Lahabolana "JIHE" dia lahabolana fanao an-kira arahina hazakazaka madinika. Ity lahabolana ity dia fanao amin'ny fotoana fifaliana sy amin'ny fahoriana, izany hoe fandrisihana sy fampaherezana ireo izay hiantsàna azy. Ny JIHE dia lahabolana fanaon'ireo foko any amin'ny faritra Atsimo-Andrefana : Masikoro, Vezo, Bara. Lahabolana fanao famporisihana amin'ny asa iombonana toy ny hoe fitariham-bato...
Ny tsena dia nosokajian'Andrianampoinimerina hoe lapa, laka fihaonan'ny olona maro. Maro ireo tanjona ara-piaraha-monina nokendrena tamin'ny tsena dia ny fifampifehezana, ny fampitoviana ny rehetra, ny fifandambinana, fandrindrana ny fiainan'ny fiaraha-monina, fifampivelomana, fampandrosoana. Nametraka fitsipika maro Andrianampoinimerina mikasika ny tsena, isan'ireny ny famoahany ny venty sy ny fitaovam-pamarana, fandrefesana, fandanjana. Tsy nisy ny fakàna haba sy sara tamin'ny vokatra namidy taloha fa taty amin'ny andro nidiran'ny vazaha vao nisy izany...
Ny takalo no talohan'ny varotra ; "fihaonana" ny niantsoana ny toerana nahafahana nifanakalo vokatra taloha fa ny Mpanjaka Andrianampoinimerina no nanova ny fiantsoana ny toerana mamaly ny fepetran'io takalo io ho "tsena." Ny takalo dia fifanakalozana vokatra na zavatra heverina fa mitovy lanja na vidy (Entana hasolo entana). Ny vola dia efa nisy taloha elabe ary ireo vazimba dia efa nampiasa izany ; ny vola tamin'izany andro izany dia natao hoe "Cauri na coris", vola nampiasaina taty amin'ny faritry ny ranomasimbe indiana sy ny vondrotrany Azia...
Ny "Fankahatry" dia lahabolana malagasy, tsy mifidy fotoana ny fanaovana azy. Ny "Fankahatry" dia mitovitovy amin'ny lahabolana "Ampitsonteny na Vôlantô na Hainteny" fa ny miavaka kely an'iry voalohany dia izy miseho eo amin'ny fifampiresahan'ny tovolahy sy tovovavy mifamboraka fitia. Ny Fankahatry dia lahabolana fanaon'ireo Betsimisaraka ary noho izany dia amin'ny fiteny Betsimisaraka. Any amin'ny faritra atsinanana amin'ny nosy no misy ny foko mpanao ity lahabolana ity...
Ny "Fankahatry" dia lahabolana malagasy, lahabolana fanehoam-pitiavana. Ny Fankahatry dia lahabolana fanaon'ireo Betsimisaraka ary noho izany dia amin'ny fiteny Betsimisaraka. Lahabolana fifampiatsiana fitiavana, somary ankolaka, ka ny lehilahy no manomboka azy ary manohina ny vehivavy ; isan'ny mampiavaka azy ny hoe tsy maintsy hifamalian'ny lahy sy ny vavy. Any amin'ny faritra atsinanana amin'ny nosy no misy ny foko mpanao ity lahabolana ity...
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco