Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ny fikambanana Union MATANJAKA ao amin’ny faritr’i DIANA. Manana tetik’asa iarahana amin’ny Réseau SOA tohanan’ny F.F.F- F.A.O izy ireo. Tetik’asa famokarana zana-kazo sy fambolena hazo. Misitraka ny tetik’asa ny Fikambanana FIVEMPISA ao amin’ny kaominina Sajoavato, distrikan’Antsiranana faharoa. Zava-dehibe ho azy ireo io tetik’asa io satria ao Antsiranana faharoa no misy ny faritra arovana miisa 9 amin’ireo 19 any amin’ny faritr’i DIANA...
Fianakaviana, fiaraha-monina: toerana roa samy manana ny hanitra ho azy. Mifampiditra, mifampiankina, mety hifanohitra fomba fijery sy soatoavina, mety hifaka tahaka koa nefa matetika. Ny fianakaviana koa dia afaka manova ny fiaraha-monina, satria ao an-tokantrano no ianarana ny fitiavana, fanajana, fahamarinana ary andraikitra, izay entin’ny tsirairay any amin’ny fiaraha-monina. Koa raha maniry "Ho avy mendrika kokoa" isika, dia manomboka ao amin’ny fianakaviana anio ny fanorenana izany ho avy izany. Misy fiantraikany amin’ny fianakaviana ny fiaraha-monina, amin’ny alalan’ny teknolojia, ny asa, ny toe-karena ary ny fiovan’ny fomba fisainana...
Ny tantara dia fototra sy zava-dehibe tsara ho fantatra ary isan'ny maha olom-pirenena. Ny 14 oktobra 1958 no nahaterahan'ny Repoblikan'i Madagasikara, ny 26 jona 1960 vao nambara ny fiveranan'ny fahaleovantena. Rariny raha ankalazaina ho fetim-pirenena ny 14 oktobra fa ny 26 jona kosa dia fetin'ny Foloalindahy. Ny tantara efa nisy no manaporo fa azo atao ny maka ireo orinasa sy seha-pamokarana nofehezin'ny vahiny ka notantanan'ny Malagasy maro ny nahazoana vokatra tsara; anatin'ny fanavaozana izao, hirika afahana mampandroso ny fahalalana ny tantara... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Fiainana andavanandro ary mety hahakasika ny rehetra ny "tsy fahombiazana sy ny fahadisoana". Ny atao hoe "tsy fahombiazana" dia ny tsy fahatratrana izay heverina ho vokatra andrasana, izany hoe misy hetsika natao anefa tsy nahazoana vokatra araka izay nofaritana. Ny hoe fahadisoana dia ny fialana amin'ny lalana heverina hitondra any amin'ny tanjona, zavatra tokony natao anefa tsy natao, ohatra hoe fantatro aho fa tsy tokony hifoka sigara anefa hatao ihany... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny faha-10 oktobra no fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fahasalaman'ny saina. Ny fahasalaman'ny saina dia singa fototra ary andry mamaritra ny atao hoe fahasalamana. Ny olona salama saina dia ireo afaka amatrahana andraikitra ary afaka mampiasa ny talentany, ny fahaiza-manaony, ary rehefa afaka mihatrika ny olany andavanandro, eo ihany koa ireo ny fahafahana miasa ka ahazoana vokatra, ary farany ny fahaizany mandray anjara amin'ny fiaraha-monina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nomarihana ny 28 septambra teo ny andro eran-tany iadiana amin’ny haromontana. Mila manamafy ny fitandremana ny faritra maro eto amintsika fa ahitàna ny aretina haromontana mahazo ny biby mafàna rà toa ny alika sy ny saka any amin’izy ireo. Dia ny eto amin’ny faritra Analamanga, Vakinakaratra, Sofia, Itasy, Bongolava, Betsiboka, Atsinanana ary Androy...
Loharanon’aina sy fanantenana ho an’ny hafa sy ho an’ny tontolo iainantsika isika. Manasa antsika handinika ny fiovana manomboka ao am-po. Rehefa mahatsapa ny ratran’ny tontolo sy ny fijalian’ny hafa isika, dia antsoina hanova ny fomba fijery sy ny fomba fiainantsika, ka hamela ny “Rano velona” hikoriana amin’ny fifandraisantsika sy ny fihetsika ataontsika. Manana lanja eo amin'ny fiainana ny rano, izay indrindra no ilàna fiaraha-mientana amin'ny fiarovana ny tontolo iainana, amin'ny fomba fitantanana ny rano ara-drariny. Mifamatotra ny fitarainan’ny tany sy ny fitarainan’ny olona, indrindra ireo marefo, io no ilàna ny fiovana ao am-po...
Misy singa mampihavaka firenena iray, misy hita maso, ary misy koa ny ren'ny sofina. Ny fototra miisa telo maha firenena ny tany iray dia ny tany, ny teny ary ny tantarany ; famantara hita maso ny sainam-pirenena ary ny ren'ny sofina kosa dia ny hiram-pirenena. Ny fampiasana ny tenim-pirenena no isany hanehoana ny fiandrianam-pirenena amin'ny fotoan-dehibe toy ny fivoriana iraisam-pirenena maro samihafa sy fifanankalozana ara-diplômatika. Ny fahamarinana sy ny fandalàna izany no tena maha-olombanona sy maha olon'ny finoana, ary mampivoatra, ombana firaisan-kina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
Taon-jezika an-kady ny fanabeazana ka aina no fetra, handao isika hifanome tànana. Ny tiana hambara dia mivelatra be ny fanabeazana. Ny tanjona amin'ny fampahafantarana ny mikasika ny herisetra ao an-tsekoly dia hisorohana ireo mety hitranga, tsy fahazoana vokatra ara-panadinana tsara, fialàna an-daharana, ary fanampiana ny ray aman-dreny halala bebe kokoa ny andraikiny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Ny crampes dia fihenjanan'ny hozatra tsy ninihana, tampoka ary maharary, izay mikasika hozatra iray na vondron'ny hozatra. Mety hahazo ny hozatra rehetra ny crampe, fa matetika indrindra izy miseho amin'ny faritry ny rantsambatana ambany, indrindra amin'ny ranjo, ny valahana ary ny tongotra. Matetika miseho rehefa amin'ny fotoana fialana sasatra ny crampe, matetika amin’ny alina, na rehefa avy nanao ezaka ara-batana tsy mahazatra. Mifandray amin’ny fahatairan'ny hozatra sy ny nofo izy ity, ka mampikainkona ny hozatra tampoka tsinahy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Mbola olana hoan’ny mpanao asa tanana vita amin’ny volibe na ny Bambou tsy ahafahan’izy ireo mivelatra eo amin’ny tsena iraisaisam-pirenena ny tsy fahampian’ny kalitao sy ny fenitra takiana amin’ny famokaran’izy ireo. Maro nefa ny firenena afaka mandray ny vokatra eto Madagasikara, toa an’i Seychelles sy La Reunion. Misy koa ireo manondrana any Eraopa...
Ny ho avy dia tsy zavatra andrasantsika fotsiny fa zavatra amboarintsika tsikelikely amin’ny zavatra ataontsika androany. Ny hoe tsy miandry fa mamorona dia tsy midika hoe mila mahavita zavatra lehibe avy hatrany fa mety ho fanombohana kely, mety ho fianarana zavatra vaovao, mety ho fizarana fahaizana, mety ho fanampiana olona iray, mety ho hevitra iray izay mbola kely androany, fa mety hitombo rahampitso. Afaka manomboka amin’ny fampiasana ny fahaizako hanampiana olona iray aho. Mety ho fizarana fahalalana, fampianarana zavatra haiko, fanampiana olona iray hanomboka tetikasa, na famoronana serivisy kely mamaha olana iray...
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco