Raha hanontany anao aho izao hoe : oviana i Jesoa no teraka ? 25 Desambra hoy ianao. Tsy tena fantatra anefa hoe andro inona no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Ny ao amin’ny baiboly koa tsy nisy nilaza izany.
Talenta miavaka ny ananan'i Danny... Fikirakirana ny hazo hanome endrika hafa ny finday.
Asatanana tsy dia fahita matetika ity aroso amintsika ity: haingo manatsara ny endriky ny tanàna sady azo ampiasaina tsara toy ny seza rehetra. Miavaka raha samy seza izy ity, azo ahantona amin'ny toerana tiana ary natao ho an'ny rehetra.
Iza moa no tsy hazoto hivavaka. Iza no tsy te ho any am-piangonana. Fa rehefa tonga any dia misy ihany anefa ny maningana. Ho itanao ato anatin'ity vidéo fohy ity ireo fihetsika tsara ialàna rehefa mivavaka.
• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco