Mitohy ao amin'ny Kaominina Ambohitsilaozana, Ambohidava ary Imerimandroso any amin'ny Faritra Alaotra-Mangoro ny fandrakofana ala ny tetezan'ala Ankeniheny Zahamena ataon'ny Foibe FAFIALA. Tetik'asa dingana faharoa nankinin'ny Conservation Internationale amin'izy ireo...

Ny fianakaviana dia andry voalohany hijoroan'ny fiaraha-monina izay fototra ijoroan'ny Fiangonana sy ny Firenena. Ny tsirairay eo anivon'ny ankohonana dia mila miezaka miara-miaina, mifanohana, mifanampy ary mifanaja, mba hampivelatra, sy ho antoky ny filaminana ara-piaraha-monina. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Tsy misy "fièvre jaune" eto Madagasikara fa matoa mavomavo ny hoditra na ny maso na ny tanana dia satria misy fiparitahan'ny ranon'afero ao anatin'ny lalan-drà. Raha ny fambara "ngorongosy" no mitranga amin'ny olona iray dia tokony hamonjy tobi-pahasalamana haingana ; tsy maintsy manao fialantsasatra tsara ny olona tsy salama, satria tsy tomombana ny asan'ny aty raha toa ka reraka. Ny hepatita "A" dia mifindra amin'ny alalan'ny zavatra miditra ao am-bava, avy amin'ny sakafo. Fambara : miloko mavo ny faritra amin'ny vatana, mandoa miloko, fiakaran'ny hafanana.  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Hankalaza ny andron'ny 8 marsa, andro  iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy ny vehivavy. Tsy diso anjara amin'izany ny malagasy vehivavy tantsaha. Any Toamasina no hanaovana ny hetsika ôfisialy ; maro ny hetsika hanehoana izany... Maro ireo fikambanam-behivavy misiki-ponitra miantsehatra amin'ny fampivoarana ny famokarana any amin'ny toerana misy azy na ny famokarana tantanam-pianakaviana eto Madagasikara.

Volana marsa no hiresahana manokana ny zon'ny vehivavy. Marihana isaky ny 8 marsa ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivevy. Maro no mihevitra fa fety fotsiny io andro io, tsy izay anefa fa fotoana iray hahafahana mampatsiahy ireo karazan-jo hananan'ny vehivavy sy hitakiana ireo zo mbola tsy voahaja. Betsaka ny zon'ny vehivavy izay voahosihosy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Taloha dia tsy nomena ny hasina maha olombelona ny vehivavy, saingy nivoatra tsikelikely izany taty aoriana, ka miha manana ny zony ny vehivavy. Teny manentana amin'izao fanamarihana ny andron'ny vehivavy izao ny hoe : Vehivavy miarina, vehivavy mandroso. Aza miandry ny hafa satria hatramin'ny nahariana izao tontolo izao ny vehivavy dia efa nanana ny maha izy azy... Mila maneho firaisan-kina sy miara-miasa amin'ny lehilahy ho fampandrosoana ny fianakaviana sy ny firenena.  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ao amin'ny voa no mety ahitana ny vato resahina eto. Misy karazany telo : lithiase rénal, lithiase urterale, lithiase vesicale. Ny mahatonga ilay vato dia singa maromaro mitambatra, ary mivaingana ao antin'ny pipi marihitra, indrinda ho an'ireo olona malaina misotro rano. Amin'ny ankapobeiny dia ny olon-dehibe no tratran'ity aretina ity ; vehivavy 25 taona no mihoatra ary ny lehilahy 40 no mihoatra. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Anisan'ny resaka mafanafana ny VIH/SIDA amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Misy fiantraikany amin'ny fiaraha-monina ny VIH/SIDA, koa ilaina ny fahafantaran'ny olona io aretina io, torak'izany ny fitrangany sy ny hisorohana ny fiparitahany. Ilaina ny fiaraha-mientana amin'ny fiadiana amin'ny VIH/SIDA, tsy tokony hailikilika ireo marary. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Efa mahatsapa ny mahazava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny famokarana ilofosan'izy ireo ny tantsaha mivondrona ao amin'ny vovonam-pikambanana Filamantra Soa Iombonana na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amn'ny Faritra Analamanga. Samy mpikambana ao amin'ny Réseau SOA avokoa ireo fikambanana ireo. Misy hatrany isan-taona ny fambolen-kazo faobe ataon'izy ireo.

Ny fanantenana dia mitondra amin'ny finoana ary ny finoana manova ny zavatra ho amin'ny tsara. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana ao anatin'ny Distrikan'i Faratsiho Faritr'i Vakinankaratra i Nantenaina Casimir. Niofana manokana momba ny fitsaboana izy saingy nisafidy ny ivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana. Tanora nanovo fahalalana tao amin'i Papa Bio na Ranaivoarison Basil i Nantenaina Casimir. Kankana 2 tanana teo ho eo tao amin'i Papa Bio no niatombohany, roa taona lasa izay.

Ny fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay eo amin'ny fianakaviana sy ny mpiara-monina dia anisan'ny fanoitra iray entina hampivoarana ny fiainana andavan'andro. Ny fahasamihafana dia isan'ny mikolokolo ny fifankatiavan'ny mpivady : izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary" ary ny firaisan-kina no hery. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara sy ny vaomieran'ny Eveka misahana ny Fianakaviana.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...