Ny tsiky dia avy ao anaty, midika hafaliana io no mitondra fitoniana ; endrika ivelany ahatarafana sahady ny finiaivana hametraka fiovana, manome lanja ny fifandraisana sy ny fifampihainoana. Manana anjara adidy fampandroso ny firenena ny tsirairay, ny hevitry ny maro mantsy no mahataka-davitra. Ny olona vanona sy vonona dia miasa an-drariny ary miteraka fampandrosoana maharitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny zokiolona dia ireo 50 taona mihoatra, sokajin-taona vaovao ary toe-pahasalamana vaovao no iainan'ireo olona ireo : fanimpanina, tsy mahare loatra, fahasalamana anaty, fiovana ety ivelany. Ny taona dia mifamatotra amin'ny fahasalamana, misy araka izany ny fepetra raisina mba afahana manara-maso ny fahasalamana ; ilàna fandanalanjana ny sakafo sy ny fihetseham-batana.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Aina hoan’ny zavamananan’aina, tsy ankanavaka rehetra ny rano, raha olombelona koa tsy afa-miala aminy. Misedra olana momba ny rano nefa isika ankehitriny, na an-tanandehibe na ambanivohitra. Nivoaka tamin’ny fahanginana ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana na ny OSCEAH manoaloana ny toe-java-misy eto amin’ny firenena...
Ny fomba fijery miabo dia toe-tsaina mitarika ny olona hahita ny tsara sy hanana fanantenana na dia eo amidin’ny fahasahiranana aza, ka manampy amin’ny fanatsarana ny fiainana. Amin’ny fanamby atrehin’ny tanora sy ny ady amin’ny VIH/SIDA, dia ilaina ny fanabeazana sy fanohanana ara-panahy sy ara-tsosialy hanamafisana ny herim-po sy ny fanajana ny hafa. Manoloana ireo marary na mitondra ny VIH/SIDA dia tokony manao toy ny nataony Samiritana ka manampy tsy manilika ary miezaka miaro azy ireny isika. Mila ny fanohanantsika izy ireny ara-moraly... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny fihavanana no tena ilaina amin'izao olana misy eto amin'ny firenena izao, izay kolontsaina fototra mitondra amin'ny lamina sy rindra, loharanon'ny fivoarana. Manoloana ny zava-misy ankehitriny dia ilay ny fanomezan-danja sy fihainoana ny hetahetan'ny rehetra. Ny famelan-keloka dia isan'ny toetsaina mitondra amin'ny filaminana sy firindràna, tsy misy mahita soa amin'ny fifampiandaniana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fivoarana ho an'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana nomena azy. Raha manana 5 minitra ianao hitodianao amin'ny zanakao, hataona ahoana ny fanabeazanao azy? Ny fitodiana dia midika hoe mitaky fahavononana sy finiavana. Ankehitriny dia vidina lafo ny fotoana, noho izany dia sarobidy na minitra vitsy aza ananana mba hiatrehana ny andraikitra maha mpanabe, indrindra ho an'ny ray aman-dreny.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Niabo ny vokatra azo tamin’ilay tetik’asa niarahan’ny Réseau SOA sy ny tambazotra iraisam-pirenena hoan’ny Fanofanana Ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra na ny RI-FAR nanatanteraka. Tetik’asa nandritra ny roa taona nanomboka ny volana septambra 2023 ary nifarana ny volana septambra lasa teo...
Ho fanesorana ny firenena anatin'ny olana misy ankehitriny dia ilay any finiavana, anjara biriky hisian'ny fifanajàna sy fihavanana, fifampihainoana ary fifanampiana. Miainga sy miankina amin'ny tsirairay ny mety hatsara ny fiainam-pirenena, mifototra indrindra amin'ny firaisan-kina. Firaisan-kina mitondra amin'ny fivoarana sy fandrosoana, hiteraka filaminana. Miorina amin'ny safidy ihany koa anefa ny lalam-piainana rehetra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Maro an'isa eto Madagasikara ny tanora, hery lehibe ho an'ny firenena izy ireo. Azo atao tsara ny manomana sy manome asa sahaza ho azy ireny. Isan'izany ny fametrahana ireo tanora ho amin'ny asa famokarana eny ambanivohitra. Madagasikara rahateo firenena mbola mifototra amin'ny famokarana satria ny maro an'isa dia eny ambanivohitra avokoa. Isan’ireo tanora nisitraka fanohanana amin’ny fandraharahana momba ny asa famokarana eny ambanivohitra izay Ramatoa RAZAFIARILALA Julie, tanora tantsaha avy ao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo ao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo ato amin’ny faritra Analamanga...
Eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona dia tandra vadi-koditra ny fisendrana olana izay miseho amin'ny endriny maro samihafa. Azo avadika ho fiombonam-piainan'ny fianakaviana anefa izany rehefa hiarahana mitady ny vahaolana, indrindra ao anatin'ny fianakaviana ka hamelona fanantenana ho an'izany fianakaviana izany. Indrindra raha apetraka hialoha lalana eo ampamahana ny olana Andriamanitra... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Anisan'ny aretina iray mahazo ny vehivavy ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza. Amin'izao volana oktobra izao no hiresasahana mikasika izany, izay manazava sy manentana ny rehetra mikasika ny fisorohana ny aretina, izany hoe tsy firosoana amin'ny firaisana ara-nofo aloha loatra, fanaovana fitiliana, ary fanaovana vaksiny misoroka ny HPV, viriosy mitarika io homamiadana io. Ampahatsiahivina fa ny 18 oktobra no hanamarihana voalohany ny Andro Nasionaly ho an’ny Mpiantsehatra ara-pahasalamana Katolika, eo ambany fiarovan'ny Md Lioka, amin'ny lohahevitra hoe" Mpisehatra ara-pahasalamana: anjelin'ny fanantenana"... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ny tantsaha mivondrona ao amin’ny fikambanana MIARA-MIZOTRA ao amin’nydistrikan’Ambatoboeny ankehitriny. Miatraika amin’ny famokaran’ny tantsaha any amin’iny faritra Boeny iny mantsy ny
fiovan’ny toetr’andro misy ankehitriny. Azo atao tsara nefa ny miatrika izany amin'ny fampiasàna ireo tekinika fambolena miaro ny tontolo iainana na ny Agroécologies. Zavatra maro no tombony azo avy amin'ny fampiharana azy io dia ny nofon-tany maharitra sy mihatsara hatrany, vokatra mahasalàma, maharitra vao simba rehefa tahirizina. Antony nahatonga ny fikambanana “MIARA-MIZOTRA” ifototra bebe kokoa amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo....
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco