Maro amin'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga no resy lahatra amin'ny fampiasana zezika biôlôjika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin'ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin'izany...
Rehefa tsara ny safidy ataonao, tsy maintsy tsara ny fiainanao. Fahasoavana lehibe sy fahatsaram-piainana ny vokatry ny safidy tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana no antoky ny fivelaran'ny zanaka. Manandanja ny fanabeazana ao amin'ny ankohonana, izay hampitain'ny ray aman-dreny amin'ny zanany. Ny fanabeazana eo anivon'ny ankohonana dia fomba afahana mamelona indray ny fihavanana sy ny firaisan-kina, mamerina ny fifanajana. Ny Malagasy no tena mahalala ny atao hoe "fihavanana" izay teny malagasy tsy misy dika teny hafa. Ny Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny areti-maso dia misy mandavan-taona fa rehefa vanim-potoanan'ny fahavaratra dia mirondratra ny "conjonctivite". Ny fahadiovan'ny tanana dia efa afahana miady amin'ny fifindran'ny "conjonctivite", sasaina ary kosehina amin'ny savony mandritra ny 40 segondra ary hamainina amin'ny rivotra. Lagaly, laimpana, mycose, staphylococcies : rehefa fahavaratra ny andro dia sady mando no mafana ka mora mahavelona ireo otrik'aretina miteraka ireo aretin-koditra ireo. Ny fisorohana ireo aretin-koditra ireo dia ny fahadiovan'ny vatana, midio amin'ny savony, fisotroana rano matetika, mitafy akanjo maivana, lamba voapasoka...
Firy taona aty aorian'ny nahazoana ny fahaleovantena, tsy mbola hita taratra ihany ny fahatomombanan'ny fandrosoan'ny firenena Malagasy. Eo amin'ny tontolo pôlitika fotsiny ohatra, ny fanomanana fifidianana izay miteraka olana miverimberina, ary mitovy foana. Izany indrindra no niresahana ireo zavatra na toe-javatra tokony atao laharam-pahamehana hanorenana ny firenena ka hisian'ny fandrosoana marina. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny sampan'asa fandraisana anjara amin'ny maha-olom-pirenena sy fahombiazana ara-toekarena...
Miabo ny voka-bary azon'ny PAPRIZ fahatelo nandritra ny taom-pambolena farany teo. Vokatra mitondra mankany amin'ny fitomboana sy ny firoboroboan'ny voka-bary eto Madagasikara. Maherin'ny5 taonina isaky ny Hektara ny salan'isan'ny vokatra niakatra ho an'ireo Faritra 11 teo aloha iasan'ny tetik'asa. Niampy 50 mahery ny isan'ny lemaka voatondraka niasana. Maherin'ny 37.000 ny tantsaha niofana...
Ny safidy dia mampivoatra ny maha olona. Mampivoatra ny maha-izay avy amin'ilay atao hoe "développement personnel" na fampivoarana sy fanatsarana ny maha-izay eo amin'ny sehatra izay misy dia isan'ny tena ilaina indrindra amin'ny sehatry ny asa, mikendry ny hampitombo sy hanatsara ny vokatra azo. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fahasalamana dia tsy tomombana raha tsy mahakasika ny vatana, saina, fanahy. Ny sakafo ara-pahasalamana sy madio, maro loko sy miovaova dia isan'ireo singa fototra loharanon'ny fahasalamana. Ny torimaso sy ny fahadiovan'ny vatana dia singa hafa ahazoana fahasalamana ihany koa. Ahitana trangana areti-maso any Mahajanga izay misy fambara : Mena ny maso, mangidihidy, misy tai-maso, mihena ny fahitana, fanaviana, aretin'andoha, mijohy fotsiny ny ranomaso, mivonto. Areti-maso mifindra amin'ny fifampikasohana koa mila manadio tanana matetika amin'ny rano sy savony, aoka tsy hikasika matetika ny maso. Ny Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny aty dia taova iray eo ambanin'ny elabakaka, amin'ny ilany havanana amin'ny kibo no misy azy, milanja 1 hatramin'ny 1,5kg ho an'ny olon-dehibe. Ny asan'ny aty : mitahiry ny glucide havadika ho glucose, mamokatra proteine ilaina amin'ny fivainganan'ny ra, manala ny poizina sy ny zavatra tsy ilain'ny vatana, mitahiry ny vitamina A-D-E-K, mamorona ny ranon'afero ilaina amin'ny fandevonan-kanina, manodina ny menaka, mandamina ny tahan'ny tsirim-panentana ao amin'ny olona, mandamina sy manjalanja ny hafanan'ny vatan'ny olona... Rehefa tsy mahavita ireo asany ireo ny aty dia azo sokajiana fa tratry ny faharefon'ny aty. Fambara : reraka, misy olana ny fivainganan'ny ra...
Vaovao ny taona, vaovao manaraka izany ihany koa ny loha-hevitra hodinihina sy hovelabelarina mandritra ity taona 2024 ity. Fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay anaty fiaraha-monina, izay no loha-hevitra lehibe hitondrana ny fandaharana EVA mandritra ny taona. Nampatsiahivina ny antom-pisian'ny fandaharana EVA sy ny tanjony ary fampahafantarana ireo mpandray anjara hifandimby hanentana ny fandaharana mandritra ny taona. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
Efa mahazo laka ary mampidi-bola ny tantsaha eto Madagasikara ny fizahan-tany eny ambanivohitra. Mampidi-bola ho an'ny tantsaha ny fizahan-tany ambanivohitra raha haintsika ny mitrandraka izany. Mampiditra 50 Dôlara hatramin'ny 200 Dôlara ho an'ny fianakaviana tantsaha iray iantranoany ny mpizahan-tany iray. 20 taona niantsehatra amin'izay fizahan-tany ambanivohitra izay ny Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy na ny FEKRITAMA...
Ny safidy no fototry ny fiainana, raha tiana ho tsara ny fifandraisana eo amin'ny olon-droa, eo amin'ny sehatra roa samihafa dia tokony hajaina amin'ny safidiny ny olona tsirairay. Ny safidy dia miainga amin'ny finoana ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco