Ny biby teo amin'ny tontolom-piaraha-monina Malagasy dia nampiasaina ho sakafo, nampiasaina tamin'ny famokarana, fanafody, alafaditra, natao sorona. Manomboka amin'ny fahaterahana hatramin'ny fahafatesan'ny olona iray dia misy hatrany ny fampiasana biby mba ho fampodiana aina, fiarovana amin'ny loza... Isan'ireo biby heverina manana ny hasiny ny akoho, ondry, osy, omby, bibilava, voay, fanano, amalom-bandana... Ny bibin-dRamahavaly dia sampy, nampiasaina ho mpitari-tafika, sy mpitsapa entan'Andriana tamin'ny andron'i Radama-I... 

Ny "Kipotsaka" dia karazan-dahabolana mifototra amin'ny tsilalaon-teny. Ampiasaina rehefa hampita hafatra fohy izy io ka eo alohan'ilay fehezanteny na andiam-pehezanteny mirakitra ny tena hafatra dia andrafetana fehezanteny na andiam-pehezanteny tsy manana hevitra mifandraika mihitsy amin'ny votoatin'izay hafatra hampitaina amin'ilay itenenana. Ny foko Betsileo no tena fatra-piangaly azy. Ohatra : Raozimaria tsa mba ratsy fa anarana nataon'ny vazaha,  ka ny aombe mahia tsa mba mate, lehe mba tohofana vodi-kajaha. Amin'ny "kipotsaka" dia ny fehezanteny mamarana ny fehezan-teny mifanohy no tena misy ny votoatin'ny resaka tiana hampitaina. 

Ny isa 1 hatramin'ny isa 10 dia hita taratra sy manamarika anaran-tanàna maro : Ampanotokana, Ambohidroa, Antelomita, Ankadiefajoro... Ny isa 6 dia tsy ananana anaran-tanàna mifandraika aminy fa kosa nentina nanondrona faritra na tany lehibe : Imerina enin-toko, Faritany enina mandrafitra an'i Madagasikara. ny isa 3-5--6-8 dia manambara fahafenoana sy fanambinana, torak'izany koa ny isa 12, izay  

Ny fiarahaba "Arahaba tratry ny taona" no nisy talohan'ny "arahaba nahatratra ny taona". Ny Malagasy sy ny tatsinanana dia manana fomba fiheverana ny tontolo "tamberina tsy manampahataperana" ka manana hevitra hoe isika olombelona dia mizotra sy mivelona fa ny taona no miodina mandalo antsika noho izay dia ny "taona" no mahatratra antsika. Ny anarana "famantaran'andro" no nisy talohan'ny "famantaran'ora", izay fitaovana entina hamantarana ny fizotry ny andro. Ampiasaina ny voambolana hoe "MIKASIKA" rehefa voatondro mazava izay voakasika, "MAHAKASIKA" kosa raha zavatra ankapobeny. Sedraina ho voambolana tandrify ny "DRÔNE" ny hoe "SIDISIDINA" noho ny toetrany sy ny fomba fampiasana azy... 

Ny isa FITO (7) dia isa masina satria maneho fahafenoina izay lalan-tsaina nolovantsika malagasy tamin'ny tatsinanana,. Ny isa fito dia ahitana foto-teny "ITO" izay midika hoe tapaka ary io fiheverana io no anton'ny isa fito izay fatotra atao amin'ny faty mba ho fanapahana ny fifandraisany amin'ny velona sy ho fanapahana ny loza. Ny isa fito teo amin'ny malagasy dia midika ho haja sy voninahitra ary fahombiazana. Ny fomba malagasy dia ahitana taratra io isa io avokoa... 

Ny kabary dia isan'ny fitaovana fampitam-baovao ; santiona vitsivitsy : kabarim-panjakana (didy sy lalàna, fakana miaramila, fantaminana fanjakana, fanapahan-kevitra...) ny Kabarim-pokonolona (dina, asa iombonana ...), kabarim-panambadiana (fanatanterahana fomba...). Zava-kanto vita amin'ny teny ny kabary, aminy no isehoan'ny fahaiza-mifantina voambolana sy ohabolana ary hain-teny mbamin'ny tsilalaon-teny hoentina maneho hevitra sy mampita hafatra amin'ny itenena. 

Ny fanagasiana tsy nahomby noho ny paika tsy ampy nentina niatrika azy. Manan-danja amin'ny vahaolana momba ny fanagasiana ny fanagasiana ny toe-tsaina satria ny faharesen-dahatra anaty dia tombony lehibe hafahana mifototra amin'ny fampiasana ny teny malagasy. Maro no mihevitra fa olona mahay raha mahay teny vahiny. Tsara ny manamarika fa ny teny dia vata fitahirizana ny kolontsaina. Mba hanamorana ny fanagasiana dia ny fametrahana lalàna mikasika ny fampiasana ny teny malagasy sy izay rehefa maha malagasy no atao vaindohan-draharaha...

Ny kabary dia antoko iray lehibe ao amin'ny karazan-dahabolana malagasy. Lahateny atao ampahibemaso, enti-mampitra vaovao sy ny tsara ho fantatra eo amin'ny tany ama-monina sy eo amin'ny tany sy fanjakàna. Ny kabary dia avy amin'ny voambolana arabo "kabar" izay midika zava-baovao na filazana, na koa voambolana Soahily "khabai" na "h'abari" na teny Malay "Kabar" izay samy midika ho zava-baovao, vaovao na filazana ny heviny. Ny Kabary dia zava-kanto vita amin'ny teny, aminy no isehoan'ny fahaiza-mifantina voambolana sy ohabolana ary hainteny mbamin'ny tsilalaon-teny hoentina maneho hevitra sy mampita hafatra amin'ny itenenana...

Araka ny lalan-tsaina noentin'ny Mpanoratra, Mpampianatra, Akademisianina. Andriamalala Emilson Daniel Tsiferana dia misy lafiny telo no afahana mihatrika ny fanagasiana dia ny ara-toe-tsaina, ara-pampianarana, ary farany ara-toe-karena. Ny fanagasiana amin'ny lafiny fampianarana dia mitaky zavatra maromaro afahana miady amin'ny tosiky ny teny vahiny toy ny : fampitaovana izay enti-mampianatra, ny fampiofanana, ny rafitra, azo heverina ihany koa ny fametrahana politikan'ny fanabeazana ka ho teny enti-mampianatra ny teny malagasy. Fakafakaina tsara ny lafiny tsenan'asa satria misongadina loatra ny hoe ilaina ny fahafehezana ny teny frantsay ary tombony ny teny anglisy..

Ny kilalao dia ireo fitaovana entina milalao. Ny lalao dia fitaizana sy fanabeazana. Anatin'ny lalao no hatarafana ny fifanorona, fifampitaizana, ary manefy ny olona hahay hitondra tena ary hanitarana fahalalana. Ny tanjona amin'ny lalao iray dia fitantanana ny olona iray haleo-tena. Ny lalao dia malagasy dia efa nisy niampita ranomasina, izany hoe efa lasa lalao iraisam-pirenena dia ny fanorona sy ny fampitaha. Ny lalao fifaninanana dia harenesana foto-teny hoe "inana" izay midika fihezahana hanao mihoatra ny vitan'ny hafa na ny tena teo aloha, mikendry hai-zatra...

Ny lalao dia fialamboly hikatsahana fafinaretana, fitaizana sy fanabeazana. Ny tanjona amin'ny lalao iray dia fitantanana ny olona iray haleo-tena, hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy, hahay hiaina fandresena sy fahombiazana. Ny lalao dia nentina namondronana olona maromaro hisehoan'ny firaisan-kina. Ny lalao malagasy dia maro ary misy ho an'ny sokajin-taona rehetra sy ny sokajin'olona : vavy sy lahy, zaza, ankizy, tanora, lehibe. Ny lalao dia sady afahana mampiasa vatana no azo hampiasana saina ihany koa. Ny dihy sy ny hira dia isan'ireo lalao malagasy...

Ny "SLAM" dia sehatra iray manana fitsipika : tsy mihoatra ny 3 minitra, tsy misy mozika lafika, tsy hanaovana fanamiana manokana na fampiasana fitaovana enti-maneho. Mandritra ny fanatanterahana ny Slam dia tokony hisy ireto toko telo ireto : Mpijery, Poeta, ary ny mpandrindra na "Slam Master". Misy sehatra telo samy hafa amin'ny maha sehatra ny slam : ny sehatra misokatra amin'ny rehetra, ny fifaninanana ary ny fahatelo farany dia ny hetsika fampisehoana na "Spoken Word". Ireo fitsipika amin'ny fifaninanana dia tsy mihoatra ny 3 minitra sy 10 segondra, mpitsara avy amin'ny mpijery (isa tsy ankasa), salan'isa 0 hatramin'ny 10, fampiasàna time keeper...

Sous-catégories

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...