Karazan'olona efa nisy fahagola teto Madagasikara ny Vazimba ary azo heverina fa razamben'ny Malagasy. Olombelona toy ny olona rehetra ny Vazimba, fa manana fomba sy fiaina miavaka sy manaja fady sy fomba ka manana fanomezam-pahasoavana mahavita miaina sy miresaka amin'ny tontolo ara-panahy sy Andriamanitra - Andriananahary. Mbola maro ny tarana-bazimba sy ny toerana misy azy ireny : Ambohimanarina, Andranoro, Ambohibao. Ny Kalanoro sy ny Vazimba dia misy ifandraisany ary tombanana ho taranaka iray ihany...

I Madagasikara dia efa an-tapitrisany taona no efa nisy, izay ampahantany nihataka tamin'i Afrika sy Azia. Efa nisy mponina ny nosy Madagasikara, izay feno ala, izay azo lazaina ho olon-dia, nivelona tamin'ny fihazana biby sy fihinanana voankazo sy zava-maniry samihafa. Ny vazimba dia ireo olona tompon-tany hatramin'ny nisian'i Madagasikara, olona nitafy hodi-kazo. Nanaja ny razana sy ny fasana ny vazimba hany ka nataony tsy hitan'ny maso ny fasany ary lasa hasinina. Noho ny afotro (Volcan) dia maro ny maty. Ny toerana misy ny tarana-bazimba : Ambohimanarina, Andranoro, Ambohibao...

Ny Spoken Word dia efa nisy taloha ela be tany amin'ny taon-jato faha-XIV, tany Italie, ary nivoatra sy niely eran-tany. Zava-kanto vita amin'ny teny, miainga amin'ny soratra anefa tsy natao hovakiana loatra fa natao holaizaina, tononina am-bava, laroina fihetsika sy mozika raha ilaina. Maro ny tera-tany Malagasy no miangaly azy ity. Tany ivelany dia nentina nanoherana ny tsy rariny mihatraika mivantana amin'ny maha-olona ity "spoken Word" ity. Ny Spoken Word dia mahitsy amin'ny fanehoana voambolana...

Ny Spoken Word dia azo adika malala hoe " Teny Lazaina" (mot parlé), iray amin'ny zava-kanto vita amin'ny teny ; miseho amina endrika fanehoana lahatsoratra amin'ny teny, izany hoe tononina na ventesina ho am-bava. Tsy lahatsoratra tsotra ny Spoken Word fa manakaiky kokoa ny "poezia", tsy praozy. Ny Spoken Word dia ventesina amin'ny feo mafy sy mazàna mora raisina ary amin'ny fomba mirehidrehitra (emphatique/plein amphase). Tany Etazonia, ny hetsika "Beat" sy ireo mpanakanto amerikanina mainty hoditra no nampiasa ny teny hoe "Spoken Word" ho an'ny teknikana pôezia ventesina amina feo avo sy mirehidrehitra miaraka amin'ny mozika...

Manana ny fomba mampiavaka azy ny foko Vezo, isan'izany ny "soron'anaka" fomba iray afahan'ny ray hanana fahefana amin'ny zanaka vavy. Misy karazany telo ilay fomba araka ny tranga misy, raha mbola anaty vohoka dia Soron-troka, raha efa tekaraka dia soron'anaka, fa kosa rehefa mahaleo tena (lehibe) dia soro-bata no ilazàna azy. Ny toerana fanaovana ity fomba ity dia eny amin'ny mpitan-kahomanga ; ity fomba ity dia heverina manankery ho an'iny zanaka vavy maro, iray reny, rehefa vita fomba ny iray voalohany. Ny soron'anaka dia azon'ny ray, ny anadahin-dreny na ny raibe tontosaina amin'ny zanaka vaviny...

Ny foko "Vezo" ara-tantara dia misy fiaviana avy any ivelany sy eto an-toerana : Indonesie, Arabe, Austronesia. Ity foko ity efa nisy teto Madagasikara tamin'ny taon-jato faha-5 hatramin'ny faha-12. Ny hoe "Vezo" dia azo heverina ho avy amin'ny teny hoe "Bajau" midika hoe mponina an-dranomasina. Ny foko Sakalava sy ny Mahafaly no nipoiran'ny foko "Vezo". Ny Vezo dia foko mpifindra monina, fa niara-nonina  tamin'ny Vazimba. Rehefa tera-bao ny vezo dia atao anaty ankorandriaka ny tadipoitra dia alefa an-dranomasina...

Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana entina hisarihana ny olona hiresahana hifantoka amin'ny dinika hatao. Ireo tanora mifampiresaka momba ny fitiavana no matetika tena manao azy ity. Andiam-pehezan-teny tsy mifampiankina fa entina misarika fifantohana fotsiny. Ohatra : Ganagana tsy mba gisa, manontany tsy mahadiso... Lahabolana Betsileo no nipoiran'ity lahabolana ity ary ny "kalita" no mitovitovy amin'ny, izay somary misy ady rima...

Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana mifototra amin'ny tsilalaon-teny aman-kevitra. Ampiasaina rehefa hampita hafatra fohy izy io ka eo alohan'ilay fehezanteny na andiam-pehezanteny mirakitra ny tena hafatra dia andrafetana fehezanteny na andiam-pehezanteny tsy manana hevitra mifandraika mihitsy amin'ny votoatin'izay hafatra hampitaina amin'ilay itenenana. Ny foko Betsileo no tena mpiangaly ny kipotsaka, indrindra ireo tanora mifampilaza fitiavana. Ny lahabolana "kalita" no mitovitovy amin'ny "kipotsaka" fa iry voalohany dia somary misy rima...

Taorian'ny fitondran'ny Mpanjaka Ratsimilaho dia nisy ireo nandova ny fitondrany dia ny zanaka amam-parany ; 1- Zanahary, 2- Iavy, 3-Zakavola, 4- Sasy ary 5- Tsimirilaza. Ny Miaramila nandeha niantafika notarihin-dRatsimilaho dia nanana fitaovana arifomba tamin'izany fotoana izay toy ny basy sy ny antsy lava. Isan'ireo anarana niantsoana an'i Ratsimilaho ihany koa ny hoe : Ramaromanompo. Noho ny ady fahefana nisy teo amin'ireo taranany dia nikisaka nanjaka tao amin'ny Nosy Borà, i Betia, izy izay natao batemy tao amin'io toerana nanjakàny io...

Ratsimilaho dia mpanjaka sy mpitari-tafika tao amin'ny Faritra Betsimisaraka, nizara telo ny foko tao amin'iny faritra iny dia ny Antavaratra, ny Tsikoa na Betanimena ary ny Antatsimo. Noho ny fiadiana ny harena izay nisy tao Toamasina sy Fenoarivo dia nanangana tafika i Ratsimilaho, nahitana miaramila 200 lahy ka ireo no nantsoina sy nomena anarana hoe "Betsimisaraka". I Ratsimilaho dia maty ny taona 1745 ary nalevina ao amin'ny Nosy Sainte-Marie. Ratsimilaho dia zanaka jiolahin-tsambo anglisy sy Rasoa na Rahena, avy amin'ny foko Zafiramisoa...

Ny loko amin'ny tontolo isainan'ny Malagasy dia mifanahaka amin'ny toetra amam-pihetsika, amin'ny fomba fisainana, amin'ny filôzofia Malagasy ary ny kolontsaina. Ny Malagasy tsy mametraka ho zava-dehibe ny fitsimbinam-pihavanana, ny tsy fiziriziriana hany ka lasa manana fahazarana manao teny verindroa ireo voambolana manambara loko ; ohatra : menamena, mangamanga, fotsifotsy.  Ny "mainty sy ny fotsy" dia entina ilazàna zavatra miiba, ny "manga" ilazana zavatra tsara, Ny "mena" fiandrianana na fitohizan'aina. Mety hiova isam-paritra ny hevitry ny loko (Mainty - Manga - Maitso)...

Andriamahazonoro dia anisan'ireo Mpanazary-Ombiasy nafarana ho eto Imerina tamin'ny vanim-potoana nitondran'Andrianampoinimerina, mba hanampy sy hanolontsaina ary niantafika niaraka tamin'ireo miaramila tamin'izany fotoana. Nampianatra sy nampita fahalalana maro avy amin'ny Foko Antemoro, indrindra ny sorabe teto Imerina. Andriamahazonoro dia isan'ireo masoivoho Malagasy voalohany tany Angleterre. Ireo Mpanazary-Ombiasy miisa dimy (Imosa, Ratsimezy, Andriambita, Ratsilikaina, Andriamahazonoro) dia samy maty novonina tamin'ny fomba tsy voafaritra ka iretsy telo voalohany no niara-maty...

Sous-catégories

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...