Anisan'ny aretina iray mahazo ny vehivavy ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza. Amin'izao volana oktobra izao no hiresasahana mikasika izany, izay manazava sy manentana ny rehetra mikasika ny fisorohana ny aretina, izany hoe tsy firosoana amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra, fanaovana fitiliana, ary fanaovana vaksiny misoroka ny HPV, viriosy mitarika io homamiadana io. Ampahatsiahivina fa ny 18 oktobra no hanamarihana voalohany ny Andro Nasionaly ho an’ny Mpiantsehatra ara-pahasalamana Katolika, eo ambany fiarovan'ny Md Lioka, amin'ny lohahevitra hoe" Mpisehatra ara-pahasalamana: anjelin'ny fanantenana"... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny tantsaha mivondrona ao amin’ny fikambanana MIARA-MIZOTRA ao amin’nydistrikan’Ambatoboeny ankehitriny. Miatraika amin’ny famokaran’ny tantsaha any amin’iny faritra Boeny iny mantsy ny
fiovan’ny toetr’andro misy ankehitriny. Azo atao tsara nefa ny miatrika izany amin'ny fampiasàna ireo tekinika fambolena miaro ny tontolo iainana na ny Agroécologies. Zavatra maro no tombony azo avy amin'ny fampiharana azy io dia ny nofon-tany maharitra sy mihatsara hatrany, vokatra mahasalàma, maharitra vao simba rehefa tahirizina. Antony nahatonga ny fikambanana “MIARA-MIZOTRA” ifototra bebe kokoa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo....

Ao anatin’ny toe-draharaha voamariky ny krizy politika sy ara-tsosialy lalina, ny fandaharana EVA amin’ny 02 Oktobra 2025 dia mikendry ny handalina ireo olana lehibe mifandraika amin’ny asa mendrika eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny adihevitra sy fifanakalozana eo amin’ny sendikà sy ny mpisehatra amin’ny fiaraha-monim-pirenena, entina hanehoana amin’ny fomba mazava ny zava-misy eny ifotony, ireo sakana ara-drafitra sy ara-pitondrantena izay manakana ny fametrahana asa manaja ny maha-olombelona, indrindra ho an’ny tanora eto Madagasikara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny alalan’ny famokarana masomboly nohatsaraina aparitaka eny amin’ny tantsaha ny OPR SOA MITAMBATRA. Vovonam-pikambanana ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ity fikambanan’ny tantsaha iray ity. Miparitaka amin’ny distrika miisa efatra, dia Ambatofinandrahana, Fandriana, Manandriana ary Ambositra ny OPR SOA MITAMBATRA. Ahitana mpikambana mpamokatra masomboly 174. Mamokata masomboly 40 Taonina isan-taona eo ho eo...

Miatrika fanamby maro ny tanora ankehitriny, ary miaina anaty faharefoana ny ankamaroany. Maro ny antony mahatonga izany, toy ny tsy fananan’asa, tsy fanajana ny soatoavina, fanamby ara-pahasalamana, ary indrindra ny fanabeazana tsy lavorary. Noho izany, ilaina ny fandraisana andraikitry ny olon-drehetra sy ny sehetra samihafa, mba hanome lanja ny fanabeazana sy ny finoana ho hery hiatrehana ny ho avy mamiratra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ho fampandrosoana ny firenena dia manana adidy ny olona rehetra 18 taona noho miakatra hampiseho fihavanana fifanampiana, finiavana mitondra amin'ny fitiavana azoana vokatra tsara. Raha tiana ny handroso dia sahia manonofy, fa ireny no zary tanjona. Ny finoana dia isany solika mpandrisika ny olona hivoatra satria ny nofinofy tonga tanjona ary ireo ombana finoana no hatontosana izay kasaina... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny volana septambra dia fotoana fanomanana ny toe-tsain'ny mpianatra hiatrehan'izy ireo ny taom-pianarana, izay haharitra 10 volana. Ny fivoaram-piainana dia miankina amin'ny tsirairay handray azy. Ny fivoaram-piainana ho an'ny mpianatra : fifindrana kilasy, afaka fanadinana. Ny fanabeazana dia teny entina mandrisika ny sain'ny olona iray hampivoatra azy ; ny fampianarana dia ilay andraikitry ny sekoly mampita fahalalana hatonga ny mpianatra hahazo fivoarana (taranja)... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Manohana ny hetsika ataon’ireo fikambanan’ny tantsaha eny anivon’ny faritra hiatrika ny fampanjarian-tsakafo ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Amin’ny alalan’ny tetik’asa, “Hetsika ataon’ny fikambanan’ny tantsaha manohana ny mpikambana ao aminy ho lasa matihanina kokoa”, no anatanterahana izany.

Ity taom-pikatrohana ity dia hifantoka kokoa amin'ny firesahana ny soatoavina "fihavanana" Kolontsaina Malagasy fototra. Mandringa ankehitriny ny fahaiza-miaina nananan'ireo Ntaolo, izay nanao ho zava-dehibe ny fihavanana mialoha ny vola, amin'izao fotoana izao mantsy "aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola. Ny fihavanana, ny fifanajàna no afahana manorina fifanarahana. Raha te handroso dia mila manana tanjona sy mahafaritra dingana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Manafaingana ny asa fanarenana ny ala hoko simba ao amin’ny faritr’i Sofia ny orinasa Bôndy amin’izao fotoana izao. Mafy ny tsindry nahazo ny ala honko isan’izany ny tao Ambilanibe, kaominina Ankerika. Mirefy 48 hektara ny ala honko simba hatramin’ny 80 isanjato, tapahan’ny olona nanaovana arina fandrehitra. 150 gony isan’andro mantsy ny harina fandrehitra vita amin’ny honko mamatsy an’Antsohihy. Mba hanonerana izany, manana toeram-pambolen-kazo hoko ao Malako fokontany Ambolobozo, kaominina Ambodirano ao amin’ny distrikan’Antsohihy ny orinasa...

Ny fianakaviana dia fototra hiorenan'ny fiaraha-monina, ahitana ray aman-dreny sy zanaka. Miainga amin'ny fianakaviana foana ny lamina entina mampandroso ny firenena. Miseho amin'ny lafiny maro ny rafitra fianakaviana : ny fianakaviana ara-pinoana, ny fianakaviana ara-drazana izany hoe iray ra, misy koa ny fianakaviana ara-politika, fa ny rafitry ny fianakaviana ahitana ny ray aman-dreny sy zanaka hatrany no niaingan'ireny. Misy fomba tsotra afahan'ny fianakaviana hifampizara finoana sy fanantenana amin'ny alalan'ny fampianarana ny finoana... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fandaharana dia manana tanjona mba ha-olom-banona ny mpihaino, tsara noho izany aza dia ny hoe "olom-banona sy kristiana". Hita tamin'ireny fitsenana ny Ekipam-pirenena Barean'i Madagasikara ireny fa mbola ao amin'ny Malagasy ny firaisan-kina, fifanajàna, fihavanana, mbola azo ampiarina amin'ny lafin-javatra maro ireny soatoavina ireny. Ny finiavana sy ny fitiavana dia fototra afahana mampandroso, indrindra raha tsara ny safidy miampy ny talenta... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...