Mankalaza ny faha-20 taona nijoroany amin'ity taona ity ny UNION MATANJAKA, fikambanamben'ny tantsaha mpamboly sy mpiompy misandrahaka ao amin'ny Distrikan'Antsiranana faharoa. Tsenabe atao ao Antsiranana ny 18 hatramin'ny 20 jolay 2024 no anombohana izay fankalazana izay.
Noharian’Andriamanitra ho lahy sy vavy ny olombelona mba hampitohy asa fahariana nankininy amin’izy ireo. Noho izany ilaina ny fahafantarana ny toe-batana amin’ny maha-lahy sy maha-vavy io, mba ahafahana mikajy sy mitandrina azy. Adidin’ny ray aman-dreny ny mampahafantatra sy manabe ny zanany dieny mbola kely izy, mba hahay hanavaka ny maha-izy azy , na lahy na vavy. Ny toetoetra ara-boajanahary na ara-biolojika dia samy manana ny maha-samy hafa azy na ny lahy na ny vavy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny lanjan'ny fahaizan'ny mpanabe mandray ny valin'ny asan'ny mpianatra, nandritra ny taom-pianarana teo. Misy fihetsika sy fomba fiteny mba tsy handratra ny ankizy ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpanabe. Ao anatin'ny vanim-potoana handraisana ny valin'ny ezaka nataon'ny mpianatra sy ny ankizy isika amin'izao, mba afahana mandrefy ny lanjan'ny teny natao sy ny asa rehetra, nandritra ny taom-pianarana. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Tsy takona afenina toa ny tafika andrefan-tanana, araka ny fiteny, ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny famokarana ataon’ny tantsaha eto amintsika. Misedra olana avokoa ny mpamokatra amin’ny faritra rehetra eto amin’ny nosy. Ny endrika isehoany no samihafa. Ny tsy fahampian’ny rano enti-mamokatra ao anatin’ny fotoana tena ilana izany, ampian’ny hafanana diso tafahoatra no itambaran’izy ireo.
Ho fanamarihana ny andro manerantany ho an'ny zokiolona, ny raibe sy ny renibe dia manana adidy isika mba hiahy sy haneho fitiavana ireo sokajin'olona ireo. Nanomboka tamin'ny taona 2021 no nisian'ity fanamarihana ity andro ho fanomezan-danja ireo zokiolona, ankalazaina isan-taona, ka alahady fahefatra amin'ny volana jolay no hanaovana azy. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka misahana ny fianakaviana, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Tsy afaka misaraka ny safidy sy ny fitiavana. Ny safidy dia isan'ny fanomanana ny olom-pirenena. Ny olom-pirenena no fototra maha firenena ny firenena iray. Mijanona ho vahoaka fotsiny ny ankamaroan'ny olona +18 taona fa tsy tsy mahatsiaro tena mihitsy ho olom-pirenena. Ny sehatra rehetra iainan'ny olombelona dia misy safidy hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny tranga rehetra mifandraika amin'ny tsingerin'ny fadimbolana dia tokony ho fantatry ny vehivavy amin'ny ankapobeny. Ny ahafantarana fa hitsahatra ny fadimbolana : manomboka amin'ny faha-45 taona amin'ny ankapobeny, mihalava ny fiverenan'ny fadimbolana, mafana tampoka ilay vehivavy, marary andoha tampoka, vizaka tampoka, tsy taitra amin'ny firaisana ara-nofo intsony... Tsy aretina ny fitsaharan'ny fadimbolana fa toe-batana maha vavy. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Manomboka ny talata 9 hatramin'ny 12 jolay 2024, dia hisy ny hetsika fanaovana vaksiny faobe ; ny vaksiny "polio" dia isan'ny hatao mba hisorohana ny fihitaran'ny aretina izay tsy misy fanafodiny. Ny "arthrose" dia mpahazo ny olona 40 hatramin'ny 50 taona ary ny vehivavy no maro mararin'io. Io aretina io dia vokatry ny fahasimbana eo amin'ny vanin-taolana, manaintaina... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Miezaka manatratra ny fanamby napetraka hanofana olona iray tapitrisa mandritra ny 5 taona ahahafehy ny fomba fambolena Pfumvudza ny ao amin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny ONG PPC Madagascar. Ahitam-pahombiazana mantsy ny vokatra azo tao anatin'ny taom-pambolena iray raha y zava-misy ao amin'ny vala tahaka tety Ivato.
Ny 11 jolay dia natokana hankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny mponina, izay mitazona anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana, satria sady mpisitraka izy no mpanatanteraka io fampandrosoana io. Araka izany dia ilaina ny fananana mponina ampy fanabeazana, ampy fahalalàna, manana sy manaja ny soatoavina, salama, miaina anaty fandriam-pahalemana... Ny fampandrosoana dia andraikitry ny tsirairay sy ny daholobe, fa tsy miankina manokana amin’ny olo-tokana samirery na vondron’olona. Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny hoe mahatarika dia ianao mahay miara-miaina aman'olona, izay olona samy manana ny maha-izy azy ; tsy ianao no mibaiko sy manery ny hafa fa misy toetra mahatarika ny olona, izay voajanahary ao aminao, mifototra amin'ny fifampatokisana. Ny mitondra dia manana tanjona tiana tratrarina, ary ampitainy amin'ny ireo olona entina, izany hoe tompon'andraikitra tanteraka amin'ny fahatratrana ny tanjona sy ahazoana vokatra, mifotra amin'ny baiko sy lalàna, azo adika hoe fahefana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco