Tsy manao ambanin-javatra amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely iantsorohan’ireo mpikambana ao aminy ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Nikarakara atrik’asa nandalinan’ireo mpikambana ao aminy ny lalam-pihariana fiompiana tantely ireo ny faha 4 sy ny faha 5n’ny volana may teo. Atrik’asa natao teto an-drenivohitra teny amin’ny FOFIKRI Ilafy Antananarivo Avaradrano...

Ny ahafahan’ireo mpiompy tantely sy ireo mpikamban’ny filankevi-pitantanana ao amin’ny Réseau SOA mifehy ny tondro zotra hoan’ny lalam-pihariana tantely eto Madagasikara no anton’ny atrik’asa noho ny fanohanan’ny fandaharan’asa FFF FAO. Hampiroboroboana koa ny fananana kalitao tsara sy mari-pamantarana na ny label Apiforest.

Natao ny atrik’asa mba hamaritana vina mazava tsara, iarahan’ny mpikambana ao amin’ny Réseau SOA ny fomba hampandrosoana ny lalam-pihariana fiompiana tantely, mitodika amin’ny tsena, mifanindran-dalana amin’ny tondro zotra hoan’ny lalam-pihariana tantely ary anetsiketsehana ireo fikambanan’ny mpamokatra misehatra amin’ny ala sy ny fambolena na ny OPFA.

Mahatsapa ny mahazava-dehibe ny asan’ny tantely eo amin’ny famokarana ara-pambolena ireo tantsaha nanaraka ny fihofanana. Niitombo hoy izy ireo ny vokatra, rehefa betsaka ny tantely eo amin’ny toerana aniriany amin’ny fatoana famelanany. Manatombo ny vola miditra ny fiompiana tantely hoy izy ireo, fa mitombo ihany koa ny vola miditra amin’ny fitomboan’ny vokatra hoy Rakotonirina Jean Diego Jacques, avy amin’ny Union Matanjaka Diana sy Miandrizo avy amin’ny FISOI

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...