drenivohitra. Tsy hita ny marina momba iny raharaha iny hatramin'izao... ♦ Hevitra diso voizina ny filazàna fa olana ara-drafitra no tsy nampandroso ny firenena hoy Randriamampionona Joseph Martin, mpitarika ny antoko RTM... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety. Nodimandry tampoka, androany maraina, i Faniry Razafimanantany, mpanao gazety sy mpanao pôlitika eo anivon'ny antoko TIM... ♦ Nitrangàna fanafihana mitam-piadiana tao anatin'ny kianja iray fanaovam-baolina any atsinanan'i Mexique...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...