Ny fandoavan-ketra no afahana maneho fa olom-pirenena ny olona iray. Ny hetra no isan'ireo afahana mampandroso ny tanàna iray ; rehefa mahaloa hetra isika dia afaka maneho hevitra amim-pahalalahana, isan'ireo mpamatsy vola ny fampandrosoana ihany koa mantsy. Ny safidy nataon'ireo solombavambahoaka mikasika ny teti-bolam-panjakàna dia safidy tsy mahasoa, no sady fanaovana tsinotsinona ny fampianarana sy ny fahasalamana ary ny fambolena izay foto-piveloman'ny Malagasy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny toe-tsaina no mahatonga antsika ho reraka manoloana ny sedram-piainana. Malalaka sy manana harena i Madagasikara, izay voajanahary fa ny toe-tsain'ny tsirairay entina mampandroso azy no misy tsy tsara. Tsy mihaino ny olon-dehibe intsony ny tanora, mila ezaka fifampihainoana mba hamahana olana samihafa. Betsaka ny tanora no kivy mahita ny zava-misy, manana adidy ny ray aman-dreny hanoro lalana mahitsy ny tanora... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

 Ny lagaly dia aretina misy mandavan-taona, tao anatin'ny fotoana fohy izay dia mihamaro ny olona marariny. Ny lagaly dia aretin-koditra, ary mifindra, indrindra ho an'ireo manana hoditra marefo. Bibikely atao hoe "sarcopte" ny mitondra ny lagaly, izay miditra amin'ny maso-koditra. Ny fifampikasohana no mampifindra aza haingana, ny fitsaboana azy dia tsy maintsy atao amin'ny iray trano.  Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

Masomboly voafantina na nohatsaraina, maro ireo fikambanana no mamokatra azy. Isan'izany ry zareo ao amin'ny Malagasy Mpamokatra Masomboly na ny F3M. Na dia mbola tsy ampy amin'ny habetsahany aza ny masomboly voamarina eto Madagasikara, efa mirona amin'ny fampiasana azy ny tantsaha ankehitriny hoy ny filohan'ny F3M, Rakotoarison Justin.

Ny 1 desambra dia andro maneran-tany hiadiana amin'ny VIH-SIDA, ka ny loha-hevitra entina hanamarihana izany eto Madagasikara dia : "Ndao homena lanja ny zon'olombelona". Manomboka ny 30 novambra ary mifarana ny 1 desambra ny fanamarihana izay hatao any Antsiranana. Na mitondra ny tsimok'aretina VIH-SIDA aza ny olona iray dia manana ny zony. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

Ny ray aman-dreny dia manana adidy hampita ny tantara amin'ny taranaka mba hamelona ny fanantenana ao anatin'ny tanora. Mivaona tanteraka ny iainan'ny mpitondra ankehitriny ny teny filamatry ny repoblikan'i Madagasikara. Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana ; ny fitiavana eto dia mirona amin'ny fitiavan-tena, fitiavam-bola sy voninahitra ary harena ; noho ireo dia fandrosoana miiba no misy ho an'ny Tanindrazana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny teknôlôjia dia misy lafiny tsara ho an'ny fanabeazana. Porofon'izany ny fananan'i Madagasikara, ankizivavy miisa telo solontena amin'ny fanehoana tanteta maneran-tany, mikasika ny fikirakirana teknôlôjia. Misy fifandraisany amin'ny zon'ny ankizy anefa ireny fahombiazana ireny. Misy 10isa ny zo fototra ho an'ny ankizy : zo hanana ankohonana, zo hanana anarana, zo hotsaboina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

 Ny diabeta dia tsy aretina fa toe-batana, izay misy eo amin'ny olona manana olana amin'ny fanodinana ny siramamy ao anatin'ny vatany. 14 novambra no andro iraisam-pirenena ho an'ny diabeta, izay daty mifanandrify amin'ny nahaterahan'ilay Mpitsabo teratany Kanadiana, nahita ny "insuline". Ny loha-hevitry ny fankalazana amin'ny taona ity dia : Ny diabeta sy ny fahatonian'ny saina. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

Kihon-dalana tsy azo iodivirana amin'izao fotoana izao ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala na ity atao hoe "RPF" mba ahafahana miaro ny tontolo iainana, iantohana ny famokarana maharitra. Ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala izay hanaovan'i Afrika ezaka manokana ka 100 tapitrisa Hektara no ezahana hotratrarina amin'ny taona 2024. Firenena 10 no nametraka fanamby amin'ny RPF ka i Madagasikara manokana namatraka tanjona 4 tapitrisa Hektara amin'ny taona 2030. Misy ny asa atao momba izany isan'izany ny any avaratry ny nosy. Tsy very maina ny fiofanana nataon'ny tantsaha tao Antsiranana faharoa tao, iadiana amin'ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fampanjariana ny famokarana.  Tafita ny hafatra tamin'ny fampiofanana samihafa narahan'ireo tantsaha ireo. Efa hita taratra ny asa vita ho an'ny ao Antsiranana faharoa ao amin'ny Kaominina Sajoavato, sy ny ao amin'ny fokontany Berafia Kaominina Andrafiabe. Manomboka mamerina ny tontolo manodidina ny ala ny mponina, tetik'asan'ny fikambanana UNION MATANJAKA iarahany amin'ny Réseau SOA. Niara-niasa tamin'ny fikambanana TOSIKA izy ireo tamin'ny fanomezana fiofanana ny tantsaha. Ny FAO amin'ny alalan'ny fandaharan'asa FFF FAO, no miara-miombon'antoka amin'ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala "RPF" ao amin'ny distrika Antsiranana faharoa izay.

Fantaro sy tandrovy ny rano satria antoky ny fahasalamana. Noho ny zava-misy ankehitriny indrindra ny fahasarotan'ny fahazoana rano fisotro madio sy ny tsy fiavian'ny orana, dia tsara ny hifanentanana mba samy hitandrina amin'ny fitantanana ny rano ny tsirairay. Ny olona miahy ny rano dia mitsimbiny ny aina, ny rano no fototry ny aina, ohatra ny 80% ny tenan'ny zaza dia rano avokoa. Mila manao ezaka ny tsirairay mba hikajiana ny rano izany hoe mametraka ny paik'ady fitsitsiana. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

Ny olom-pirenena vanona dia ireo maharaka ny zava-misy eo amin'ny firenena, ary tompon'andraikitra mivantana amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Ny safidy no fanalahidin'ny fandrosoana, amin'ny alalan'ny fifidianana toy izao fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolontsaina izao. Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny maha olom-pirenena. Antony tsy hisian'ny fandrosoana : ny tsy fahalalana, ny fanambakàna, fampiorohoroana, tsy fahamarinana, kolikoly ary ny tsy fahandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny aretina "ongobe" na "filariose" dia aretina efa ela no nisy teto Madgasikara. Aretina mamela takaitra ity aretina ity raha vao tsy voatsabo ara-potoana, izy io dia aretina azo avy amin'ny kaikitry ny moka atao hoe "Culex", ity moka ity no mitondra ny atodi-kakana "larve filaire". 6 hatramin'ny 12 volana no hitombony ao amin'ny olombelona ary lasa kankana lehibe. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...