Tsy manao ambanin-javatra ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala ny fikambanana Union MATANJAKA ao amin’ny faritr’i DIANA. Manana tetik’asa iarahana amin’ny Réseau SOA tohanan’ny F.F.F- F.A.O izy ireo. Tetik’asa famokarana zana-kazo sy fambolena hazo. Misitraka ny tetik’asa ny Fikambanana FIVEMPISA ao amin’ny kaominina Sajoavato, distrikan’Antsiranana faharoa. Zava-dehibe ho azy ireo io tetik’asa io satria ao Antsiranana faharoa no misy ny faritra arovana miisa 9 amin’ireo 19 any amin’ny faritr’i DIANA...
Fianakaviana, fiaraha-monina: toerana roa samy manana ny hanitra ho azy. Mifampiditra, mifampiankina, mety hifanohitra fomba fijery sy soatoavina, mety hifaka tahaka koa nefa matetika. Ny fianakaviana koa dia afaka manova ny fiaraha-monina, satria ao an-tokantrano no ianarana ny fitiavana, fanajana, fahamarinana ary andraikitra, izay entin’ny tsirairay any amin’ny fiaraha-monina. Koa raha maniry "Ho avy mendrika kokoa" isika, dia manomboka ao amin’ny fianakaviana anio ny fanorenana izany ho avy izany. Misy fiantraikany amin’ny fianakaviana ny fiaraha-monina, amin’ny alalan’ny teknolojia, ny asa, ny toe-karena ary ny fiovan’ny fomba fisainana...
• Tsy nahatratra ny naoty, araka ny fenitra takiana, i Madagasikara momba ny fitokisan'ny vahoaka ny mpitondra. Handray fepetra momba ny politikam-panjakana manoloana izany, ny fitondrana malagasy... • Hiteraka fikorontanan'ny vanim-poam-pahavaratra ho avy eto Madagasikara ny tranga “El Nino”, hoy ny avy amin'ny Météo. Hisy ny fisorohana mialoha ny voka-dratsy sy ny fiantraikan'izany... • Hafindran'ny Kaominina Antananarivo ireo mpivarotra manamorona ny farihin'i Behoririka, ho fandaminana ny tanana. Misy amin'izy ireo anefa no tsy manaiky, raha hesorina tanteraka eny an-toerana...
♦ Tsy tokony ho tara ny fanatanterahana ny fikaonan-doham-pirenena hoy Andriamatoa Zaza Ramandimbiarison. Tokony ho afaka miteny mifampandinika momba ny ho avin'i Madagasikara ny vahoaka hoy izy... ♦ Mila mampiseho fahavitrihana, fahaiza-manao ireo mpisehatra amin'ny fanatanterahana ny teti-bola hoy ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison. Nentaniny handroso hevitra azo tanterahana amin'ny fanatsaràna tokony hatao ireo mpivory omaly... ♦ Miandry ny hivoahan'ny didim-panjakàna fampiharana momba ny fitakiana ireo mpiasan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Hiverina hitokona izy ireo, raha tsy mivoaka izany hoy izy ireo...
Ny tantara dia fototra sy zava-dehibe tsara ho fantatra ary isan'ny maha olom-pirenena. Ny 14 oktobra 1958 no nahaterahan'ny Repoblikan'i Madagasikara, ny 26 jona 1960 vao nambara ny fiveranan'ny fahaleovantena. Rariny raha ankalazaina ho fetim-pirenena ny 14 oktobra fa ny 26 jona kosa dia fetin'ny Foloalindahy. Ny tantara efa nisy no manaporo fa azo atao ny maka ireo orinasa sy seha-pamokarana nofehezin'ny vahiny ka notantanan'ny Malagasy maro ny nahazoana vokatra tsara; anatin'ny fanavaozana izao, hirika afahana mampandroso ny fahalalana ny tantara... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...
♦ Tsy hita taratra hoy ny Randrana Sendikaly ny fihavaozana amin'ny tontolon'ny asa ho an'ny sehatra tsy miankina. Mbola lavitr'ezaka ny hisian'ny asa mendrika eto Madagasikara araka ny nambaran'izy ireo, nandritry ny fanamarihana ny andro eran-tany ho an'ny asa mendrika... ♦ Efa mihatra ny fandaharam-pibeazana vaovao saingy tsy hanadinana ny mpianatra ho an'ireo hanala fanadinana CEPE ny taranja vaovao, hoy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Hisy fikorontanana ny famatsian-drano ao an-drenivohitra nanomboka tamin'ny 7 ora maraina teo. Haharitra 9 ora eo ho eo ny asa fanamboarana eny Mandroseza hoy ny JIRAMA...
• Nisy ny fanazavana izay navoakan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Voalaza ao anatin'izany fa efa mihatra, saingy tsy hanadinana ireo taranja vaovao, raha ho an'ny fanadinam-panjakana CEPE... • Nomarihina androany 7 ôktôbra ny Andro maneran-tany ho an'ny asa mendrika. Diabe teny Tsimbazaza no nanamarihan'ny sendikà FISEMARE izany... • Niatrika ny Fitsarana Antampony tany Maurice androany, ilay Malagasy mpandraharaha, Mamy Ravatomanga...
♦ Noraisina ny didim-panjakàna manao taky baiko ny orinasa jirama hanao sonia fifanarahana fividianana mivantana milina mpamokatra herinaratra diesel miis 18 amin'ny orinasa manana andraikitra voafetra... ♦ Mitaky ny hanomezana ny indemnité de craie sy handraisana ho mpiasam-panjakàna ireo mpampianatra FRAM sy ireo nivoaka tamin'ny ENS ny vondron'ny mpanabe mijoro amin'ny fitakiana ataony... ♦ Dimy taona aty aoriana tra-tehaka noho ny fiparitahan'ny sariny tamin'ny tambazotran-tserasera facebook ilay mpanampy an-trano mpangalatra sy mpisoloky ireo mpampiasa azy...
Fiainana andavanandro ary mety hahakasika ny rehetra ny "tsy fahombiazana sy ny fahadisoana". Ny atao hoe "tsy fahombiazana" dia ny tsy fahatratrana izay heverina ho vokatra andrasana, izany hoe misy hetsika natao anefa tsy nahazoana vokatra araka izay nofaritana. Ny hoe fahadisoana dia ny fialana amin'ny lalana heverina hitondra any amin'ny tanjona, zavatra tokony natao anefa tsy natao, ohatra hoe fantatro aho fa tsy tokony hifoka sigara anefa hatao ihany... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Mbola vao ny 13% amin'ny famatsiam-bola hanatanterahana ny asa fametrahana lakan-drano ambany arabe ao an-drenivohitra (tetik'asa PIAA) andriany faharoa ihany no efa nivoaka... ♦ Nijery niaraka ireo lesoka mila harenina hanatsaràna sy hanomanana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakàna amin'ny taona ho avy ny avy amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy... ♦ Nisy fihatsaràna ny momba ny fangaraharan'ny teti-bola teto Madagasikara na dia mbola tsy ampy aza ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena amin'ireo dingana atao momba izany...
• Misy lesoka mila harenina ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC eto amintsika. Isan'izany ny hosoka sy ny kolikoly amin'ny endriny samihafa. Toa izany koa ny fivoahan'ny laza adina mialoha... • Mbola olana amin'ny tetibola eto Madagasikara ny tsy fandraisan'ny olom-pirenena anjara amin'ny dingana atao momba azy. Tsy mitsahatra mitaky ny laharam-pahamehana amin'ny tetibola ny firaisamonim-pirenena, hoy ny MSIS Tatao... • Mila miaiky heloka ireo mpomba ny fitondrana teo aloha ka manohana indray ny fitondrana Fanavaozana ankehitriny, noho ny tsy mety nataon'izy ireo teto amin'ny firenena, hoy ny antoko FTPM, na ny Fikambanan'ny Tanora Mpitolona Malagasy...
♦ Novoizina tamin'ny raharaham-pirenena tato ho ato ny mety hisian'ny fanovàna ireo mpikamban'ny governemanta. Ny rivotra pôlitika no mahatonga izany fa tsy avy amin'ny mpanao pôlitika hoy ny antoko Ilo-Mada... ♦ Hisy ny fiaraha-miasan'ny Minisiteran'ny angovo sy ny fikambanana iraisam-pirenena UNOPS, hanamafisana sy hanatsaràna ny fisitràhan'ny vahoaka Malagasy angovo azo antoka sy maharitra... ♦ Misy indray ny hetsika fanaovam-baksiny faobe fanefitry ny kitrotro sy ny lefa-kozatra karakarain'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka manerana ny nosy. Natomboka teny Anosisoa Ambohimanarina, omaly...
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco