Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 11, 1-10)
Nony mby akaiky an’i Jerosalema
sy tonga tao Betania anilan’ny tendrombohitra Oliva i Jesoa,
dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany, ary nilaza taminy hoe:
“Mankanesa amin’itsy vohitra tandrifinareo itsy;
raha vao tonga any ianareo, dia hahita zanak’ampondra anankiray mifatotra,
izay tsy mbola nitaingenan’olona;
vahao izy ka ento mankaty amiko.
Ary raha misy manao aminareo hoe:
Ahoana no anaovanareo izao?
valio hoe:
Misy ilàn’ny Tompo azy; dia halefany hoentina aty miaraka amin’izay izy”.
Dia nandeha izy ireo ka nahita zanak’ampondra
mifatotra teo alatrano anilan’ny varavarana,
teo an-tsampanan-dalana,
dia novahany.
Ary ny sasany tamin’ny olona teo nanao taminy hoe:
“Ahoana no amahanareo io zanak’ampondra io?”
Fa novaliany araka ny nandidian’ny Tompo azy izy ireo,
ka namela azy hoentiny.
Dia nentiny tany amin’i Jesoa ny zanak’ampondra,
ka nataony teo amboniny ny fitafiany, ary nitaingina teo Izy.
Maro no namelatra ny fitafiany teny amin’ny lalan-kalehany,
ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo dia namafy izany teny amin’ny lalana koa.
Ary na izay nandeha teo alohany, na izay nanaraka teo aoriany
dia samy niantso hoe:
“Hôzàna!
Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo;
hosoavina anie ny fanjakan’i Davida raintsika, izay efa tonga izao;
hôzàna any amin’ny avo indrindra”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 12-16)
Tamin’izany andro izany,
dia ren’ny vahoaka be izay tonga hanao ny fety
fa ho avy ao Jerosalema i Jesoa,
ka naka sampan-drofia izy, dia nitsena Azy sy niantso hoe:
“Hozàna,
hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo
sy Mpanjakan’i Israely”.
Ary i Jesoa nahita zana-boriky anankiray,
dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
“Aza matahotra, ry zanaka vavin’i Siôna;
indro avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky”.
Tamin’izay dia tsy mbola fantatry ny mpianany ny hevitr’izany,
fa nony efa voasandratra tamin’ny voninahiny i Jesoa
vao tsaroany fa sady voasoratra ny aminy izany no nataon’izy ireo taminy koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 50, 4-7)
Nomen’ny Tompo Andriamanitra ny lelan’ny mpianatra aho
mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko.
Mamoha ahy isa-maraina Izy; mamoha ny sofiko Izy,
mba hihainoako, hoatra ny fihainoan’ny mpianatra.
Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko,
ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory.
Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko;
ary tamin’ireo nanongotra ny volombavako, ny takolako;
ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora.
Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy,
ka ny latsa tsy nahaketraka ahy;
ka ny tavako nataoko manahaka ny afo vato
ary fantatro fa tsy ho menatra aho.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 21, 8-9. 17-18a. 19-20. 23
Izay rehetra mahita manaratsy,
manondro molotra, mihifi-doha:
“Ilay matoky ny Tompo aoka hoafahany;
ilay sakaizan’ny Tompo: aoka hovonjeny!”
Andian’amboa no mitangorona amiko,
taranak’olon-dratsy no manarona:
ny tanana sy tongotro voaloakany,
voaisany avokoa ny taolako:
indreo izy mijery, indreo fa mibandrina ahy;
Ny akanjoko ifampizaràny,
ny fitafiako ilokàny.
Aza mijanona eny lavitra, ry Tompo;
faingàna hamonjy ahy, ry Heriko.
Dia hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko aho,
sy hankalaza Anao ao am-piangonana.
Ry matahotra ny Tompo, derao Izy;
ry taranak’i Jakôba, mihobia.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 2, 6-11)
Ry kristianina havana,
na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza i Kristy,
dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra ho zavatra nobaboiny,
fa nialany izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo,
ka tonga mitovy amin’ny olombelona,
sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
ary nilatsa-Tenany ho ambany, hanaiky hatramin’ny fahafatesana,
dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.
Ho valin’izany kosa,
dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy,
sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra,
mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany
ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra fa i Jesoa Kristy dia Tompo
efa niditra any amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Mk. 14, 1 — 15, 47
Rehefa indroa andro sisa ny Paka sy ny Azima,
dia nitady hisambotra am-pitaka an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna
mba hamonoany Azy;
nefa, hoy izy, tsy tokony ho amin’ny andro fety fandrao mitabataba ny vahoaka.
Ary nony tany Betania tao an-tranon’i Simôna boka i Jesoa,
dia nisy vehivavy anankiray niditra raha mbola nipetraka nihinana Izy.
Nitondra tavoara alabastra feno diloilo manitra sarobidy
natao tamin’ny salohin’ny narda ravehivavy,
ary novakîny ny tavoara,
dia naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny menaka.
Maro tamin’izay teo no tezitra ka nifampilaza hoe:
Nahoana re no laniana foana toy izao ity zavamanitra?
Denie telon-jato mahery iny raha namidy ka homena ny mahantra.
Dia nimonomonona tamin-dravehivavy izy ireo.
Fa hoy i Jesoa taminy:
Avelao izy;
nahoana ianareo no manao ny mampalahelo azy?
Asa soa no nataony tamiko,
fa ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva,
ka azonareo asian-tsoa araka izay tianareo,
fa Izaho kosa tsy eto aminareo mandrakariva;
nanao izay azony natao izy;
nohosorany rahateo ny Tenako ho fandevenany Ahy.
Lazaiko marina aminareo
fa na aiza na aiza hitoriana ity Evanjely ity amin’izao tontolo izao,
dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao ho fankalazana azy.
Ary i Jodasy Iskariôta, ilay isan’izy roa ambin’ny folo lahy,
dia nankany amin’ny lohandohan’ny mpisorona mba hanolotra Azy.
Faly ireo nony nandre izany, ka nanaiky hanome vola azy.
Ary i Jodasy dia nitady izay fotoana mety hamadihany Azy.
Ary tamin’ny andro voalohan’ny Azima izay fanomanana ny Paka,
dia nilaza tamin’i Jesoa ny mpianany nanao hoe:
Aiza no tianao halehanay hanamboaranay ny hihinananao ny Paka?
Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany Izy ka nilazany hoe:
Mankanesa any an-tanàna,
ary hifanena amin’ny lehilahy iray mitondra siny feno rano ianareo,
ka manaraha azy.
Dia lazao amin’ny tompon’ny trano izay hidirany hoe:
“Izao no asain’ny Mpampianatra lazaina aminao:
Aiza ny efitrano hiarahako mihinana ny Paka amin’ny mpianatro?”
Dia hotoroany efitrano malalaka voavoatra tsara ianareo
ka ao no anamboary ho antsika.
Dia nandeha ny mpianany ka tonga tany an-tanàna,
ary nahita araka izay nolazainy taminy sy nanamboatra ny Paka.
Nony hariva ny andro,
dia tonga Izy sy ny roa ambin’ny folo lahy.
Ary raha nipetraka nihinana izy ireo, dia hoy i Jesoa:
Lazaiko marina aminareo fa hamadika Ahy ny anankiray aminareo izay miara-mihinana amiko.
Dia nalahelo izy ireo ka samy nanontany Azy tsirairay hoe:
Izaho va izany?
Ary hoy Izy taminy.
Ny anankiray aminareo roa ambin’ny folo lahy
izay miara-mandray amiko amin’ny tanany ao an-dovia.
Ny Zanak’olona dia mandeha araka ny nanoratana Azy;
nefa mila loza ho an’izay hamadika Azy.
Tsara ho an’izany lehilahy izany ny tsy teraka.
Ary raha mbola nihinana izy,
dia nandray mofo i Jesoa ka nony efa notsofiny rano sy novakîny
dia nomeny azy ireo, sy nataony hoe:
Raiso, fa Vatako ity.
Raha efa izany,
dia nandray ny kalisy Izy, ka nony efa nisaotra,
dia nomeny azy izany sy nisotroan’izy rehetra.
Ary nolazainy aminy hoe:
Rako ity, dia ny Ran’ny fanekena vaovao izay alatsaka ho an’ny maro.
Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho
mandra-piavin’ny andro hisotroako izay vaovao,
any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Nony efa nanao hira fiderana izy ireo,
dia nankany amin’ny tendrombohitra Oliva,
ary hoy i Jesoa taminy:
Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina;
fa efa voasoratra hoe:
Hokapohina ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry;
fa rehefa tafatsangana indray Aho, dia hialoha anareo any Galilea.
Dia hoy i Piera taminy:
Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza izy rehetra,
izaho tsy mba ho tafintohina na oviana na oviana.
Ary hoy i Jesoa taminy;
Lazaiko marina aminao fa anio alina ihany,
raha mbola tsy haneno fanindroany akory ny akoho,
dia handà Ahy intelo ianao.
Fa vao mainka niteny mafimafy kokoa izy nanao hoe:
Na dia hiara-maty aminao aza aho, dia tsy handà Anao.
Ary nilaza toy izany koa izy rehetra.
Ary tonga tany amin’ny saha atao hoe Getsemany izy ireo,
dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
Ary nentiny hiaraka aminy i Piera sy i Jakôba ary i Joany,
ary nihoron-koditra sy ory indrindra Izy.
Ary hoy Izy taminy :
Ory ny fanahiko ka hila hahafaty Ahy;
mijanòna eto ianareo, ary miareta tory.
Dia nandroso kely Izy, ka niankohoka tamin’ny tany,
ary nivavaka mba ho afaka amin’izany ora izany, raha azo atao, nanao hoe:
Abà, Raiko,
azonao atao ny zavatra rehetra,
ka aoka tsy hikasika Ahy ity kapoaka ity;
kanefa aoka tsy ny sitra-poko no ho tanteraka,
fa ny Anao.
Dia nankeo amin’ny mpianany Izy, ka nahita azy natory,
ary nilaza tamin’i Piera hoe:
Ry Simôna, matory va ianao?
Tsy nahari-tory ora iray akory va ianao?
Miambena ianareo, ary mivavaha mba tsy ho latsaka amin’ny fakàm-panahy.
Marisika ihany ny fanahy, fa ny nofo no osa.
Dia lasa indray Izy nivavaka,
ka ilay teny teo ihany no nataony.
Nony niverina indray Izy,
dia nahita azy natory fa efa nilondolondo ny masony,
ka tsy hitan’izy ireo izay havaly Azy.
Ary niverina fanintelony Izy, ka nanao taminy hoe:
Matoria amin’izao ianareo, ary mialà sasatra.
— Aoka izay; tonga ny fotoana:
indro hatolotra eo an-tanan’ny mpanota ny Zanak’olona.
Mitsangàna ianareo, andeha isika:
indro efa akaiky ilay hamadika Ahy.
Niaraka tamin’izay, raha mbola niteny Izy,
dia tamy i Jodasy Iskariôta isan’izy roa ambin’ny folo lahy
mbamin’ny vahoaka be nitondra sabatra sy langilangy,
nirahin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
Izy ireo dia efa nomen’ilay mpamadika Azy famantarana toy izao:
Izay horohako no Izy,
ka sambory, ary ento tsy amim-pisalasalana.
Vantany vao tonga izy dia nanatona an’i Jesoa ka nanao hoe:
Arahaba, Raby.
Dia nanoroka Azy izy.
Ary nosamborin’ireo Izy, dia nohazoniny.
Fa ny anankiray amin’izay teo aminy nanatsoaka sabatra,
dia namely ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona,
ka nahafaka ny sofiny an’ila.
Ary niteny i Jesoa ka nanao tamin’izy ireo hoe:
Mova tsy ny hisambotra jiolahy no fiavinareo
nitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy!
Teo aminareo isan’andro Aho, nampianatra teo amin’ny Tempoly,
kanefa tsy nosamborinareo,
fa izany no ahatanterahan’ny Soratra Masina.
Dia nandao Azy ny mpianany rehetra fa lasa nandositra.
Ary nisy tovolahy anankiray nanaraka Azy,
lamba fotsiny no teny ankodiny, nosamborin’ireo koa;
dia nariany ny lambany, ka lasa nandositra niboridana izy.
Ary i Jesoa nentin’izy ireo ho any amin’ny lehiben’ny mpisorona
izay nivorian’ny lohandohan’ny mpisorona rehetra
sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
I Piera kosa nanaraka Azy teny lavidavitra teny,
hatrany an-tokotanin’ny lehiben’ny mpisorona,
dia niara-nipetraka tamin’ny mpanompo teo anilan’ny afo, sy namindro.
Tamin’izay ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpisaina rehetra
dia nitady izay hiampangana an’i Jesoa hamonoany Azy,
nefa tsy nahita;
fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
Nony inona dia nisy nitsangana niampanga Azy nanao hoe:
Renay Izy nanao hoe:
Horavàko ity Tempoly nataon-tanana ity,
dia hanangana hafa tsy nataon-tanana indray Aho amin’ny hateloana.
Fa tsy nifanaraka ny fiampangany na dia tamin’izany aza.
Dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra ny lehiben’ny mpisorona nanao hoe:
Ianao va no Kristy Zanak’Ilay Isaorana?
Ka novalian’i Jesoa hoe:
Izaho no Izy!
Ary ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’Ilay Mahefa ny zavatra rehetra,
sy avy eo ambonin’ny rahon’ny lanitra.
Dia norovitin’ny Lehiben’ny Mpisorona ny fitafiany,
ka hoy izy hoe:
Inona indray no ilàntsika vavolombelona?
Efa renareo teo ny nitenenany ratsy an’Andriamanitra,
ka ahoana no hevitrareo?
Dia nataon’izy rehetra fa mendrika ho faty Izy,
ka ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny Tavany,
sy namely totohondry Azy ary nanao hoe:
Vinanio.
Ny mpanompo avy no namely tehamaina Azy.
Ary raha mbola teo ambany amin’ny tokotany i Piera,
dia nankeo aminy ny anankiray amin’ny ankizy vavin’ny lehiben’ny mpisorona.
Nony nahita an’i Piera namindro izy,
dia nijery azy, ka nanao taminy hoe:
Ianao koa naman’i Jesoa Nazareanina.
Fa novaliany hoe:
Tsy fantatro, ary tsy azoko akory izay lazainao.
Dia nivoaka nankany alatrano izy ary naneno ny akoho.
Fa nahita azy indray ilay ankizy vavy,
ka nilaza tamin’izay teo hoe:
Naman’ireny koa io lehilahy io.
Fa nandà indray izy.
Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo tamin’i Piera:
Naman’ireny tokoa ianao, fa Galileanina koa.
Tamin’izay sady niozona izy no nianiana hoe:
Tsy fantatro akory izany Lehilahy antsoinareo izany.
Niaraka tamin’izay dia naneno fanindroany ny akoho.
Ary tsaroan’i Piera ilay teny nolazain’i Jesoa taminy hoe:
tsy mbola haneno fanindroany akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao;
ka dia nitomany izy.
Raha vao maraina ny andro,
ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra,
ka namatotra an’i Jesoa,
dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty.
Ary i Pilaty nanontany Azy hoe:
Ianao va no Mpanjakan’ny Jody?
Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe:
Voalazanao.
Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy,
ka nanontany Azy indray i Pilaty nanao hoe:
Tsy mamaly akory va Ianao?
He izato hamaroan’ny zavatra iampangany Anao!
Fa tsy namaly intsony i Jesoa na dia kely aza, ka gaga i Pilaty.
Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin’ny vahoaka;
ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin’ny mpikomy namany,
satria nahafaty olona tamin’ny fikomiana.
Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy;
fa namaly i Pilaty nanao hoe:
Tianareo va raha ny mpanjakan’ny Jody no alefako ho anareo?
Satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy.
Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo i Barabasy no halefany ho azy.
Ka hoy indray i Pilaty taminy:
Inona àry no tianareo hataoko amin’ilay antsoinareo hoe mpanjakan’ny Jody?
Dia niantso indray izy ireo nanao hoe:
Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.
Ary hoy i Pilaty taminy:
Fa inona àry no ratsy nataony?
Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe:
Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.
Ary noho i Pilaty te hahazo sitraka amin’ny vahoaka,
dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy,
ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.
Dia nentin’ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany,
izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriany ny miaramila namany.
Nony efa nampitafiany kapaoty jaky izy,
dia nosatrohany fehiloha tsilo, izay norandraniny, ny lohany;
ary dia niarahaba Azy izy nanao hoe:
Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.
Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy izy,
ary nandohalika nitsaoka Azy.
Nony efa nolalaoviny toy izany Izy,
dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy,
ka natafiny Azy indray ny fitafiany,
vao nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.
Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe i Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosy,
nandalo avy any an-tsaha,
dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany,
ary Izy dia nentiny tao amin’ny tany atao hoe Gôlgôtà
izay adika hoe tanin’ny karan-doha.
Dia nomeny divay miharo mira Izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro.
Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony,
ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy.
Ary tamin’ny ora fahatelo no namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.
Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe:
MPANJAKAN’NY JODY.
Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana:
ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany;
ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe:
“Natao isan’ny ratsy fanahy Izy”.
Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe:
Hià! ry ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra
sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity!
Vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy, ka mialà amin’ny Hazofijaliana!
Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna,
dia naneso Azy toy izany koa, fa izao no resany eo:
Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena.
Aoka i Kristy Mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny Hazofijaliana amin’izao,
mba ho hitantsika ka hinoantsika.
Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy.
Nony tamin’ny enina, dia rakotra haizina ny tany rehetra hatramin’ny sivy;
ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe:
Eloy, Eloy, lamà sabaktany?
Izany hoe:
Ry Andriamanitra ô! ry Andriamanitra ô!
nahoana no dia nilaozanao Aho?
Nony nandre izany ny sasany tamin’izay teo, dia nanao hoe:
Indro miantso an’i Elia Izy.
Dia nihazakazaka ny anankiray tamin’izy ireo,
novontosany vinaingitra ny spônjy sy notohizany volotara,
dia natolony Azy hotsentsafiny, ka hoy izy:
Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia!
Fa niantso mafy i Jesoa, dia niala aina.
(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)
Ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany
ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly.
Ilay kapiteny nitsangana teo antandrifin’i Jesoa,
nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany izy, dia nanao hoe:
Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.
Ary nisy vehivavy nijery teny lavidavitra teny koa;
anisan’ireny i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Jakôba sy i Jôsefa,
ary koa i Salômé, izay nanaraka Azy sy nanompo Azy fony Izy tany Galilea.
Fanampin’ireo koa nisy vehivavy maro izay niara-niakatra taminy tany Jerosalema.
Ary nony hariva ny andro, satria andro Fiomanana, izany hoe andro mialoha ny sabata,
dia tonga i Jôsefa avy any Arimatia,
loholona malaza izay nanantena ny Fanjakan’Andriamanitra koa.
Sahy nanatona an’i Pilaty izy, nangataka ny Vatan’i Jesoa.
Gaga i Pilaty noho Izy maty sahady,
ka nampaka ilay kapiteny sy nanontany azy na efa maty ela Izy na tsia.
Nony reny ny filazan’ilay kapiteny, dia nomeny an’i Jôsefa ny faty.
Dia nividy lamba i Jôsefa,
ka nony efa nampidina ny maty dia namono lamba Azy,
sy nandevina Azy tamin’ny fasana nolavahana tamin’ny vato,
ary nanakodia ny vato tamin’ny varavaram-pasana.
Ary nojeren’i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Jôsefa tsara izay nametrahany Azy.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.
Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.
Mk. 15, 1-39
Raha vao maraina ny andro,
ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra,
ka namatotra an’i Jesoa,
dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty.
Ary i Pilaty nanontany Azy hoe:
Ianao va no Mpanjakan’ny Jody?
Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe:
Voalazanao.
Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy,
ka nanontany Azy indray i Pilaty nanao hoe:
Tsy mamaly akory va Ianao?
He izato hamaroan’ny zavatra iampangany Anao!
Fa tsy namaly intsony i Jesoa na dia kely aza, ka gaga i Pilaty.
Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin’ny vahoaka;
ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin’ny mpikomy namany,
satria nahafaty olona tamin’ny fikomiana.
Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy;
fa namaly i Pilaty nanao hoe:
Tianareo va raha ny mpanjakan’ny Jody no alefako ho anareo?
Satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy.
Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo i Barabasy no halefany ho azy.
Ka hoy indray i Pilaty taminy:
Inona àry no tianareo hataoko amin’ilay antsoinareo hoe mpanjakan’ny Jody?
Dia niantso indray izy ireo nanao hoe:
Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.
Ary hoy i Pilaty taminy:
Fa inona àry no ratsy nataony?
Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe:
Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.
Ary noho i Pilaty te hahazo sitraka amin’ny vahoaka,
dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy,
ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana.
Dia nentin’ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany,
izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriany ny miaramila namany.
Nony efa nampitafiany kapaoty jaky izy,
dia nosatrohany fehiloha tsilo, izay norandraniny, ny lohany;
ary dia niarahaba Azy izy nanao hoe:
Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.
Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy izy,
ary nandohalika nitsaoka Azy.
Nony efa nolalaoviny toy izany Izy,
dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy,
ka natafiny Azy indray ny fitafiany,
vao nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy.
Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe i Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosy,
nandalo avy any an-tsaha,
dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany,
ary Izy dia nentiny tao amin’ny tany atao hoe Gôlgôtà
izay adika hoe tanin’ny karan-doha.
Dia nomeny divay miharo mira Izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro.
Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony,
ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy.
Ary tamin’ny ora fahatelo no namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.
Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe:
MPANJAKAN’NY JODY.
Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana:
ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany;
ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe:
“Natao isan’ny ratsy fanahy Izy”.
Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe:
Hià! ry ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra
sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity!
Vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy, ka mialà amin’ny Hazofijaliana!
Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna,
dia naneso Azy toy izany koa, fa izao no resany eo:
Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena.
Aoka i Kristy Mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny Hazofijaliana amin’izao,
mba ho hitantsika ka hinoantsika.
Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy.
Nony tamin’ny enina, dia rakotra haizina ny tany rehetra hatramin’ny sivy;
ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe:
Eloy, Eloy, lamà sabaktany?
Izany hoe:
Ry Andriamanitra ô! ry Andriamanitra ô!
nahoana no dia nilaozanao Aho?
Nony nandre izany ny sasany tamin’izay teo, dia nanao hoe:
Indro miantso an’i Elia Izy.
Dia nihazakazaka ny anankiray tamin’izy ireo,
novontosany vinaingitra ny spônjy sy notohizany volotara,
dia natolony Azy hotsentsafiny, ka hoy izy:
Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia!
Fa niantso mafy i Jesoa, dia niala aina.
(Mandohalika eto, ary mangina kelikely)
Ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany
ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly.
Ilay kapiteny nitsangana teo antandrifin’i Jesoa,
nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany izy, dia nanao hoe:
Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 31, 31-34)
Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo, —
hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà:
Ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy,
nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta,
fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho.
Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely,
rehefa afaka izany andro izany, — teny marin’ny Tompo: —
Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony;
ka ho Andriamanitr’izy ireo Aho ary izy ireo ho oloko.
Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony,
na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe:
“Mahalalà ny Tompo”.
Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra na ny kely na ny lehibe, — teny marin’ny Tompo. —
Satria havelako ny haratsian’izy ireo, ary tsy ho tsarovako intsony ny fahotany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 50, 3-4. 12-13. 14-15
Iantrao aho, ry Andriamanitra ô, fa tsara fo Ianao;
koseho re ny heloko, fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho
diovy tokoa amin’ny hadisoako.
Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra ô,
fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorina anoloanao aho;
ny Fanahinao Masina aza alàna amiko.
Avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy;
fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Dia hatoroko ny meloka ny lalanao
ka hiverina aminao ny mpanota.
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 5, 7-9)
I Kristy, tamin’ny andron’ny nofony,
nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be
tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana,
sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,
dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza;
ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy,
ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 20-33)
Tamin’izany andro izany,
nisy Jentily sasany, anisan’izay niakatra hivavaka tamin’ny andro fety,
nanatona an’i Filipo, izay avy tany Betsaidan’i Galilea,
ka nihanta taminy nanao hoe:
“Tompoko, mba te hahita an’i Jesoa izahay”.
Dia lasa i Filipo nilaza tamin’i Andre,
ka dia i Andre sy i Filipo no niara-nilaza tamin’i Jesoa.
Ary namaly azy i Jesoa ka nanao hoe:
“Tonga ny fotoana hanomezam-boninahitra ny Zanak’Olona.
Lazaiko marina dia marina aminareo
fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,
dia mitoetra foana izy;
fa raha maty kosa izy, dia mahavokatra be.
Izay tia ny ainy no hahavery azy,
fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao
no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.Raha misy manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy,
ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko koa.
Raha misy manompo Ahy, dia homen’ny Raiko voninahitra izy.
Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko,
ka inona re no holazaiko?
Raiko ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ity ora ity.
Nefa izao indrindra no nahatongavako, ho amin’izao ora izao.
Raiko ô, omeo voninahitra ny Anaranao”.
Tamin’izay dia nisy feo avy any an-danitra nanao hoe:
“Efa nomeko voninahitra Izy,
ary mbola homeko voninahitra indray”.
Nony nahare izany ny vahoaka izay teo, dia nanao hoe:
“Kotro-baratra izany”;
fa hoy kosa ny sasany hoe:
“Anjely niteny taminy izay”.
Dia hoy i Jesoa hoe:
“Tsy ho Ahy izany feo izany, fa ho anareo.
Ankehitriny, dia tonga ny fitsarana an’izao tontolo izao;
ankehitriny ny mpifehy an’izao tontolo izao no horoahina.
Ary Izaho, rehefa tafasandratra hiala amin’ny tany
dia hitarika ny olona rehetra hanatona Ahy”.
Ny nolazainy tamin’izany dia ny karazam-pahafatesana tokony hahafatesany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky faharoan’ny Tantara (2 Tant. 36, 14-16. 19-23)
Tamin’izany andro izany,
ny lehiben’ny mpisorona rehetra mbamin’ny vahoaka koa,
nandroso nanao fahadisoana manaraka ny fahavetavetan’ny hafa firenena,
sy nandoto ny Tranon’ny Tompo, izay efa nohamasininy, tao Jerosalema.
Malaky sady matetika no nampitondra teny fananarana tany amin’izy ireo,
ny Tompo Andriamanitry ny razany, tamin’ny alalan’ny irany,
fa nangoraka ny vahoaka sy ny Fonenany Izy.
Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra,
notsiratsirainy ny teniny, ary novazivazìny ny mpaminaniny,
mandra-pihàtran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Nodorany ny Tranon’Andriamanitra, noravany ny mandan’i Jerosalema,
notselarany afo ny lapa rehetra teo, ary nosimbany ny fanaka saro-bidy rehetra.
Nentin’i Nabokôdônôzôro ho babo tany Babilôna ny olona sisa tsy matin-tsabatra,
ka tonga mpanompon’izy sy ny zanany ireny, mandra-panjàkan’ny mpanjakan’i Persa.
Izany no nahatanterahan’ny tenin’ny Tompo, tamin’ny vavan’i Jeremia hoe:
“Mandra-pahazon’ny tany ny onitry ny sabatany,
dia hitsahatra izy mandritra ny fotoana nahafoana azy,
dia mandra-pahafenon’ny fitopolo taona”.
Ary tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Sirosa, mpanjakan’i Persa,
dia namporisihin’ny Tompo ny fanahin’i Sirosa mpanjakan’i Persa
mba hahatanteraka ny tenin’ny Tompo tamin’ny vavan’i Jeremia,
ka nasainy natao kabary sy nolazaina an-tsoratra hiely eran’ny fanjakany izao teny izao:
“Izao no lazain’i Sirosa mpanjakan’i Persa:
Efa nomen’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany:
ary efa nandidy ahy Izy, hanao trano ho Azy any Jerosalema.
Koa iza avy moa aminareo no vahoakany?
Homba azy anie Andriamanitra Tompony, ary aoka hiakatra izy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 136, 1-2. 3. 4-5. 6
Teo amin’ny onin’i Babilôna izahay nitorovoka,
nahatsiahy an’i Siôna ka nitomany.
Tamin’ny hazomalahelo izay teny
no nahantonay ny lokanganay.
Dia tonga ny mpamabo nangataka hira,
nasain’ireo mpampahory hifaly izahay:
“Anaovy hira izahay, hoy izy,
ihirao hiran’i Siôna!”
Dia an-tanin’olona ve izahay
no hihira ny hiran’ny Tompo?
Raha manadino anao aho, ry Jerosalema,
aoka ho maina ny tanako!
Ny lelako hipetaka amin’ny lanilaniko,
raha tsy mahatsiahy anao aho,
raha tsy ianao, ry Jerosalema,
no hany antom-pifaliako!
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 2, 4-10)
Ry kristianina havana,
Andriamanitra izay manan-karena amin’ny famindram-po,
noho ny halehiben’ny fitiavana izay nitiavany antsika,
na dia fony mbola matin’ny fahotana aza isika,
no nahavelona antsika niaraka tamin’i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
niara-natsangany isika, sy niara-napetrany amin’i Jesoa Kristy any an-danitra,
mba hanehoany amin’ny andro ho avy ny haben’ny harem-pahasoavany,
amin’ny hatsaram-pony amintsika ao amin’i Kristy Jesoa.
Satria ny fahasoavana no namonjena anareo, noho ny finoana,
ka tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra,
tsy avy amin’ny asa, fandrao misy mirehareha.
Fa asany isika, ary zava-bao nataony tao amin’i Kristy Jesoa,
mba ho amin’ny asa soa voaomany rahateo hataontsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.
Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
Dera sy laza anie ho Anao, ry Kristy Mpanavotra anay.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 14-21)
Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe:
“Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra
no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay”.
Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao:
ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao,
mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao.
Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo,
satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana.
Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana,
nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana,
satria ratsy ny asany.
Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana,
ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany;
fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana,
mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 3, 25. 34-43)
Tamin’izany andro izany,
nitsangana i Azariasa, nanao ity fivavahana ity,
ka niloa-bava tao afovoan’ny lelafo nanao hoe:
“Aza dia afoinao mandrakizay anie izahay noho ny amin’ny Anaranao,
ry Tompo Andriamanitry ny razanay,
ary aza dia esorinao aminay ny famindram-ponao,
noho ny amin’i Abrahama sakaizanao, sy i Isaaka mpanomponao ary i Israely masinao,
izay nampanantenainao hampitomboin-taranaka ho toy ny kintana eny an-danitra,
sy ny fasika eny amoron-dranomasina.
Fa efa nahena teo imason’ny firenena rehetra izahay, Tompo ô,
sady voaetry ankehitriny amin’ny tany rehetra, noho ny fahotana nataonay.
Amin’izao fotoana izao izahay tsy manana mpitondra na mpifehy,
na mpaminany, na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra,
na fitoerana hanateranay ny voaloham-bokatray eo anatrehanao ka hahitanay famindram-po.
Nefa, Tompo ô, aoka ho voaray ihany anie izahay
amin’izao fonay torotoro sy fanahy manetry tena,
toy ny andraisanao ireo sorona ondralahy aman’ombalahy na zanak’ondry matavy arivo;
aoka ho toy izany ny soronay ankehitriny eo anatrehanao, mbamin’ny fanekenay Anao,
fa tsy hahazo henatra izay mametraka ny fitokiany aminao.
Ankehitriny izahay manaraka Anao amin’ny fonay rehetra,
matahotra Anao sy mitady ny tavanao.
Aza atao fola-tana-manondro izahay,
fa ento araka ny hamoram-ponao, sy araka ny haben’ny famindram-ponao!
Vonjeo amin’ny fahagagana ataonao izahay,
ary omeo voninahitra ny Anaranao, Tompo ô!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo (Sal. 24, 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9)
Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy,
ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo;
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola.
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!
Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny,
ny ory ampianariny ny lalany.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy.
Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Piera, ka nanao hoe:
“Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko
no tokony hamela azy aho?
Hatramin’ny impito va?”
Dia hoy i Jesoa taminy :
“Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito,
fa hatramin’ny impitopolo fito.
Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra
dia tahaka ny mpanjaka anankiray
izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony;
ary raha vao nanomboka nanao izany izy,
dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.
Ary noho izy tsy nanan-kaloa,
dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany,
mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa.
Dia niankohoka ilay mpanompo,
ka nifona taminy nanao hoe:‘Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.’
Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany,
ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.
Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo,
dia tojo ity mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato;
noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe:‘Aloavy ny trosako any aminao.’
Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe:
‘Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.’
Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina,
ambara-pandoany ny trosa.
Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany,
ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony.
Dia nampanalain’ny tompony izy, ka nilazany hoe:‘Ry mpanompo ratsy fanahy,
efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao,
noho ianao nifona tamiko;
ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao
tahaka ny namindrako fo taminao?’Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy,
ambara-pandoany ny trosa rehetra.
Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo,
raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco