♦ Akon'ny fanamarihana ny andro eran-tany hivavahana ho an'ny misiona, natao tany Mahajanga omaly... ♦ Nanatitra taratasy fangatahana fanemorana ny fifidianana, fanindroany, teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-Panorenana, androany maraina, ny mpisolovavan'ny kandidà laharana faha-7, Andry Raobelina... ♦ Ny tanora sy ny vehivavy no tena entanina amin'ny hetsiky ny OIT na ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa, sy ny Ministeran'ny Jono sy ny Toe-karena Manga amin'ny famoronana asa manodidina ny toe-karena manga sy ny toe-karena maitso...
Ny "SLAM" dia avy amin'ny teny angilsy hoe " to slam (the door)", izay midika hoe "manakarapoka, manakatona mafy (ny varavarana)". Iray amin'ny karazana zava-kanto vita amin'ny teny ny Slam ; karazana tononkalo, am-bava kokoa anefa satria tononina. Mifanakaikikaiky amin'ny poezia miandany (poésie engagée) ny slam. Tany antenan'ny taompolo 80 no teraka tao Chicago (Etazonia) ny "slam" izay antsoina ihany koa slam poésie, avy amin'ny fifaninanana antsan-tononkalo izay tetik'asa noforonin'ilay Amerikana antsoina hoe Marc Smith. Ny taona 2002 no nidirany taty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, niainga tao La Réunion, Maurice ary tonga teto Madagasikara...
Ny loko dia misy heviny araka ny toetrany. Ny Malagasy dia efa ela no nahay namokatra loko ary akora toy ny tany sy zava-maniry no nampiasainy. Ny tany ravo na malandy na tany fotsy no hazoana loko "fotsy", eo koa ny zava-maniry nonoka ; ny zava-maniry "aika" no mamoaka ny loko manga ; ny tamotamo no manome ny loko "mavo" ary ny manome loko "mainty" dia zava-maniry toy ny ampongabendanitra, voahirana, tatamo, rotra, zamborizano ary ny tany dia ny fota-mainty ; ny nahazoana ny loko "mena" dia ny zava-maniry nato. Ny loko fotsy no misy heviny ratsy indrindra ary ny loko manga no tsara indrindra. Ny loko mena dia taratry ny tanjaka sy hery, midika ho vola. Misy tantara ny hoe "mena ambanin'ny mena" toy ny tretraka akoholahy...
Ny fanagasiana dia tsy tamin'ny taona 1972 no niaingany fa efa taona maro talohan'izay ; ara-tantara dia tamin'ny taon-jato faha-XIV, noho ny fifandraisana marolafy nisy sy tsy maintsy natao toy ny varotra sy ny asa fivelomana nifototra tamin'ny fihazana hazandrano. Ireo teny nifandraisana tamin'ireo vahiny maro nifanerasera tamintsika Malagasy dia maro no nampiarana ny fanagasiana eo ny teny Sanskrit, Bantous, Swahili, Anglisy sy Frantsay. Araka ny lalan-tsaina noentin'ny Mpanoratra, Mpampianatra, Akademisianina. Andriamalala Emilson Daniel Tsiferana dia misy lafiny telo no afahana mihatrika ny fanagasiana dia ny ara-toe-tsaina, ara-pampianarana, ary farany ara-toe-karena...
Dingam-piainana lalovan'ireo mpanao ny fomba malagasy ny "ala volon-jaza". Hatramin'ny taloha dia eo amin'ny fotoana handraisan'ny zaza ny fahatelon'ny volana nahaterahany no hanaovana io fomba io. Ara-pomba malagasy dia ny amin'ny vanim-potoanan'ny lohataona misandratr'andro fanatontosana azy, ny ankohatra izay dia izay andro hambaran'ny mpanandro. Ny ala volon-jaza dia azo atao ihany koa hoe ala sonia. Ny sonia dia ilay volo eo ambonin'ny sofina ka ny eo amin'ny havia no atao hoe sonia ratsy ary ny eo amin'ny havanana no sonia tsara...
Ny hoe "mivoaka itany" dia dingam-piainana ny zaza, fanombohan'ny fahavelomana sy ny fiainana eo anivon'ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Ny fitondrana vohoka tamin'ny malagasy dia 10 volana araka ny fanisàna andro malagasy. Herinandro eo ho eo ny fifanana ao anaty "komby" ary eo amin'ny havalon'andro no hirisoana amin'ny "mivoaka itany". Ny fomba hatao mandritra ny "mivoaka itany" dia haingoina ny olon-dehibe velon-dray aman-dreny hitrotro ilay zaza izay hotronon'ny zatovo lahy na vavy mitondra fitaovana samihafa. Raha lahy ilay zaza hoentina hivoaka itany dia zatovo lahy mitondra famaky sy tady mahazaka ary mizana no manaraka aoriana, raha vavy kosa dia zatovo vavy mitondra saronkarona no manotrona azy...
Ny "Sôvaramita" dia karazana literatiora malagasy teraka teo amin'ny taona 2013. i L. Niry Andriamora na Rasolonirina Léon Gabriel sy Ra-PHI na Rakotoniaina Jules Philibert no angady nanana sy vy nahitana azy ity. Samy niandoha tamin'ny fanoratana tononkalo moa i L. Niry Andriamora sy Ra-PHI. Fitambarana voambolana roa n hoe : "Sôvaramita" ka "Sôva" miampy "kidaomaramita." Ny hoe "ramita" dia avy amin'ny hoe kidaombaramita, izay isan'ny ngadona ampiasain'ny mpanoratra. Anatin'ity karazana literatiora ity dia misongadina ny filalaovana teny sy ny fizaràna fahalalana ; tokony mahalala ny tantara sy ny riba ary manome lanja ny soatoavina ny mpikanto azy.
Ny tontolo iainana dia izay iriariavan'ny olona : ny tany, ny ala, ny rano, ny tanàna, ny faritra honenana sy izay rehetra eo aminy. Ny tontolo iainana dia ilay tandrovina sy kajiana ary arovana. Ny tontolo iainan'ny olona dia misy sehatra roa lehibe dia ny tontolo ambanivohitra sy an-drenivohitra. Ho fikajiana ny tontolo iainana dia tandremanana ireo izay mety hiteraka vahavoazana mihatra amin'ny aina sy ny mihatra amin'ny saina. Ireo fahasimban'ny tontolo iainana mihatra amin'ny saina dia azo raisina ohatra ny mikasika ireo teny sy voambolana hampiasaina amin'ny dokam-barotra mampiasa teny diso na mampifangaro ny teny vahiny amin'ny teny malagasy...
Ny jijy dia iray amin'ny lahabolana tsimihety sy sakalava, ary ireo no tena miangaly azy. Ny betsimisaraka sy n sihanaka sy ny betsileo dia samy manao jijy daholo ; fitanisana sy fitariavana lavareny no fanaovana azy, entina handokoana zavatra iray. Tsy dia mifanalavitra amin'ny "Sôva" ny endriny saingy ny rafitra sy ny hafaingana no mampiavaka azy roa. Ankoatra ny jijy mifototra amin'ny lohahevitra iray dia misy koa ny jijy mirendra izay tsy voafaritra ny lohahevitra ambarany... Fandaharana "Filira".
Hira fanaon'ny foko betsileo ; ataony amin'ny anton-javatra samy hafa eo amin'ny fiainana andavanandro, na an-kafaliana na amin'ny fahoriana. Atao hoe "mpiisa" ny mpiangaly an'ity kazaran-dahabolana ity. Indraindray teny fotsiny ataon'olon-tokana na ifamalian'olon-droa fa misy ihany koa hiraina. Amin'ny ankapobeny dia misy olona roa farahakely mamelona azy. Ireo singa mamelona ny Isa : Mpanonona isa, mpandray isa ary fahatelo dia ny mpamerina isa. Fandaharana "Filira".
Ny atao hoe tontolo iainana dia mifitotra amin'ireto zavatra dimy ireto amin'ny ankapobeny : ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ala sy izay rehetra ao aminy, ny rano sy izay rehetra misy ao aminy, ny tanàna sy izay rehetra hita ao aminy ary ny faritra honenana sy izay rehetra ao aminy. Ny voambolana fampiasa matetika tsara tadidiana amin'ny resaka tontolo iainana dia ireto telo ireto : Kajiana, tandrovina ary ny arovana. Misy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Foibe momba ny teny, ny akademy malagasy sy ny sampandraharaha isan-karazany amin'ny fanefena voamboalana, ohatra ny OIF sy ny ADES. volambao : angovo mikajy tontolo, sy ny hoe fahandro mikajy tontolo. Fandaharana "Filira" sokajy fitsipika.
Ny anarana dia entina hamantarana na hanavahana olona na zavatra. Ny anarana dia misy fototra ara-kolontsaina lehibe teo amin'ny Ntaolo sy ny razambe Vazimba. Ny fomba fanomezana anarana dia teny ierana eo amin'ny olon-droa farafahakeliny. Ny anarana dia miankina amin'ny volana, andro, fotoana nahateranana ; ohatra Dama, Ratalata, Rabefararano. Misy fotoana araka ny laharam-pahaterahana ihany koa ; ohatra : Rakoto, Rasoa, Ranaivo, Raivo, Mparany, Fara. Fandaharana "Filira" sokajy Riba.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco