Boky Jenezy (Jen. 1, 1 — 2, 2)
Tamin’ny voalohany Andriamanitra
nahary ny lanitra sy ny tany,
tsy nisy endrika sady foana ny tany;
ny haizina no nanarona ny hantsana,
ary ny Fanahin’Andriamanitra nisonenika tambonin’ny rano.
Hoy Andriamanitra:
“Misia ny mazava”.
Dia nisy ny mazava.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava.
Nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny haizina.
Ka ny mazava nataony hoe andro,
ary ny maizina kosa alina.
Dia nisy hariva ary nisy maraina.
Izay no andro voalohany.
Hoy Andriamanitra:
“Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano
ary aoka izy hampisaraka ny rano amin’ny rano”.
Dia nataon’Andriamanitra ny habakabaka,
ka ny rano ambonin’ny habakabaka
dia nosarahiny tamin’ny rano ambanin’ny habakabaka,
dia tanteraka izany.
Nataon’Andriamanitra hoe “lanitra”, ny habakabaka.
Ary nisy hariva sy nisy maraina.
Izay no andro faharoa.
Hoy Andriamanitra:
“Aoka hiangona amin’ny fitoerana iray ny rano eo ambanin’ny lanitra,
ka aoka hiseho ny maina”.
Dia tanteraka izany.
Nataon’Andriamanitra hoe “tany” ny maina;
ry nataony hoe “ranomasina” ny rano tafangona,
ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia hoy Andriamanitra:
“Aoka ny tany haniry ahitra maitso
sy anana mamoa ary hazo mamoa,
samy mamoa misy ny voany ao aminy
araka ny karazany avy,
eny ambonin’ny tany”.
Dia tanteraka izany.
Ary ny tany naniry ahitra maitso
sy anana mamoa samy araka ny karazany avy,
ary hazo mamoa misy voany ao aminy
samy araka ny karazany avy.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia nisy hariva ary nisy maraina.
Izay no andro fahatelo.
Hoy Andriamanitra:
“Misia fanazavana eo amin’ny habakabaky ny lanitra
mba hampisaraka ny andro sy ny alina,
ary aoka izy ho famantarana,
ka hanamarika ny fotoana sy ny andro ary ny taona,
ary aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra
hanazava ny tany”.
Dia tanteraka izany.
Nanao ny fanazavana roa lehibe Andriamanitra:
ny lehibebe kokoa hitarika ny andro,
ny kelikely kokoa hitarika ny alina,
ary nanao ny kintana koa.
Napetrak’Andriamanitra eo amin’ny habakabaky ny lanitra ireo,
hanazava ny tany, hitarika ny andro sy ny alina,
hampisaraka ny mazava sy ny maizina;
ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia nisy hariva ary nisy maraina.
Izay no andro fahefatra.
Hoy Andriamanitra:
“Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra;
ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany
eny amin’ny habakabaky ny lanitra.
Dia noarìn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano
sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra,
mihelotrelotra anaty rano, samy araka ny karazany avy,
mbamin’ny voro-manidina manana elatra rehetra
araka ny karazany avy.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Dia nitso-drano an’ireo Andriamanitra nanao hoe:
“Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina,
ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin’ny tany”.
Dia nisy hariva ary nisy maraina.
Izay no andro fahadimy.
Hoy Andriamanitra:
“Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina araka ny karazany avy,
dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany,
araka ny karazany avy”.
Dia tanteraka izany.
Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy
sy ny biby fiompy araka ny karazany avy,
mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany araka ny karazany avy.
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Rehefa izany dia
Hoy Andriamanitra:
“Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika,
mifanahaka amintsika,
ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina,
ny voro-manidina eny amin’ny habakabaka,
ny biby fiompy sy ny tany rehetra
ry ny biby mandady mikisaka amin’ny tany”.
Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy;
mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy.
Ary nataony lahy sy vavy izy ireo,
Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra,
ka nanao taminy hoe:
“Miteraha maro,
mitomboa sy mamenoa ny tany, ka mizakà azy;
ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina,
ny voro-manidina mbamin’ny biby rehetra
mihetsiketsika ambonin’ny tany”.
Ary hoy Andriamanitra:
“Indro omeko anareo
ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany,
mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy;
izany no atao fihinanareo.
Fa ho an’ny bibin’ny tany mbamin’ny voro-manidina
sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany,
ka manam-pofon’aina ao aminy,
dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany”.
Dia tanteraka izany.
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony,
ka tsara indrindra izany.
Ary nisy hariva sy maraina:
izay no andro fahenina.
Toy izany no nahavitan’ny lanitra sy ny tany,
mbamin’izay rehetra momba azy.
Ary tamin’ny andro fahafito
dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony;
ka tamin’ny andro fahafito Izy
nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo.
Salamo (Sal. 103, 12a. 5-6. 10-12. 13-14. 24 sy 35d)
Isaory ny Tompo, ry fanahiko:
lehibe indrindra Ianao, ry Andriamanitro;
fiandrianana sy voninahitra no itafianao,
hazavana no lamba ihodidinanao.
Ny tany naorinao mafy
ka tsy hihontsona mandrakizay.
Ny ranobe no narakotrao ny tany
ka dia teny an-tendrombohitra ny rano.
Nampiboika rano teny an-dohasaha Ianao,
notarihinao ireny ho any anelanelam-bohitra:
ny bibidia rehetra mba samy hisotro,
ny ampondra haolo mba hiala hetaheta,
ny voron’ny lanitra hipetraka eo amorony
ka hikalokalo anaty ravin-kazo.
An-drihana Ianao manondraka ny vohitra
sy mamoky ny tany amin’ny tsiron’ny lanitra,
mampitsimoka ahitra ho an’ny biby fiompy,
mampahavokatra ny asan’ny olona:
ny mofo mitrebona an-tany ho sakafony.
Maro tokoa ny asanao, ry Tompo
sady vita amim-pahakingana.
Ny tany henika ny harenao;
Ianao, ry fanahiko,
misaora ny Tompo!
Boky Jenezy (Jen. 22, 1-18)
Tamin’izany andro izany Andriamanitra
nizaha toetra an’i Abrahama ka nanao taminy hoe:
“Ry Abrahama ô!”
Ary hoy izy:
“Inty aho”.
Dia hoy Andriamanitra:
“Ento ny zanakao,
ilay lahy tokanao,
ilay tianao, dia i Isaaka,
ka mankanesa any amin’ny tany Môrià,
ary rehefa mby any,
atero izy ho sorona dorana
eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroko anao”.
Nifoha maraina koa i Abrahama,
nanisy lasely ny ampondrany,
naka roa lahy tamin’ny mpanompony hiaraka aminy,
sy i Isaaka zanany,
ary namaky ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
dia niainga nankany amin’ny tany efa nolazain’Andriamanitra azy.
Nony tamin’ny andro fahatelo,
nanopy ny masony i Abrahama,
ka mbola lavitra ihany izy dia nahatazana ilay fitoerana,
dia nilaza tamin’ireto mpanompony i Abrahama nanao hoe:
“Mijanòna eto amin’ny ampondra ianareo,
fa izaho sy ny zaza dia mikasa ho ery hivavaka,
vao hiverina eto aminareo indray”.
Dia nalain’i Abrahama ny hazo hataina amin’ny sorona dorana,
ka natataony an’i Isaaka zanany;
ary ny afo sy ny antsy kosa nentiny teny an-tanany,
dia niara-nandeha izy mianaka.
Fa hoy i Isaaka tamin’i Abrahama rainy:
“Dada ô!”.
Ka hoy ny navaliny:
“Inty aho, anaka”.
Dia hoy i Isaaka:
“Ny afo sy ny kitay ireto dia efa eto,
fa izay zanak’ondry hatao sorona dorana kosa no aiza?”
Hoy ny navalin’i Abrahama:
“Hataon’Andriamanitra izay hahitana ny zanak’ondry
hatao sorona dorana, anaka”.
Dia niara-nandeha izy mianaka.
Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy,
dia naorin’i Abrahama teo ny ôtely,
nalainy ny kitay hazo ary nafatony i Isaaka zanany,
ka napetrany tambonin’ny ôtely eo ambonin’ny kitay.
Dia naninjitra ny tanany i Abrahama,
ka nandray ny antsy hamonoana ny zanany.
Tamin’izay,
niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe:
“Ry Abrahama! ry Abrahama ô!”
Ka hoy ny navaliny:
“Inty aho”.
Dia hoy ny Anjely:
“Aza manainga ny tananao hamely ny zaza,
ary aza maninomaninona azy akory,
fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao,
sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao,
ilay lahy tokanao ho Ahy”.
Ary nanopy maso i Abrahama,
ka nahita ondralahy anankiray teo ivohony,
voasingazotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony;
dia lasa i Abrahama naka ilay ondralahy,
ka io no nateriny ho sorona dorana
ho solon’ny zanany.
Ary nataon’i Abrahama hoe Iaveh-Iereh
no anaran’io fitoerana io.
Ary avy amin’izany ilay fitenin’ny olona mandraka androany hoe:
“Ho hita ihany izany
any an-tendrombohitr’i Iaveh”.
Ary ny Anjelin’ny Tompo
niantso an’i Abrahama fanindroany tany an-danitra,
ka nanao hoe:
“Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho, hoy ny Tompo,
fa noho ianao nanao izany sy tsy nandà
fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy,
dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao,
tahaka ny kintana eny an-danitra
sy ny fasika eny amoron-dranomasina,
ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.
Amin’ny taranakao
no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
satria nanaiky ny Teniko ianao”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 15, 5. 8. 9-10. 11)
Ny Tompo ny ahy no zara lovako;
Ianao no rakitro mateza.
Ataoko anoloana hatrany ny Tompo,
izaho tsy hiala eo ankavanany.
Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko,
ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly,
ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady.
Fa ny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
hafenoam-pifaliana anoloanao,
hafinaretan-dava ankavananao.
Boky Eksaody (Eks. 14, 15 — 15, 1)
Izao no tenin’ny Tompo tamin’i Môizy:
“Nahoana no mitaraina amiko ianao?
Ilazao ny zanak’i Israely mba hiainga.
Ianao manaingà ny tehinao sy maninjira ny tananao
eo ambonin’ny ranomasina dia hampisaraka roa azy;
ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany
mandia tany maina,
ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejipsianina
hanarahany azy ireo avy aoriana,
ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna
sy ny tafiny rehetra mbamin’ny kalesiny amam-pitaingin-tsoavaliny.
Ka ho fantatry ny Ejipsianina fa Tompo Aho,
rehefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna
sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny.”
Dia nifindra nankeo aoriana ilay Anjelin’Andriamanitra
nandeha teo alohan’ny tobin’i Israely,
ary niala nankeo aoriana koa ny andry rahona izay nialoha azy.
Dia nankeo anelanelan’ny tobin’ny Ejipsianina
sy ny tobin’ny zanak’i Israely izy;
maizina ny ilan’io rahona io,
ary ny ilany manazava ny alina,
ka tsy nifanatona ny toby roa nandritra ny alina.
Nony nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany
dia nohemorin’ny Tompo ny ranomasina
tamin’ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana
nandritra ny alina,
ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano.
Dia niditra teo afovoan’ny ranomasina efa tonga maina ny zanak’i Israely
ary zary rindrina ho azy ireo eo ankavanany sy ankaviany ny rano.
Nanenjika azy ny Ejipsianina,
ka niditra nanaraka azy teo afovoan’ny ranomasina avokoa
ny soavalin’i Faraôna mbamin’ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana maraina
dia nitodika ny Ejipsianina ny Tompo
tao amin’ny andry afo aman-tsetroka,
dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejipsianina.
Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana
ka saika tsy afa-nandroso intsony.
Ary hoy ny Ejipsianina tamin’izay:
“Andeha handositra eo anoloan’i Israely isika,
fa ny Tompo no miady ho azy,
mamely ny Ejipsianina”.
Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Ahinjiro eo ambonin’ny ranomasina ny tananao,
hikatonan’ny rano amin’ny Ejipsianina
sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny”.
Dia nahinjitr’i Môizy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany,
ka vao nangirana ny andro
dia nody tamin’ny toerany andavanandro ny ranomasina.
Nandositra ny Ejipsianina ka tojo azy,
ka dia navarin’ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsianina.
Nony nikatona ny rano
dia nanafotra ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaly
mbamin’ny tafik’i Faraôna rehetra
izay niditra ny ranomasina nanaraka ny zanak’i Israely:
tsy nisy afa-nandositra na dia singany iray aza.
Ny zanak’i Israely anefa nandia tany maina
teo afovoan’ny ranomasina,
fa zary rindrina ho azy ireo ny rano, eo ankavanany sy eo ankaviany.
Koa novonjen’ny Tompo
ho afaka tamin’ny tanan’ny Ejipsianina i Israely tamin’izany andro izany,
ary i Israely nahita ny fatin’ny Ejipsianina
teny amoron-dranomasina.
Hitan’i Israely ny tanana maherin’ny Tompo,
nasehony tamin’ny namelezany ny Ejipsianina,
ka natahotra ny Tompo ny vahoaka,
ary nino ny Tompo sy i Môizy mpanompony.
Tamin’izany i Môizy sy ny zanak’i Israely
nanao izao hira izao tamin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 15, 1-2. 3-4. 5-6. 17-18)
Ihiraontsika ny Tompo Avo indrindra!
Ny soavaly sy kalesy natsipiny an-driaka!
Hery sy tanjako ny Tompo! Izy no famonjena ahy!
Izy no Andriamanitro, ka deraiko!
Andriamanitry ny razako, ka asandratro!
Mpiady mahery ny Tompo: Ny Tompo no Anarany!
Ny kalesin’i Faraôna sy ny tafiny natsipiny an-driaka!
Ny mpitari-tafika voafantina:
natelin’ny Riakan-jozoro.
Nosaronan’ny hantsam-be,
nidina am-parany ambany tahaka ny vato!
Ny Tananao, ry Tompo, igagana hery:
Ny Tananao, ry Tompo, manorotoro fahavalo!
Ka ampidirinao, ry Tompo, i Israely
sy amponeninao eo amin’ny voninahitra lovanao:
Toerana voafidinao honenana,
Toera-masina nomanin’ny tananao!
Eny, manjaka ny Tompo mandrakizay alaovalo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 54, 5-14)
Ny vadinao dia ny Mpahary anao;
ny Tompon’ny tafika no Anarany,
ary ny Mpanavotra anao dia ilay Masin’i Israely,
Andriamanitry ny tany rehetra no iantsoana Azy.
Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana, no ampodian’ny Tompo anao,
hoatra ny vadin’ny fahatanorana efa nisaorana, hoy ny Andriamanitrao.
Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao,
fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao.
Tamin’ny firehetan’ny hatezerako
no nanafenako vetivety ny Tavako taminao,
fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao,
hoy ny Tompo Mpanavotra anao.
Dia ho toy ilay ranon’i Nôe izany amiko,
nony nianiana Aho fa ilay ranon’i Nôe tsy hiely intsony amin’ny tany:
toy izany koa no nianianako fa tsy ho tezitra aminao
na handrahona anao intsony Aho.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra,
ka hihozongozona ny havoana,
ny fitiavako tsy mba hiala aminao,
ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana,
hoy ny Tompo Ilay mangoraka anao.
Ry ikala ory,
afotofoton’ny tafio-drivotra, tsy manam-piononana ô;
indro Aho handatsaka ny vatonao amin’ny antimoanina,
sy hanorina anao eo ambonin’ny safira;
hataoko vato tsy leon-doza ny nongonongo-mandanao,
eskarbokla ny vavahadinao,
ary vatosoa avokoa ny manda manodidina anao.
Ho mpianatry ny Tompo avokoa ny zanakao rehetra,
ary ho be fiadanana ny zanakao.
Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao;
aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana,
fa tsy manan-katahorana ianao;
ho lavitra anao anie ny fampahatahorana,
fa tsy hanakaiky anao izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11 sy 12a ary 13b.)
Izaho midera ny Tompo nanafaka ahy:
tsy navelany hifaly ny rafiko.
Ny fanahiko efa tany an-tSeoly
dia nakarinao, ry Tompo ô!
izaho efa tany am-pasana
dia novelominao indray!
Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka;
isaory ny Anarany masina.
Mandalo ihany ny hatezerany,
ny fanambinany kosa maharitra:
hariva aho nitomany,
fa nony maraina, velon-kira.
Tompo ô, aoka ianao handreny;
miantrà re, tongava hamonjy.
Dia navadikao ho dihy
ilay hira fitarainako;
Ry Tompo Andriamanitro ô.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 55, 1-11)
Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano,
na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna;
avia hividy tsy amim-bola na takalo, hividy divay sy ronono.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina;
sy misasatra, amin’izay tsy mahavoky?
Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara;
ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko;
mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo;
ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
ka hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida.
Indro izy natsanga-ko ho vavolombelona eo amin’ny firenena;
ho mpifehy sy mpandidy ny firenena.
Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao;
ary ny firenena tsy nahalala anao hidodododo ho eo aminao,
noho ny amin’ny Tompo Andriamanitrao sy ilay Masin’i Israely,
satria nomeny voninahitra ianao.
Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita Izy;
miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.
Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany,
ary ny meloka amin’ny heviny;
ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindràny fo;
dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo,
ary ny lalanareo tsy mba lalako. — Teny marin’ny Tompo —.
Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany,
no haavon’ny lalako noho ny lalanareo,
sy haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo.
Tahaka ny ranon’orana aman’oram-panala
milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any,
raha tsy efa mahahenika sy mahalonaka ny tany,
sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy,
ka mampahazo voa famafy ny mpamafy,
ary hanina ho an’ny mpihinana;
toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako,
tsy miverina amiko foana izy,
fa mahatanteraka izay tiako,
sy mahatontosa izay namoahako azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Iz. 12, 2. 4. 5. 6)
Endrey! Andriamanitra no famonjena ahy:
tsy matahotra intsony aho fa matoky!
Eny, fa ny Tompo no heriko sy tanjako,
Izy no famonjena ahy.
Am-piravoravoana ianareo no hanovo
amin’ny loharanom-pamonjena,
ka izao no ho teninareo
amin’izay andro izay:
Derao ny Tompo,
antsoy ny anarany,
torio ny vahoaka ny asany vaventy,
ny haavon’ny Anarany ambarao!
Antsao ny Tompo fa naneho fiamboniana:
ataovy antso avo izany eran-tany tontolo.
Mientàna, mihobia, ry mponina ao Siôna,
fa lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.
Bokin’i Barôka Mpaminany (Bk. 3, 9-15. 31 — 4, 4)
Mihainoa, ry Israely, ny lalàm-piainana;
manongilàna sofina, hianatra ny fahamalinana.
Ahoana sy ahoana ange, ry Israely,
ity ianao no aty amin’ny tanim-pahavalo;
ka reraka aty amin’ny tanin’ny firenen-kafa,
sy mandoto tena amin’ny maty,
ka atao ho anisan’izay efa tafiditra any amin’ny Seoly?
Nandao ny loharanom-pahendrena ianao,
satria raha nandeha tamin’ny lalan’Andriamanitra ianao,
dia ho nitoetra tamin’ny fiadanana mandrakizay!
Fantaro izay misy ny fahendrena sy ny hery
ary ny fahazavan-tsaina,
mba ho fantatrao miaraka amin’izany koa,
izay misy ny andro lava sy ny fiainana,
izay misy ny fahazavana ho an’ny maso, sy ny fiadanana.
Iza no efa nahita ny toerana misy ny fahendrena;
ary zovy no efa niditra tao amin’ny firaketany?
Tsy misy olona mahalala ny lalany,
na mba namantatra tsara izay sakeli-dalany akory.
Fa Ilay mahalala ny zavatra rehetra no mahalala azy;
Izy no mahita azy amin’ny fahiratan-tsainy,
dia Ilay nanorina ny tany ho mafy mandrakizay,
sy nameno azy ireo biby manan-tongotra efatra;
Ilay maniraka ny fahazavana, dia lasa io,
sy miantso azy dia manaiky amim-pangovitana izy.
Ireo kintana mamirapiratra eo amin’ny fitoerany ka mifaly ery,
dia antsoiny ka mamaly hoe: indreto izahay!
dia mamirapiratra amin-kafaliana ireo ho an’Ilay nahary azy.
Izy no Andriamanitsika ary tsy misy hafa mitovy aminy.
Nahita ny lalan’ny fahendrena rehetra Izy
ka nanome izany ho an’i Jakôba mpanompony,
sy ho an’i Israely olo-malalany.
Raha efa izany, dia niseho teto an-tany Izy
ka niresaka tamin’ny olombelona.
Ny fahendrena dia ilay bokin’ny didin’Andriamanitra
sy ny lalàna maharitra mandrakizay.
Izay rehetra mifikitra aminy ho tonga amin’ny fiainana,
fa izay mandao azy kosa ho any amin’ny fahafatesana.
Miverena, ry Jakôba, sy mifikira aminy,
ary mizora amin’ny fahazavany mamirapiratra.
Aza omena ho an’ny hafa ny voninahitrao,
na ho an’ny firenen-kafa ny tombontsoanao.
Sambatra isika, ry Israely ô,
fa nanambaràna izay sitrak’Andriamanitra!
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 18, 8-9. 10-11)
Ny lalàn’ny Tompo lavorary
mamelombelona fanahy;
ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy
ka mahafaly ny fo;
ny baikon’ny Tompo mazava,
fanilo ho an’ny maso.
Ny tahotra ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay;
ny fitsaran’ny Tompo, marina,
samy rariny avokoa.
Irìna noho ny volamena,
ny volamena madio miavosa
mamy noho ny tantely,
ny toho-tantely mitsonika.
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 36, 16-17a. 18-28)
Tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe:
Ry zanak’olona, ry zareo taranak’i Israely,
fony izy nitoetra teo amin’ny taniny,
dia nandoto azy, tamin’ny fitondran-tenany aman’asany...
Ka naidiko tamin’izy ireo ny fahatezerako,
noho ny rà nalatsany tamin’ny tany,
sy noho ny nandotoany azy tamin’ny sampiny vetaveta.
Naeliko ho any amin’ny hafa firenena izy ireo,
ka nahahako teny amin’ny tany samihafa.
Notsaraiko araka ny fitondran-tenany aman’asa nataony izy.
Nony mby tany amin’ny firenena nalehany izy ireo,
dia nanala baràka ny Anarako masina,
fa izao no filazan’ny olona azy:
“Ireo no olon’ny Tompo, avy any amin’ny taniny no nialany”.
Ka nangoraka ny Anarako masina Aho,
izay nalain’ny taranak’i Israely baràka,
tamin’izay firenena nalehany any.Noho izany, lazao amin’ny taranak’i Israely hoe:
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Tsy noho ny aminareo no anaovako an’izao, ry taranak’i Israely,
fa noho ny Anarako masina izay nalanareo baràka,
tany amin’ny firenena nalehanareo.
Hohamasiniko ny Anarako lehibe izay voaala baràka,
eny amin’ny firenena nanalanareo baràka azy,
dia ho fantatry ny firenena fa Tompo Andriamanitra Aho
— teny marin’ny Tompo Andriamanitra, —
rehefa manamasin-tena ao aminareo, eo imasony Aho.
Halaiko avy any amin’ny firenena ianareo,
hangoniko avy any amin’ny tany rehetra,
ka hampodiko eo amin’ny taninareo.
Hofafazako rano madio ianareo, dia hadio;
ny fahalotoanareo rehetra mbamin’ny fahavetavetanareo rehetra,
hataoko afaka aminareo.
Homeko fo vaovao ianareo,
ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo;
hoesoriko amin’ny nofonareo ny fo vato,
ka homeko fo nofo ianareo.
Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko,
ary hataoko manaraka ny fitsipiko ianareo,
ka hitandrina ny didiko, sy hanaraka izany.
Honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo,
dia ho vahoakako ianareo,
ary Izaho ho Andriamanitrareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 41, 3. 5bde ; 42, 3. 4.)
Ny fanahiko mangetaheta an’Andriamanitra,
ilay Andriamanitra velona.
Rahoviana aho no afaka hanarana
sy hankafy ny hasoan’Andriamanitra?
Endrey izany izaho mitarika vahoaka
izay mandroso ao an-tranon’Andriamanitra
amim-peo fifaliana sy fiderana,
sy horaka an-danonana manakoako!
Ny hazavanao sy fahamarinanao
alefaso hitantana ahy
hatrany am-bohitrao masina,
hatrany amin’ny fonenanao.
Ka eo amin’ny ôtelin’Andriamanitra aho,
ilay Andriamanitra fototry ny hafaliako,
no hidera Anao amim-baliha,
ry Andriamanitra Andriamanitro.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 6, 3-11)
Ry kristianina havana,
moa tsy fantatrareo va
fa isika rehetra natao Batemy ho amin’i Kristy Jesoa
dia natao Batemy ho amin’ny fahafatesany?
Koa niara-nilevina taminy tamin’ny Batemy
ho amin’ny fahafatesana isika,
mba ho tahaka ny nananganana an’i Kristy ho velona
tamin’ny voninahitry ny Ray,
no handehanantsika amin’ny fiainam-baovao koa.
Fa raha nampiraisina taminy
tamin’ny fakàn-tahaka ny fahafatesany isika,
dia ho tahaka izany koa amin’ny fitsanganany;
fa fantatsika fa ilay olona tranainy toetrantsika
dia niara-nofantsihana taminy,
mba ho levona ny tenan’ny fahotana,
ka tsy hanompo ny fahotana intsony isika,
satria izay maty dia afaka amin’ny fahotana.
Ary raha niara-maty tamin’i Kristy isika,
dia mino fa hiara-belona aminy koa;
sady fantatsika fa rehefa nitsangan-ko velona Izy
dia tsy maty intsony,
tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Satria ny fahafatesana moa,
dia fahafatesana indray maka ny amin’ny fahotana;
fa ny fahavelomany kosa,
dia fahavelomana ho an’Andriamanitra.
Ary aoka ho toy izany koa ianareo,
no hanao ny tenanareo ho toy ny efa maty
ny amin’ny fahotana,
fa velona kosa ho an’Andriamanitra
ao amin’i Kristy Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 117, 1-2. 16ab-17. 22-23)
Derao ny Tompo fa tsara:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’Israely manontolo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo;
ny tanan’ny Tompo naneho hery!
Tsy maty aho fa velona
hitanisa ny asan’ny Tompo.
Ny vato narian’ny mpanao trano
no indro tonga fehizoro;
ny Tompo no manao Izany
zava-mahagaga imasonay!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 1-8)
Rehefa afaka ny Sabata,
dia nividy zava-manitra i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Jakôba, ary Salôme,
mba handeha hanosotra ny Vatan’i Jesoa.
Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro,
dia nandeha izy, ka tonga teo amin’ny fasana,
ilay vao miposaka iny ny masoandro.
Ary izy nifampilaza hoe:
“Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin’ny varavaram-pasana e?”
Kanjo nony nitraka izy, dia tazany ny vato, fa lehibe dia lehibe,
ka indro efa voakodia izy.
Nony niditra tao am-pasana izy,
dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana,
ka taitra.
Fa hoy ilay zatovo taminy:
“Aza matahotra ianareo;
mitady an’i Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo;
efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy eto;
teo no nametrahany Azy.
Fa mandehana lazao amin’ny mpianany sy amin’i Piera
fa hialoha anareo any Galilea Izy, ka any no hahitanareo Azy,
araka ny efa voalazany taminareo”.
Dia nivoaka ny fasana izy ireo, ka nandositra,
fa sady toran-kovitra no raiki-tahotra,
ary tsy nilaza na inona na inona tamin’ny olona izy noho ny tahony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 52, 13 — 53, 12)
Izao no tenin’ny Tompo:
Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo,
hankalazaina ary ho tafasandratra indrindra.
Toy ny nigagan’ny maro nahita Azy,
— fa rava Endrika loatra Izy,
ka ny Tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony;
ary ny Tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, —
no hampiontanany firenena maro.Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka,
satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy,
sy handre ny tsy mbola reny.
Iza no nino izay renay,
ary iza no nanehoana ny sandrin’ny Tompo?
Fa nisondrotra teo anatrehany Izy,
tahaka ny hazo madinika marefo,
tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina;
tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika;
na bika namelona ny fitiavantsika.
Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy,
olona ory sady zatra ny fijaliana;
hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava;
natao faneso sy tsy nahoantsika velively.Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny,
ary ny fahoriantsika no nivesarany;
ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy,
nokapohin’Andriamanitra sy naetry.
Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika,
notorotoroina noho ny helotsika;
nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana;
ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika.
Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika,
samy nanaraka ny lalany avy isika,
ary nazeran’ny Tompo taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Vonoina Izy ary mandefitra, tsy miloa-bava akory Izy;
tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina,
tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy;
tsy miloa-bava akory.
Noesorina Izy noho ny fampahoriana sy ny fitsarana;
ary iza moa tamin’ireo niara-belona taminy,
no mba nihevitra fa nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy,
ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny vahoakako?
Natao hiray fasana tamin’ny ratsy fanahy Izy,
ary eo amin’ny mpanan-karena nony efa maty,
nefa tsy mba nanao ny tsy marina,
ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany.Sitraky ny Tompo ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana,
nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana
dia hahita taranaka Izy,
ho lava andro hiainana,
ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo.
Noho ny fijalian’ny fanahiny,
dia hahita Izy, ka ho afa-po.
Ilay marina, Mpanompoko noho ny fahalalany,
hanamarina olona betsaka
ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo.
Noho izany,
homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy;
ary hiara-mizara babo amin’ny mahery;
satria nanolotra ny ainy ho faty Izy
sady natao isan’ny mpanao ratsy;
ary ny Tenany no hitondra ny fahotan’ny maro,
sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 30, 2. 6. 12-13. 15-16. 17 sy 25)
Ianao, ry Tompo, no ifefeko:
tsy mba ho azon-kenatra aho.
Hanavotra ahy Ianao fa marina,
apetrako an-tananao ny aiko,
ry Tompo Andriamanitra Mpanavotra ahy!
Ny rafiko rehetra mandatsa,
ny miara-monina efa tofoka,
ny olom-pantatra tsiravina,
izay tojo ahy mandositra avokoa;
hadinon’ny fo mova tsy ny maty aho,
tsy asiana antony ohatra ny fako.
Fa izaho, ry Tompo, mifefy aminao!
Ianao, hoy aho, no Andriamanitro,
an-tananao ny androko,
afaho amin’ny haromotany aho.
Endrika mitsiky aseho ahy,
vonjeo aho noho ny fitiavanao!
Mahereza! Ny fo hatanjaho,
ianareo izay matoky ny Tompo!
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 4, 14-16 ; 5, 7-9)
Ry kristianina havana,
noho isika manana Mpisorona lehibe izay lasa namaky ny lanitra,
dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra,
dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika.
Satria tsy mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika;
fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy,
afa-tsy ny fahotana.
Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pitokiana,
mba hahazoantsika famindram-po,
sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika
amin’ny andro ilàntsika izany.
Fa tamin’ny andron’ny nofony i Kristy,
nony nanolotra fivavahana fifonana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be,
tamin’ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana,
sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany,
na dia Zanaka aza;
ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy,
ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay
ho an’izay manaiky Azy.
— Izany àry ny tenin'ny Tompo.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany (Jo. 18, 1-40 ; 19, 1-42)
Tamin’izany andro izany,
dia lasa i Jesoa sy ny mpianany nankany andafin’ny riakan’i Sedrôna,
izay nisy saha anankiray nidiran’Izy sy ny mpianany.
Fantatr’i Jodasy ilay namadika Azy koa io toerana io,
satria falehan’i Jesoa sy ny mpianany matetika.
Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray
sy ny mpiandry raharaha avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina,
dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo ary fiadiana.
I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjo Azy,
ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe:
Iza no tadiavinareo?
Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy:
I Jesoa avy any Nazareta.
Ka hoy i Jesoa taminy:
Izaho no Izy.
Eo koa izany i Jodasy ilay namadika Azy.
Vao nilazan’i Jesoa hoe: Izaho no Izy,
dia nianòtra izy ireo ka niankarapoka tamin’ny tany.
Fa nanontany azy indray i Jesoa nanao hoe:
Iza no tadiavinareo?
Dia hoy izy ireo:
I Jesoa avy any Nazareta.
Ka novalian’i Jesoa hoe:
Efa voalazako taminareo fa Izaho no Izy;
koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.
Izy no nilaza izany dia ny mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe:
“Tsy nisy very izay nomenao Ahy na dia iray aza”.
Ary nanan-tsabatra i Simôna Piera ka notsoahiny,
dia nasiany ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona,
ka afaka tery ny sofiny an-kavanana.
Malkosy no anaran’ilay mpanompo.
Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera:
Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao;
tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy?
Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tompon’arivo
ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody,
dia nisambotra an’i Jesoa ka namatotra Azy.
Tany amin’i Ana aloha no nitondrany Azy
fa io no rafozan’i Kaifa izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany.
Ary i Kaifa kosa no nanome saina ny Jody hoe:
“Mahasoa raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray”.
Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa,
ary fantatry ny lehiben’ny mpisorona ilay mpianatra anankiray,
ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao antokotanin’ny lehiben’ny mpisorona.
Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady.
Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona,
ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady,
ary nampiditra an’i Piera.
Fa hoy ity ankizy vavy mpiandry vavahady tamin’i Piera:
Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va ianao?
Ary hoy izy:
Tsia.
Nangatsiaka ny andro tamin’izay,
ka nipetraka namindro teo amin’ny afo
ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha,
ary dia mba niara-namindro taminy teo koa i Piera.
Ary ny lehiben’ny Mpisorona nanadina an’i Jesoa
ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany,
ka hoy i Jesoa namaly azy:
Niteny am-pahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho,
ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy ny Tempoly,
izay ivorian’ny Jody rehetra,
fa tsy nilaza na inona na inona an-takona;
ka ahoana no anontanianao Ahy?
Ireo nihaino Ahy no anontanio izay voalazako taminy,
fa ireo no mahalala izay nampianariko.
Nony nilaza izany i Jesoa
dia nasian’ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina,
sy nataony hoe:
Izany ve no famalinao ny lehiben’ny Mpisorona?
I Jesoa namaly azy hoe:
Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy;
fa raha tsara ihany kosa,
nahoana no dia mamely Ahy ianao?
Dia nasain’i Ana nentina am-patorana
ho any amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona Izy.
Ary i Simôna Piera nijanona namindro teo koa,
ka nisy nanao taminy hoe:
Moa tsy isan’ny mpianany koa va ianao?
Fa nandà izy nanao hoe:
Tsia.
Dia hoy koa ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona
izay havan’ilay notapahin’i Piera sofina:
Tsy ianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha?
Fa nandà indray i Piera,
ary niaraka tamin’izay dia nisy akoholahy naneno.
Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa i Jesoa
ho any amin’ny tranon’ny Governora.
Efa maraina ny andro tamin’izay.
Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo,
fandrao voaloto ka tsy afaka mihinana ny Paka.
Koa i Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo alatrano,
nanao hoe:
Inona no iampanganareo io Lehilahy io?
Dia hoy ny navalin’izy ireo azy:
Raha tsy mpanao ratsy Izy dia tsy natolotray anao.
Ka hoy i Pilaty taminy:
Ento Izy,
ka tsarao araka ny lalànareo.
Fa hoy ny Jody namaly azy:
Tsy manam-pahefana hanamelon-ko faty izahay.
Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jesoa
momba ny fahafatesana hanjo Azy.
Dia niditra tao an-trano i Pilaty,
ka niantso an’i Jesoa sy nanao taminy hoe:
Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?
I Jesoa namaly hoe:
Anao samy irery izany teny izany,
sa an’olonkafa nilaza Ahy taminao?
Dia namaly i Pilaty nanao hoe:
Fa izaho angaha Jody?
Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko,
ka inona no nataonao?
I Jesoa namaly hoe:
Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako:
fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako,
dia ho niady ny oloko,
ka tsy ho voarain’ny Jody Aho,
fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako.
Dia hoy i Pilaty taminy:
Koa Mpanjaka izany Ianao?
Ary novalian’i Jesoa hoe:
Efa voalazanao, Mpanjaka Aho.
Teraka Aho, sy tonga tety an-tany mba hanambara ny marina,
ka izay rehetra mpanaraka ny marina,
dia mihaino ny feoko.
Dia hoy i Pilaty taminy:
Inona ny marina?
Fa nony voalazany izany,
dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy
ka nanao tamin’ireo hoe:
Raha izaho,
dia tsy mahita izay helony na dia iray aza.
Fa araka ny fanao amin’ny Paka,
dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho,
koa tianareo ve ny handefasako ny Mpanjakan’ny Jody?
Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe:
Tsy Izy,
fa i Barabasy.
Kanefa jiolahy i Barabasy.
Tamin’izay nalain’i Pilaty i Jesoa ka nasainy nokapohina.
Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila
ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiany kapaoty jaky Izy.
Raha efa izany, dia nanatona Azy izy ireo,
ka sady namely tehamaina Azy no nanao hoe:
Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.
Dia nivoaka indray i Pilaty ka nanao tamin’ny Jody hoe:
Indro Izy entiko manketo aminareo,
mba ho fantatrareo fa tsy hitako mihitsy izay helony na dia iray aza.
Tamin’izay nivoaka i Jesoa nisatroka fehiloha tsilo
sy nitafy kapaoty jaky,
ka hoy i Pilaty tamin’ny Jody:
Indro ny Lehilahy.
Nony nahita Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha,
dia niantso nanao hoe:
Fantsiho,
fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.
Fa hoy i Pilaty tamin’izy ireo:
Ento àry Izy, ka fantsihonareo,
fa izaho tsy mahita izay helony.
Dia hoy ny Jody namaly azy:
Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay,
dia tsy maintsy vonoina Izy,
satria manao ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra.
Nandre izany i Pilaty, vao mainka natahotra.
Ary niditra tao an-trano indray izy,
ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
Avy aiza moa Ianao?
Fa tsy namaly azy i Jesoa.
Ka hoy i Pilaty taminy:
Izaho indray ve no tsy itenenanao?
Tsy fantatrao angaha fa sady manam-pahefana handefa Anao aho,
no manam-pahefana hamantsika Anao amin’ny Hazofijaliana koa?
Dia namaly i Jesoa hoe:
Tsy hanam-pahefana amiko ianao,
raha tsy nomena anao avy any ambony izany,
koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao.
Hatramin’izay dia nitady handefa Azy i Pilaty.
Fa nantsointsoin’ny Jody hoe:
Raha mandefa an’io ianao,
dia tsy mba sakaizan’i Sezara,
satria izay manao ny tenany ho mpanjaka
dia mitsangan-kanohitra an’i Sezara.
Nony nandre izany teny izany i Pilaty,
dia nitondra an’i Jesoa nivoaka,
ka nipetraka teo amin’ny fitsarana,
eo amin’ny fitoerana atao hoe: Litôstrôtôs (lalam-bato),
na Gabatha amin’ny teny hebrio.
Andro fiomanana amin’ny Paka tamin’izay,
ary tokony ho tamin’ny ora fahenina
dia izao no nolazain’i Pilaty tamin’ny Jody:
Indro ny Mpanjakanareo.
Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe:
Esory, esory,
fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.
Ka hoy i Pilaty taminy:
Dia hofantsihako amin’ny Hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo?
Fa hoy ny lohan’ny mpisorona hoe:
Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy i Sezara.
Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa,
ka noraisin’izy ireo Izy dia nentiny.
Nentin’i Jesoa ny Hazofijaliana,
dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe Kalvery Izy (Ankarandoha),
na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebrio.
Teo no namantsihany Azy tamin’ny Hazofijaliana,
niaraka tamin’ny roa lahy hafa koa
izay nofantsihana teo an-daniny roa fa i Jesoa teo ampovoany.
Ary nanao soratra i Pilaty, napetany teo andohan’ny Hazofijaliana,
ka izao no vàkiny:
JESOA AVY ANY NAZARETA MPANJAKAN’NY JODY.
Betsaka ny Jody namaky io soratra io,
fa akaikin’ny tanàna ny toerana namantsihana an’i Jesoa,
sady vita tamin’ny teny hebrio sy grika ary latinina ny soratra.
Ka hoy ny mpisoron’ny Jody tamin’i Pilaty:
Aza atao hoe mpanjakan’ny Jody,
fa hoe: Izy nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jody Aho.
Fa hoy i Pilaty hoe:
Izay voasoratro, dia voasoratro.
Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny Hazofijaliana Izy,
nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra,
dia samy nanana ny anjarany avy izy;
toy izany koa ny akanjony rebareba.
Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony,
fa tenona iray ihany, hatrany ambony ka hatrany ambany,
ka nifampilaza izy ireo hoe:
Aoka tsy horovitintsika ity,
fa aoka hilokantsika,
dia ho lasan’izay hahazo ny loka.
Koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe:
Nozarainy ny fitafiako ary nilokany ny akanjoko.
Dia izany no nataon’ny miaramila.
Ary nitsangana teo akaikin’ny Hazofijalian’i Jesoa
ny Reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin’i Kleofasy ary i Maria Madalenina.
Nony hitan’i Jesoa ny Reniny
sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny,
dia hoy Izy tamin-dreniny;
Ravehivavy, indro ny zanakao.
Ary hoy Izy tamin’ilay mpianany:
Indro ny Reninao.
Ka hatramin’izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy.
Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa,
fa efa tanteraka ny zavatra rehetra,
ka hoy Izy, mba hahatanteraka ny Soratra Masina:
Mangetaheta Aho.
Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo,
ka nalainy ny spônjy, novontosana vinaingitra,
sy notohizana tamin’ny hazo hisôpy,
dia natohoka teo am-bavany.
Vao nanandrana ny vinaingitra Izy, dia nanao hoe:
Tanteraka ny zavatra rehetra.
Dia nanondrika ny lohany Izy ka niala aina.
(mandohalika mivavaka mangina kelikely)
Ary andro fiomanana tamin’izay,
ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody,
mba hotapahina ny ranjon’izy ireo, dia hoesorina,
mba tsy hisy faty mihantona amin’ny hazofijaliana amin’ny andro sabata
(fa andro lehibe izany sabata izany).
Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany,
sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa;
fa nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo,
dia hitany fa efa maty sahady Izy,
ka tsy mba notapahiny ny ranjony.
Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny Fony,
ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay.
Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filàzany,
sady fantany fa milaza ny marina izy,
mba hinoanareo koa.
Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe:
“Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza”.
Ary hoy indray koa ny Soratra Masina:
“Hijery izay nolefonina izy”.
Rehefa afaka izany, i Jôsefa avy any Arimatia,
izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko,
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia nangataka tamin’i Pilaty, mba haka ny fatin’i Jesoa,
ka neken’i Pilaty izany.
Dia lasa izy naka ny fatin’i Jesoa.
Ary tonga koa i Nikôdema,
ilay nanatona an’i Jesoa nony alina, tamin’ny voalohany,
nitondra mira sy alôesy nampifangaroina,
tokony ho zato livatra.
Koa nalainy ny fatin’i Jesoa, dia nasiany zava-manitra,
sy nofonosiny lamba araka ny fanaon’ny Jody amin’ny fandevenana.
Nisy saha anankiray kosa teo amin’ny toerana namantsihana an’i Jesoa,
ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin’ilay saha.
Ka noho ny maha-andro fiomanan’ny Jody tamin’izay,
dia tao no nandevenany an’i Jesoa, satria akaiky ny fasana.
Boky Eksaody (Eks. 12, 1-8. 11-14)
Tamin’izany andro izany, izao no nolazain’ny Tompo
tamin’i Môizy sy i Aarôna tany amin’ny tany Ejipta:
“Ity volana ity no aoka ho fiandoham-bolana ho anareo;
dia ho voaloham-bolana amin’ny taona izany ho anareo.
Ary mitenena amin’ny fiangonan’i Israely rehetra ataovy hoe:Amin’ny andro fahafolon’ity volana ity,
samia ianareo maka zanak’ondry iray avy, isam-pianakaviana,
zanak’ondry iray isan-trano.
Raha vitsy loatra ny iray trano ka tsy mahalany zanak’ondry iray
dia hikambanany amin’izay namany akaiky azy indrindra izy,
arakaraka ny isan’ny olona,
fa araka izay tokony hohanin’ny olona iray
no hanisanareo ny olona hihinana an’io zanak’ondry io.
Dia ho zanak’ondry tsy misy kilema sady lahy ary efa herintaona;
ny halainareo dia zanak’ondry na zanak’osy.
Dia hotananareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’io volana io,
vao samy hamono azy ny fiangonan’i Israely rehetra,
amin’ilay àty takariva iny.Hangalana ny rany,
hatentina amin’ny tolàna roa sy ny tataom-baravaran’ny trano hihinanana azy
ary hohanina amin’io alina io ihany ny nofony.
Voatsatsika amin’ny afo no hihinanana azy,
miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy anana mangidy.
Ary toy izao no hihinananareo azy:
ny andilana voasikina, ny tongotra voaisy kapa;
ny tanana mitan-tehina, ny fihinanana azy atao faingana.
Pakan’ny Tompo izany.
Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io andro io,
ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko,
hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby,
hisy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra:
fa Izaho no Tompo.
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo;
ho hitako ny ra, dia holalovako fotsiny ianareo;
ka tsy hisy loza hahafaty anareo,
rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Hataonareo tsy very tadidy izany andro izany,
fa hankalazainareo amin’ny fety hiderana ny Tompo,
hankalazainareo amin’ny taranakareo mifandimby,
ho zavatra nalahatra haharitra mandrakizay”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 115, 12-13. 154)
Inona no havaliko ny Tompo
amin’ny soa rehetra nataony ahy?
Handray ny kapoakam-pandresena aho
sady hiantso ny Anaran’ny Tompo.
Tsy sitraky ny Tompo velively
ny ahafatesan’ny sakaizany.
Mpanomponao aho, ry Tompo:
eny, mpanomponao tokoa,
zanaky ny ankizy vavinao aho,
ka nalànao fatorana.
Koa mitondra fanati-pisaorana aho
sy miantso ny Anaran’ny Tompo,
manefa ny voadiko tamin’ny Tompo
atrehin’ny vahoakany tontolo.
Taratasy voalohan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr. 11, 23-26)
Ry kristianina havana,
izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa:
tamin’ny alina namadihana azy iny i Jesoa,
dia nandray mofo, ka nony efa nisaotra Izy,
dia namaky azy sy nanao hoe:
“Raiso ary hano, fa Vatako ity ho anareo;
manaova izao ho fahatsiarovana Ahy”.
Toy izany koa, nony efa nihinana,
dia hoy izy:
“Kalisy fanekena vaovao amin’ny Rako ity;
manaova izao ho fahatsiarovana Ahy,
isaky ny misotro ianareo”.
Fa isaky ny mihinana ity mofo ity
sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo,
dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao: Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo.
DeraVoninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 1-15)
Talohan’ny fankalazana ny Paka, fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoana
hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray,
ka rehefa notiaviny tokoa ny azy izay amin’izao tontolo izao,
dia fara fitiavana no nataony taminy.
Ary raha mbola teo amin’ny fisakafoana hariva,
i Jodasy Iskariôta zanak’i Simôna moa
efa nomen’ny demony hevitra hamadika Azy,
i Jesoa kosa nahalala
fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany ny zavatra rehetra,
ary Andriamanitra no niaviany sady Andriamanitra koa no iverenany,
dia nitsangana teo am-pihinanana izy:
napetrany ny lambany,
nalainy ny lamba famàohana ka nisikinany;
raha efa izany, nampidina rano tamin’ny tavy Izy,
dia nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra,
sy namaoka azy tamin’ny lamba nisikinany.
Ary nanatona an’i Simôna Piera izy;
fa hoy i Piera taminy:
“Adre! Ianao ve, Tompoko,
no hanasa ny tongotro?”
Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:
“Tsy fantatrao izao izay ataoko,
fa ho fantatrao aoriana”.
Fa hoy i Piera taminy:
“Sanatria,
tsy hanasa ny tongotro na oviana oviana Ianao”.
Ka hoy i Jesoa namaly azy:
“Raha tsy sasako ianao,
dia tsy hanana anjara amiko”.
Dia hoy i Simôna Piera taminy:
“Tsy ny tongotro ihany àry, Tompoko,
fa ny tenako sy ny lohako koa”.
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Izay efa nandro,
tsy mila hosasana afa-tsy ny tongotra,
fa efa madio avokoa ny tenany manontolo.
Ary ianareo koa dia madio,
nefa tsy ianareo rehetra”.
Izy no nanao hoe:
Tsy ianareo rehetra no madio,
dia satria fantany ilay hamadika Azy.
Nony efa voasasany ny tongotr’izy ireo,
dia nandray ny lamba Izy,
ka nipetraka indray,
ary nanao taminy hoe:
“Moa fantatrareo va izay nataoko taminareo?
Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo,
ary marina ny filàzanareo;
fa izany tokoa Aho.
Ka raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza
nanasa ny tongotrareo,
ianareo samy ianareo koa
dia tsy maintsy hifanasa tongotra;
satria nomeko fianarana ianareo
mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 50, 4-9a)
Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho,
mba hahaizako mankahery ny reraka amin’ny teniko.
Mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako,
hoatra ny fihainon’ny mpianatra.
Nosokafan’ny Tompo ny sofiko,
ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory.
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko;
ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako;
ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy,
ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;
ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato,
ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
Akaiky Ilay manamarina ahy; iza no handahatra manohitra ahy?
Aoka hifanatrika isika!
Iza no manohitra ahy?
Aoka izy hankatý amiko!
Ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy:
ka iza no hanameloka ahy?
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 68, 8-10. 21bde-22. 31 sy 33-34)
Noho Ianao no ilonjoako latsa,
no mahasafo-kenatra ny tavako:
ka vahiny amin’ireo rahalahiko aho,
sy olon-kafa amin’ny zanak’i neny!
Eny, ny fahasaro-piaroko ny Tranonao
no maharìtra ny aiko.
Ny foko torotoron’ny latsa,
tsy lai-panafody;
mba miandry fitserana; fa tsy misy!
sy mpanony, fa tsy mahita!
Ny hanina laroany zava-mahafaty;
mangetaheta: bobohany vinaingitra.
Hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra aho,
ary hankalaza Azy amin-tsaotra!
Ny ory mahita ka mifaly.
Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra:
fa ny Tompo mihaino ny mahantra;
ny babo tsy hainy hamavoina.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 26, 14-25)
Tamin’izany andro izany,
nandeha ny anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy atao hoe i Jodasy lskariôta
nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona
ka nanao taminy hoe:
“Homenareo hoatrinona aho,
dia hatolotro anareo Izy?”
Dia nanisa farantsa kely telopolo ho azy izy ireo.
Hatramin’izay, dia nikendry izay hamadihana Azy izy.
Ary tamin’ny andro voalohany fihinanana ny azima,
dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe:
“Aiza no tianao hamboaranay hihinanao ny Paka?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Mankanesa any an-tanàna ao amin-dranona
ka lazao aminy hoe:
Hoy ny Mpampianatra: Efa akaiky ny fotoan’androko,
ka hanao ny Paka ato aminao Aho sy ny mpianatro.”
Nanao araka izay nasain’i Jesoa nataony ny mpianatra
ka namboatra ny Paka.
Nony hariva ny andro,
dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy.
Teo am-pihinanana dia hoy Izy:
“Lazaiko marina aminareo
fa ny anankiray aminareo hamadika Ahy.”
Nalahelo mafy izy ireo ka samy nanontany hoe:
“Moa izaho va izany, Tompoko?”
Dia namaly Izy ka nanao hoe:
“Izay niara-nanatsoboka ny tanany tamiko tao an-dovia,
izy no hamadika Ahy.
Ny Zanak’Olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy;
kanefa loza ho an’izay olona hamadika ny Zanak’Olona!
Tsara ho azy ny tsy teraka.”
Dia mba niteny i Jodasy ilay namadika Azy nanao hoe:
“Raby, moa izaho va izany?”
Ka novaliany hoe:
“Voalazanao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco