♦ Laharam-pahamehana ho an'ny fitondràna fanavaozana ny famerenana amin'ny laoniny ny filaminam-bahoaka hoy ny kôlônely Randrianirina Michaël nandritra ny lanonana famaranana ny fikaonan-doham-pirenen'ny tafika... ♦ Herintaona aty aorian'ny nahafatesan'ny Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'i Betioky Atsimo, Rabenirina Jean Jacques, mitaky hatrany ny hivoahan'ny marina momba izany ireo fianakaviany... ♦ Fanararaotra lehibe ho an'ny kaontinanta Afrikana, ary indrindra h an'i Madagasikara ny ZLECAF. Sehatra iray mampivondrona mpanjifa mihoatra ny arivo tapitrisa...

♦ Nanamafy ny toromarika h an'ny sekoly katôlika rehetra hanohy ny fandaharam-pianarana teo aloha ny DINEC. Efa misy ny dinika mandeha momba ilay fandaharam-pibeazana vaovao, hoy Mompera Jules Ranaivoson... ♦ Mbola fiangàna kely ho an'ny fanavaozana no vitan'ny fitondrana ankehitriny tao anatin'ny herin-taona izay, hoy Andriamatoa Alain Mahavimbina... ♦ Miantso ny hanomezana sehatra ireo manampahaizana amin'ny fitantanan-draharaham-panjakàna ny Fikambanan'ireo mpiofana andiany voalohany nivoaka teo anivon'ny ENAM. Nikarakara famelabelarana momba izany izy ireo, omaly...

Alahady 27 septambra 2026. Alahady faha-26 mandavantaona — A — Ny toky fitaka, fa ny atao no hita. Aleloia. Aleloia. Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako. Aleloia. Mila asa manamarina azy ny teny tsara nolazana na ny teny fampanantenaina. Afaka miala amin'ny ratsy ny olona ary afaka maneho "ENY" amin'ny fihetsika sy ny fiovana anaty. ilaintsika ny lamesa satria mandritra io fotoana io no hihainoantsika an'Andriamanitra sy handraisana hery avy aminy...

Ny crampes dia fihenjanan'ny hozatra tsy ninihana, tampoka ary maharary, izay mikasika hozatra iray na vondron'ny hozatra. Mety hahazo ny hozatra rehetra ny crampe, fa matetika indrindra izy miseho amin'ny faritry ny rantsambatana ambany, indrindra amin'ny ranjo, ny valahana ary ny tongotra. Matetika miseho rehefa amin'ny fotoana fialana sasatra ny crampe, matetika amin’ny alina, na rehefa avy nanao ezaka ara-batana tsy mahazatra. Mifandray amin’ny fahatairan'ny hozatra sy ny nofo izy ity, ka mampikainkona ny hozatra tampoka tsinahy... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Resy ny Barean'i Madagasikara tamin'ny lalao voalohan'ny fifanitsanana ho an'ny CAN 2027. Lavon'i Nigéria 02 no ho 01, tao amin'ny taniny ny ekipam-pirenena Malagasy... ♦ Notsarovana omaly ny fanombohan'ny tolona niongànan'ny fitondrana teo aloha ny 25 septambra 2025. Nahitàna hetsi-pahatsiarovana ny teto Antananarivo sy tany amin'ny Faritra... ♦ Miroso mankany amin'ny fanatanterahana dinika pôlitika eto amin'ny firenena ny VMFR. Nandrafitra sata fanoloran-tena ho any amin'ny dinika pôlitika izany ity vovonana ity... ♦ Tanora hatrany amin'ny 80.000 isa no nihaona tamin'ny Papa Léon-XIV tao Paris omaly hariva...

Razafimandimby Claude Joseph, nodi-mandry ny alahady 20 septambra 2026, olona niady sy nitolona ho an'ny fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly. Ry kristianina sy mpino hafa manerana ny nosy sy any ivelany, fotoana fifohazana izao ary handinihantena sy hibebahana amin'ny lalan-dratsy, aoka samy hisaina ny didin'Andriamanitra sy ny fitsipika hifampifehezan'ny fiaraha-monina. Manasa ny rehetra mba hanatontosa ny andraikitra manandrify azy fa tsy hifampitsabaka. Tsara ny fifampiresahana manoloana ny olana maro lafy hampandrosoana ny Firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

♦ Miatrika ny lalao ifandonana amin'i Nigéria nanomboka ny hariva teo ny Barean'i Madagasikara... ♦ Notsarovana androany ny faha-herin-taona nanombohan'ny tolona, nirodanan'ny fitondràna teo aloha ny 25 septambra 2025... ♦ Naharafitra sata fanoloran-tena ho an'ny dinika pôlitika ny vovonana VMFR. Miisa 23 ireo antoko sy vondron'antoko ary fikambanana nanao sonia izany teny Antanimena androany... ♦ Manaiky ny hanokafana mandritry ny 7 andro ny fari-dranomasin'i Ormuz i Irana, hanampiana ny famatsiana solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena...

Mbola olana hoan’ny mpanao asa tanana vita amin’ny volibe na ny Bambou tsy ahafahan’izy ireo mivelatra eo amin’ny tsena iraisaisam-pirenena ny tsy fahampian’ny kalitao sy ny fenitra takiana amin’ny famokaran’izy ireo. Maro nefa ny firenena afaka mandray ny vokatra eto Madagasikara, toa an’i Seychelles sy La Reunion. Misy koa ireo manondrana any Eraopa...

Ny ho avy dia tsy zavatra andrasantsika fotsiny fa zavatra amboarintsika tsikelikely amin’ny zavatra ataontsika androany. Ny hoe tsy miandry fa mamorona dia tsy midika hoe mila mahavita zavatra lehibe avy hatrany fa mety ho fanombohana kely, mety ho fianarana zavatra vaovao, mety ho fizarana fahaizana, mety ho fanampiana olona iray, mety ho hevitra iray izay mbola kely androany, fa mety hitombo rahampitso. Afaka manomboka amin’ny fampiasana ny fahaizako hanampiana olona iray aho. Mety ho fizarana fahalalana, fampianarana zavatra haiko, fanampiana olona iray hanomboka tetikasa, na famoronana serivisy kely mamaha olana iray...

♦ Fakàna lesona ho an'ny mpitondra hoy Andriamatoa Navony Lenoble Pierre, ny zava-nisy tamin'ny taon-dasa hoy izy... ♦ Nodimandry i Kira Michel, fantatra amin'ny hoe " Maître Kira" izay kintan'ny baolina kitra teto Madagasikara... ♦ Tsy tokony hijanona amin'ny fanamiana Malagasy fotsiny ihany ny fanomezan-danja ny maha-Malagasy isaky ny zoma fa tsara raha hitarina amin'ny lafiny hafa, hoy Sy Ratolojanahary... ♦ Higadona afaka ora vitsivitsy any France, hanatanteraka famangiana apôstôlika ho an'io firenena io ny Papa Léon-XIV...

♦ Hotanterahina ao anatin'ny andro tsy fiasana ihany ny tsiahy ny tolona 2025, anio zoma 25 septambra 2026... ♦ Tsy tokony hisy ireo hitompon-teny fatratra ho tompon'ny tolona 2025, hoy i Soja Fulgence filohan'ny fikambanan'ireo olona manana toe-tena varira eto Madagasikara... ♦ Hiroso amin'ny fanavaozana ny fifanarahana fanafarana solika eto Madagasikara ny Fanjakàna. Hihatra manomboka amin'ny volana janoary 2027... ♦ Pretra iray maty ary olona efatra hafa naratra, vokatry ny tsatok'antsy nataona teratany Okraniana iray, 31 taona, tany amin'ny faritra iray any Pologne...

♦ Nampikorontana ny rehetra ny momba ny andro rahampitso, izay hahatsiarovana ny hetsika 25 septambra 2025. Niova andro tsy fiasàna nefa handraisan-karama ihany ny rahampitso, taorian'ny vaovao samihafa mifamahofao... ♦ Nandray fitenenana teo amin'ny Pilpiotran'ny Firenena Mikambana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ny tolak'andro teo. Nataony tamin'ny teny Malagasy ranoray ny lahateniny... ♦ Misy indrokely ny resaka fidiovana sy fahadiovana eny amin'ny toby fiantsonana vaovao eny Amoronankona. Mitaraina ireo mpandeha mpampiasa ny toerana amin'ny tsy fahampian'ny trano fivoahana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...