Ny fifanajàna no fototra sy toetra maha olom-banona. Ny olom-pirenena manana zo hifidy dia manana fahefana hamaritra ny olona hitondra ny fireneny, ary izany no antoka hampandrosoana. Manana adidy ny hiaina ny fahamarinana ny olona rehetra, samia miezaka hiala amin'ny risoriso, ny fitiavantena sy ny toetra ratsy hafa ; ny mpanao gazety dia tompon'andraikitra amin'ny fitaizana, tokony hasongadina kokoa ny soa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Tompon'andraikitra miaraka amin'ny reny hatrany ny raim-pianakaviana amin'ny fanabeazana ny zanaka vavy ny ray. Toy ny renim-pianakaviana dia tsy maintsy miomana ihany koa ny ray amin'ny fanabeazana ny zanaka. Tsy tokony hasiana fanavakavahana na tombony manokana ho an'ny zanaka lahy na vavy. Ny fifankahazoana eo amin'ny ray sy ny zanaka vavy dia voajanahary anefa tokony hazava tsara ny fahefana maha ray sy maha raiamandreny... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny "AVC" dia tsy fahatomombanana tampoky ny fiasan'ny atidoha noho ny fijanonan'ny famatsiana ra ho an'ny atidoha. Ny olona rehetra dia mety ho voakasiky ny "AVC" ; izy ity dia vokatry ny fahatsentsenan'ny lalan-dra na ihany koa mihenjana mafy loatra ny lalan-dra. Ny "AVC" dia misy karazany roa : 1- AVC isquemique (tsentsina ny lalan-dra) ; 2- AVC hemoragique (tena tapaka ny lalan-dra), samy mamela takaitra ireo... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Nankalazaina tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 20 oktobra teo ny faha-35 taona niorenan'ny toby AKAMASOA, tarihan'i Mompera Pedro Opeka. Vohitra itoeran'ny Fampandrosoana ny maha-olona amin'ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana. 35 taona nanentanana ny olona hiady amin'ny fahantrana, hanana fiainana tsaratsara kokoa hatrany...
Ny fandraisana fanapahan-kevitra dia anisan’ny dingana iray lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona iray, indrindra ny tanora. Noho izany, tsara ny mamantatra ireo dingana rehetra mba afahana miroso amin’ny fanapahan-kevitra matotra sy voalanjalanja. Satria noho ny zava-misy dia maro ny mandray fanapahan-kevitra ao anaty korontana, toy ny disadisa, alahelo, na hafaliana be loatra. Izany matetika dia miteraka nenina ary mety hanakorontana na hanimba ny ho avy. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Ny olom-banona dia olona tia filaminana, tia fihavanana, manana toetra tia fifanajàna. Na arahaba aza no atao amin'ireo olona heverina ho sahirana sy tsinotsinona ireny dia ampy hampiova ny sainy hivoatra. Ny safidy amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina dia fototry ny rafitra izay afahana mampandroso ny firenena miainga amin'ny kaominina. Ny olom-pirenena izay miisa 13 tapitrisa no antoky ny fampandrosoana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanaovana vaksiny hy reny sy ny zaza dia tetik'asan'ny Fanjakàna foibe. Ny hetsika rehetra natao sy hatao ao anatin'ny volana oktobra dia entina hiadiana sy hisorohana aretina maro. Ny volana oktobra dia volana natokana hiadiana sy hisorohana ny homamiadan'ny nono. Ny homamiadan'ny nono dia mety hahazo ny sokajin'olona rehetra, lahy vavy ; any Erôpa dia 1 amin'ny vehivavy miisa 8 no tratran'io homamiadana io... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny tazomoka dia mbola aretina mpahazo ny olona eto Madagasikara ary maro no matiny. Ny tazomoka dia areti-mifindra azo avy amin'ny kaikitry ny moka vavy izay mitondra tsimok'aretina. Fambara'ny tazomoko: misy fanaviana, fiakaran'ny hafanana, mangorangorana, marary an-doho, fa ny fitiliana ihany no tena hafantarana azy. Ny fitiliana dia maimaimpoana, ny fitsaboana dia maharitra 3 andro... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
16 oktobra, andro eran-tany ho an'ny sakafo. Mandray anjara goavana amin'izay famokarana sakafo izay ny famokarana tantanam-pianakaviana, dia ireo tantsaha 80% amin'ny mponina eto Madagasikara. Miantoka ny 60% amin'ny sakafo eto Madagasikara ny malagasy tantsaha. Miantsoroka ny 70% mahery amin'ny vokatra aondrana. Miantoka ny 26% amin'ny Famokarana Faobe eto Madagasikara na ny PIB ny sehatr'asan'izy ireo...
Ny 22, 23, 24 oktobre ho avy izao ny fikaonandoha mikasika ny VIH/SIDA eto amin’ny ranomasimbe Indiana., fotoana iray izay hafahantsika eto Madagasikara hisitraka ireo tolotra maro toy ny fizahana ara-pahasalamana maimaipoana : VIH/SIDA, fijerena sokajin-drà, homamiadan’ny vozon'ny tranon-jaza sy nono. Isaky ny 4 taona no mandray izany hetsika izany ny eto madagasikara ka ity indray mitoraka ity dia hanatrika izany ireo tompon'andraikitra iraisam-pirenena toy ny avy amin’ny ONUSIDA, fond mondial mba ahafahana manao adisisika hampitomboana ny vola antokana amin’ny ady amin’ny VIH/SIDA... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.
Ny olom-pirenena vanona dia manana hambom-po amin'ny fitiavana ny tanindrazana, ary mirehareha amin'ny maha malagasy. Manana adidy sy andraikitra amin'ny fanabeazana, ny olona misehatra amin'ny haino vaky jery satria izy ireo dia manana anjara amin'ny famolavolana ny toe-tsaina. Hery fahaefatra lehibe ho an'ny firenena iray ny fitaovana sy ny serasera. Adidin'ny haino vaky jery ny manentana ny olom-pirenena handeha hifidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanaraha-maso ataon'ny raiaman-dreny antoka iray mampahomby ny taom-pianaran' ny zanany. Ny raiaman-dreny dia isan'ireo mandrafitra ny telozoro-panabeazana ary manana andraikitra ankoatra mpianatra sy ny mpampianatra. Ny fanaraha-maso dia tokony hisy fanitsiana ireo tsy mety, toro-hevitra mahakasika fianaran'ny ankizy. Ny fiovana mety ho hita eo amin'ny ankizy iray dia ilana fanaraha-maso, mba hanampiana ny ankizy... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco