♦ Nifantoka tamin'ny fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa ny fihaonana teo amin'ny filohan'ny Fanavaozana ny repoblika, Kôlônely Randrianirina Michaël, sy ny filoha lefitry ny vaomiera Eraopeana, Ramatoa Kaja Kallas, tany Bruxelles... ♦ Tsy nisy ny marimaritra niraisan'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena sy ny sekoly tsy miankina momba ny fampiharana ilay fandaharam-pibeazana vaovao amin'ity taom-pampianarana ity, nandritr'ilay fivoriana faharoa teny Anosy, omaly... ♦ VFM : Tafajoro sy nampahafantarina omaly, vovonan'ny Fihavaozan'i Madagasikara ho an'ny Distrika Ambohidratrimo...

Masindahy Piera claviaire, Olomasina nanana ny fitiavam-bavaka manokana teo amin'ny fiainany ; nitolo-tena ary nanao voady amin'ny maha Zezoita azy, mba ho andevon'ireo andevo rehetra, izy no mpiaro ny "Continent Africain". Jacques Désiré Laval, Olontsambatra, hajaina manokana aty amin'ny Ranomasimbe Indiana, nanampy ny olona tao amin'ny nosy Maurice. Ny fiavaozana sy ny fanavaozana dia mifahatra amin'ireto teny ireto : Fiombonana - Firaisan-kina - Fihavanana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

• Mihenjan-droa ny tady eo amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ny Sekoly tsy miankina, momba ny fampiharana ilay fandaharam-panabeazana vaovao amin'ity taom-pianarana ity... • Tafajoro ary nampahafantarina ny vahoaka androany tolakandro, tetsy amin'ny Kianja Sentetika Ambohidratrimo, ny VFM Vovonan'ny Fihavaozan'i Madagasikara... • Ho fitsinjovana ny mpanjifa, manoloana ny mety ho fidangan'ny vidim-bary amin'ny fotoana maitso ahitra, no antony nanapahana ny hevitra tamin'ny Filankevitry ny Minisitra ny fampiatoana vonjy maika ny fangalana haba amin'ny vary afarana avy any ivelany...

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Ho hitan’ny mpanjifa ato ho ato ny mari-pamantarana na ny label ahalalana ny vokatra avy amin’ny ronono vokarin’ireo mpamokatra ao amin’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB. Eo ampanomana izany amin’izao fotoana izao ny tompon’andraikitra. Lalana iray ahafahana manome antoka ny mpanjifa izy io hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana Safidy Rabemananjara fa manaraka ny kalitao sy ny fenitra ara-pahasalamana ny vokatra atolotra azy ireo. Te hametraka sy hisitona ny sain’ny mpamokatra sy ny mpanodina ary ny mpiatsehatra rehetra amin’ny lalam-pihariana ronono ny MDB fa vokatra fantatr’olona ny vokatra voamarina...

Ny fanabeazana ny maha-olona manontolo no fototra hanorenana olona mendrika sy fiaraha-monina mandroso. Tsy ny fanomezana fahalalana fotsiny ihany no tanjona fa ny fananganana olona manana fo, saina ary fanahy vonona hanompo ny hafa ary hanorina ny ho avy. Raha te hanana Madagasikara mandroso isika dia tsy maintsy manabe olona feno : mahay, marina, tia tanindarazana, manaja ny hafa ary matahotra an’Andriamanitra. Aza avela ho very ny taranaka noho ny tsy firaharahiana ; ny fanabeazana ataontsika anio no endriky ny firenena ho hitantsika rahampitso....

• Misokatra ny fanenjehana ara-pitsarana ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, herintaona sy iray volana sy iray andro, taorian'ny nialany teto Madagasikara... • Na dia manamora ny fanehoan-kevitra sy ny fifandraisana aza ny fampiasana ny tambajotram-piarahamonina, dia ilana fitandremana lehibe ny fikirakirana izany, hoy ny ONG CID... • Miantso tolo-tanana amin'ny hahafahany hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena momba ny “robot” hatao any Korea Atsimo, ny Ekipa Karoka, solontena malagasy...

• Andrasana anio, aorian'ny fihaonana amin'ny Minisitera tompon'andraikitra, ny fapahan-kevitry ny sekoly tsy miankina manoloana ny fandaharam-pibeazana vaovao... • Hentitra ny Minisiteran'ny Fitaterana nilaza fa manana hatramin'ny alarobia izao, hifindrana eny Amoronakona ireo mpitatitra eny amin'ny Fasan'ny Karana... • Ady seza sy tombon-tsoa no tena mahamaika ireo mpanao politika nitondra soson-kevitra teny Iavoloha, fa tsy ny fanavaozana ny firenena notakiana teny an-kianja, hoy ny Diovy i Madagasikara Antsakaviro...

• Nokasaina hodorana ny fonjan'i Tsiafahy, ahafahan'ny Kolonely Patrick mitsoaka. Namoaka porofo ny fisian'izany tamin'ny horonan-tsary ny Minisiteran'ny Fitsarana androany... • Niova hevitra ny fanjakana momba ny toby fiantsonana Fasan'ny Karana. Tsy maintsy mifindra eny Amoronakona avokoa ireo fiara mpitatitra rehetra miasa eny an-toerana, hoy ny Minisitry ny Ftaterana androany... • Nampiato ny hetsika fanairana androany, ireo mpiasan'ny Aviation Civile de Madagascar nanao fihetsiketsehana, manohitra ny fanenjehana azy ireo eny amin'ny Bianco...

♦ Hitohy anio alakamisy 10 septambra ny raharaham-pitsarana fangatahana fahafahana vonjimaika ao amin'ny fitsarana Bail And Remand Court an'ilay mpandraharaha Ravatomanga Mamy, atsy Maurice... ♦ Nahitam-bokany ny andro voalohany tamin'ny fandatsahana orana artifisialy tany Andekaleka hampiakarana ny tahan'ny famokarana herinaratra ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo nataon'ny Orinasa JIRAMA... ♦ Mihenjan-droa ny tady eo amin'ny tale jeneralin'ny Aviation Civile de Madagasikara sy ireo mpiasa, niroso tamin'ny fitokonana fanairana arak'izany ny sendikan'ny mpiasa...

Tsy afaka miaina tsy misy fitiavana ny olombelona ary raha tsy misy ny fitiavana dia misy ho azy ny olana. Ny fitiavana no endrik'Andriamanitra mampitovy ny olombelona amin'ilay Nahary. Ny fo sy ny saina miaraka no tonga ho fanahy, izay maha-olona. Ny onjan'ny firaisan-tsaina dia misy ao amin'ny olona, efa hatramin'ny fotoana niforonany tao am-bohoka ; eo amin'ny 1,5 metatra eo ny elanelana afahana miaina sy mampita ny onjan'ny firaisan-tsaina, izay mampisy ny fifampatokisana sy ny fifanajana ary ny fifankatiavana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Désiré Ramakavelo...

♦ Anatin'ny dian'ny Kôlônely Randrianirina Michaël any Paris ny firesahana ny tetik'asa Volobe sy ny fiatrehana ny fifidianana, mandritry ny fihaonany amin'ny filoha Frantsay sy ireo tompon'andraikitra avy amin'ny vondrona Eoropeanina... ♦ Foana manomboka amin'ity taom-pianarana vaovao ity ny sokajy A1, A2 sy ny Sokajy C sy D ho an'ireo hiatrika ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea, mihatra arak'izany ny sokajy L sy S ary ny O.S.E hoy ny Ministera... ♦ Tafakatra 4 irao olona namoy ny ainy tamin'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin'ny tonelina Ambohidahy ny talata tolak'andro teo, niampy vehivavy roa ireo tsy nahatohitra ny ratra nahazo azy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...